- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mety Hampigadra Anao Telo Taona Ny Fahazoana Retweets 500 Any Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka

Nanamafy ny fanasaziana amin'ny tsaho an-tserasera i Shina amin'ny alalan'ny famoahana [1] [zh] lasitr'asa ara-pitsarana ahafahana manenjika ireo mpandika lalàna. Ny mpiserasera izay milaza vaovao tsy marina na manala baraka na manimba ny tsombontsoam-pirenena dia mety ho voasazy hatramin'ny telo taona an-tranomaizina raha hita in-5000 na misy mampita in-500, araka ny fomba famaritana ara-pitsarana navoaka tamin'ny 9 septambra 2013.

Nofaritan'ny torolalana vaovao, navoakan'ny Fitsarana Entim-Bahoaka Faratampony, ny mason-tsivana vaovao ahafahana manenjika na manameloka ny voampanga. Tafiditra ao anatin'izany ny andraikitra tamin'ny fanetseham-bahoaka, fanakorontanana ny filaminam-bahoaka, fanetsehana ny fankahalana ara-poko na ara-pivavahana ary ny fanimbàna ny endriky [na voninahitry] ny Fanjakana.

Araka ny Xinhua news [2], dia faly tamin'ny fandraisana ity fomba fandraisana ny famaritana ara-pitsarana ity i Shen Yang, profesora avy amin'ny Oniversite Wuhan misahana manokana momba ny famahanam-bolongana bitika tamin'ny filazana fa ahafahana manadio ny tontolon'ny Aterineto izany.

Tao anatin'ny volana vitsivitsy izay dia nitazona olona ahiahiana maromaro i Shina. Izao hetsika izao moa dia heverina ho anisan'ny politikam-panaraha-maso vaovao ny serasera ampiharin'ny filoha President Xi Jinping. Tamin'ny Jolay 2013, dia notazonina am-ponja ny mpihira Wu Hongfei [3] satria nolazaina fa nandrahona tamin'ny alalan'ny Sina Weibo hanapoaka baomba tranom-panjakana. Notazonin'ny [4] polisin'i Beiging ihany koa ny mpanao gazety Shinoa Liu Hu tamin'ny volana aogositra noho ny famoronana sy fampielezana tsaho an-tserasera.

Noho ny fahamoràn'ny fikirakirana ny tambajotra an-tserasera, dia ilaina fatratra ny mailo amin'izay havoakany, satria raha misy ananan'olona lolom-po na manana programa dia mety ho mora lasibatra amin'ny alalan'ny fihoarana ireo fetra azo ekena ireo. Maro ny mpiserasera naneho ny hatezerany tamin'ity politika vaovao ity.

CCTV reported that people will face defamation charges if the online rumors they create are viewed by at least 5,000 Internet users or retweeted 500 times.

Nitatitra ny CCTV ao Shina fa mety ho voampanga ho manala baraka ny olona raha 5000 farafahakeliny ny mpiserasera nahita ny tsaho noforoniny na nisy nampita in-500 izany.

Nanoratra i “Dunan Guandian [5]” [zh] :

一个人的同一个行为,他是不是个罪犯,决定权掌握在其他网民手中,别人不转他就是良民,别人转多了他就是个罪犯。

Eo ampelatanan'ny mpiserasera hafa ankehitriny ny famantarana raha nanao heloka ny olona iray na tsia. Raha tsy mi-retweet ny hafa dia olom-pirenena mendrika izy, fa raha mi-retweet ny hafa dia nanao heloka izy izay

Nananihany i “Shen biji [6]” [zh]:

本人刚注册了500个小号,谁要惹我,就找他敏感贴,往死里转

Nanokatra kaonty 500 aho, ka raha misy olona mahasosotra ahy dia hamaly faty aminy amin'ny alalan'ny fampitana indray ny hafany mety manahirana aho

Niteraka fanahiana avy hatrany eo amin'ny lafiny fahalalaham-pitenenana ao Shina ihany koa izany.

Nanoratra i “Yangfan qu yuanhang [7]” [zh]:

从“谣言转发500条入刑”事件中看不到新政府有什么要改革的苗头,只要看要对民众禁言的冲动;

Tsy mahita endrika fihavaozana avy amin'ny governemanta vaovao mihitsy aho amin'ity politika vaovao ity, ny hany hitako dia ny fampiakarana ny fanaraha-maso izay tenenin'ny olom-pirenena

Nanoratra i “EyeOfShaka [8]” [zh] :

一个不允许负面的ZF本身必然是专制,“谣言”转发500就可入刑,简直是滑稽加无耻,这无疑是告诉所有的百姓“你们必须保证说的是真理,要么我就可以给你转500,然后拿谣言的大帽子压死你”,潜在的意思就是都老实点,不然我就治你。

Didijadona izany politika tsy mamela ny famoahan-kevitra mitsipaka izany. . “Tsaho” misy mampita in-500 mety hitarika anao ho any am-ponja, tena fahadalàna tsotra izao. Filazana amin'ny rehetra io hoe “tsy maintsy miantoka ianao fa ny marina no lazainao, fa raha tsy izany ampitaiko in-500 io, dia potehiko ianao amin'ny filazako fa mampiely tsaho ianao.” Toy ny milaza hoe raha tsy mahay mitondra tena ianao dia faiziko.

Profesora Chen Wanying ao amin'ny Oniversite HK namoaka ny heviny [9] [zh]:

法律也是需要的,要营造一种气氛,一方面打击谣言,但是也要给民众有讲话的空间,大家来探索,不然你不利于创新,不利于国家的发展。

Ilaina ny lalàna ahafahana miady amin'ny tsaho, saingy mila sehatra isika ahafahan'ny olona miteny sy mamakafaka, fa raha tsy izany tsy mitondra ho amin'ny fihavaozana sy ny fampandrosoam-pirenena