Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Misaona Ny Fahafatesan'i Ibrahim Mothana, Tanora Mpikatroka i Yemen

Ibrahim Mothana's profile photo on Twitter and Linkedin

Sarin'i Ibrahim Mothana ao amin'ny kaonty Twitter-ny sy Linkedin

Misaona ny fahafatesan'ilay tovolahy mamirapiratra sy mahira-tsaina indrindra, antsoina hoe Ibrahim Mothana (@imothanaYemen), mpikatroka malaza sady mpanoratra, mpiara-manorina ny Antoko Watan sy ambasadaorin'ny Fikambanana Mpanasoa ny Hevitra Arabo 2011 i Yemen. Namoy ny ainy tamin'ny 5 Septambra 2013 teo amin'ny faha-24 taonany izy. Fohy ny andro niainany saingy nanome aingam-panahy ho an'ireo maro nahafantatra azy izy.

Nanofy Yemen mendrika indrindra i Ibrahim, teraka tamin'ny 23 Oktobra 1988 ary nanokana ny andro-piainany tamin'ny fanakarana izany tanjona izany. Namoaka lahatsoratra fanadihadiana momba ny fiantraikany sy ny maoraly manoloana ny daroka an'habakabaka amin'ny alalan'ny voromby baikoan-davitra (drone) ao Yemen izy tao amin'ny gazety New York Times, ary nanoratra momba ny aingam-panahiny amin'ny maha tanora mpikatroka Arabo sy Yemenita azy tao amin'ny CNN sy tao amin'ny Al-Jazeera. Mpandahateny mahay sy iray amin'ireo tanora mpikatroka mendrika hisolo-tena an'i Yemen any ivelany izy. Jereo ny resaka nataony momba ny revolisiona Yemen  nandritra ny “Fitantanana manerantany sy tontolo nomerika vaovao” tao Soeda tamin'ny 7 Jolay 2011 (lahatsary nampiakarin'ny GlobalUtmaning tao amin'ny Youtube):

Tovolahy marani-tsaina, tia namana, manome ainam-panahy, mahay, mana-talenta ary tsotra i Ibrahim Mothana ka tena fahaverezana goavana ho an'i Yemen sy ny havany ary ny namany  ny fahalasanany.

Niparitaka tao amin'ny media sosialy ny harivan'ny Alakamisy ny vaovao momba ny fahafatesany tampoka, ka nanoratra hafatra fampaherezana ho fanomezam-boninahitra ny zava-bitany sy ho fisaonana ny fahalasanany tampoka ireo namana ao Yemen sy manerana izao tontolo izao:

Nisioka ity vaovao mampalahelo ity ny namany sady mpiara-mpikatroka aminy, Farea Al Muslimi:

Vaovao mampalahelo avy ao #Yemen androany, iray amin'ireo tanora indrindra sy mana-pahaizana ao #yemen @imothanaYemen no namoy ny ainy androany. Andriamanitra ô! #RIP

Namana hafa, Hamza Alshargabi nanoratra hoe:

Nandao antsika any ho amin'ny toerana tsara indrindra i Ibrahim Mothana, ny tsara ihany no maty tanora! Mbola tsy nahita olona tahaka azy aho…http://t.co/oxRJkvVv06

Hamza nandefa lahatsary tao amin'ny YouTube ihany koa ho fanomezam-boninahitra an'i Ibrahim:

Abdullah Hamidaddin nizara ny lahatsarin'i Ibrahim:

Mandria am-piadanana, mitsiky foana. Be fanantenana, tia mihevitra, tsara fanahy, lalina. hitoetra ao am-pon'ireo mahafantatra an'i @imothanaYemen ny fahatsiarovana azy https://t.co/jZaUnJn8Je

Nivoady hanohy ny diany ilay mpikatroka Summer Nasser.

Angamba adidintsika ny manatontosa hatramin'ny farany izay nirian'i @imothanaYemen. Naniry #Yemen tsaratsara kokoa izy. Hiasa mafy ho anao izahay, rahalahy. Mampanantena aho

Bilaogera Yemenita Afrah Nasser namoaka lahatsoratra bilaogy mahery vaika ho fahatsiarovana azy. Hoy izy nanoratra:

Mothana truly believed that he had the responsibility to make a change for his community and he has stated that in his piece published on the Global Changemakers website, “I realise now that I am not in this position to represent my own views but also the millions of young people under the age of 25 living in the Arab world. I am responsible for making the voices of young people heard and helping create solutions for the problems they face within the Arab region. I agree with the words of Albert Pike: ‘What we have done for ourselves alone dies with us; what we have done for others and the world remains and is immortal’.”

Nihevitra tokoa i Mothana fa manana andraikitra hitondra fanovana ho an'ny fiarahamoniny ary nolazainy tao amin'ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny habaka Global Changemakers izany, “Fantatro ankehitriny fa tsy eo amin'io toerana io aho mba hisolo-tena ny fijeriko manokana fa ho an'ireo tanora an-tapitrisany latsaky ny 25 taona monina ao amin'ny tontolo Arabo ihany koa. Tompon'andraikitra amin'ny fampahafantarana ny feon'ny tanora aho ary manampy amin'ny fitadiavana vahaolana manoloana ireo olana hatrehin'izy ireo ao amin'ny faritra Arabo, miombon-kevitra amin'ny filazan'i Albert Pike aho hoe:. «Maty miaraka amintsika izay nataontsika ho an'ny tenantsika manokana, mitoetra sy tsy mety maty izay nataontsika ho an'ny hafa sy izao tontolo izao  “.

Nanoratra ity lahatsoratra bilaogy ity ihany koa aho ho fahatsiarovana sy hampahafantatra ny hafa mikasika ity tovolahy ity .

Mpikatroka Faizah A. Alssulimani  nanatontosa lahatsary tao amin'ny Youtube izay misy ireo sary tena hahatsiarovana indrindra an'i Ibrahim .

Ibrahim Mothana's participation poster in TedxSanaa in December 2011

Afisin'i Ibrahim Mothana tamin'izy nandray anjara tamin'ny TedxSanaa tamin'ny volana Desambra 2011, sary avy amin'ny TedxSanaa

Mpanoratra Amerikana Gregory Johnsen  nanoratra hoe:

Fahaverezana mampalahelo ho an'i Yemen izao. Maranitra sy tsara fanahy i Ibrahim, iray amin'ireo vitsy mamome tsirim-panantenana ho an'ny hoavin'i Yemen.

Nisioka ilay mpanao gazety Irlandey Iona Craig, izay monina ao Yemen sady nahafantatra an'i Ibrahim:

Tohina tanteraka ary mitomany nandre ny fahalasanan'ny tena namana @imothanaYemen . Iray amin'ireo tovolahy marani-tsaina indrindra ao Yemen. Mila anao i Yemen Ibrahim. x

Mpanao gazety Amerikana sady mpanoratra ny boky “Dirty Wars (Ady Maloto)” Jeremy Scahill nilaza hoe:

Nihorohoro nahare ny fahalasanan'ny namako Ibrahim Mothana tampoka, mpikatroka mampitolagaga sy tsy mba sasatra ka tsy mitsahatra mitolona ho an'i Yemen

Mpikatroka ny zon'olombelona ao Bahrain, Maryam Al-Khawajaa nisioka hoe:

Nanam-pahafinaretana aho nihaona tamin'i Ibrahim Monthana, mpikatroka manome aingam-panahy ao #Yemen. Nalahelo nandre fa maty izy. Mandria am-piadanana

Mpanao gazety Ejipsiana sady bilaogera Mohammed Aldahshan nanoratra hoe:

Alahelo tsy mana-pahataperana. Namoy ny ainy ny namako @imothanaYemen, 25 taona. Tena fahaverezana goavana ho an'ny fianakaviany, namany, Yemen ary izao tontolo izao.

Ejypsiana Ahmed Esmat nanangana hetsika tao amin'ny Facebook izay nanentanany ireo namana hanoratra izay ahatsiarovan'izy ireo an'i Ibrahim:

Please share with us your memories,words or pictures with our late friend, شاركونا فيما تملكون من صور او كلمات او ذكريات عن صديقنا الراحل.

Azafady, zarao aminay ny fahatsiarovana, teny na sary any aminao ho an'ny namantsika nindaosin'ny fahafatesana

Aostraliana Linh Do nizara ny fijeriny an'i Ibrahim, hoy izy nisioka:

Mandria am-piadanana Ibrahim Mothana, iray amin'ireo olona vitsy fantatro izay tsy maniry fotsiny ny hanova izao tontolo izao, fa vonona hitondra anjara biriky amin'izany

Hoy izy nanampy:

Fantatro tamin'ny maha mpikatroka Yemenita (na araka ny fitenintsika, Yemish) manohitra ny daroka an'habakabaka (drone) izy izay nampiseho ahy an'i Yemen tsy mbola fantatro

Ibrahim Mothana's funeral, held Friday September 6, 2013 in Sanaa. Photo via twitter by Fahmi Albaheth

Fandevenana an'i Ibrahim Mothana, natao tamin'ny Zoma 6 Septambra 2013 tao Sanaa. Sary tao amin'ny twitter-n'i Fahmi Albaheth

Tohina ihany koa ilay mpanao gazety Amerikana Adam Baron, monina ao Yemen, ary nalahelo noho ny fahalasanan'i Ibrahim, nandefa ity teny mahery vaika ity tao amin'ny rindrin'ny Facebook-ny izy:

But even if the outpouring of grief in Yemen and other places across the globe provides a fitting demonstration of what Ibrahim achieved in his 24 years on this earth, its not just about who he was and what he did, but what he was unable to do. I doubt there's anyone who ever met Ibrahim who didn't assume he was destined for even bigger things. God knows how much more this guy could have accomplished, how much more he could have done to make Yemen a better place. We'll all certainly miss Ibrahim's humor and insight.

Na dia nampiseho ny zava-bitan'i Ibrahim nandritra ny 24 taona niainany teto an-tany aza ny hafatra maneho fitiavana avy ao Yemen sy toerana hafa manerana izao tontolo izao, dia tsy ny momba azy ihany izany na ny zava-bitany, fa inona ihany koa no tsy vitany. Misalasala aho raha misy olona nihaona tamin'i Ibrahim ka tsy nihevitra fa natokana hanao zavatra lehibe kokoa hatrany izy. Andriamanitra mahalala izay haben'ny zava-bitan'ity lehilahy ity, ary ho tahaka ny ahoana no mety ho vitany hahatonga an'i Yemen hanana toerana tsaratsara kokoa. Halahelo ny vazivazy sy ny haranita-tsainan'i Ibrahim isika.

Ity misy storify misy ireo hafatra fanehoam-pitiavana avy ao Yemen sy manerana izao tontolo izao izay misaona ny fahafatesan'i Ibrahim Mothana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.