- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pro-Assad Sy/Na Mpanao Fihetsiketsehana Manohitra ny Ady?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika
A pro-Assad protest in Washington DC. In addition to waving the Syrian flag, an Israeli flag is seen among the crowd. Photograph shared by Eiad Charbaji on his public Facebook page [1]

Fihetsiketsehan'ny mpanohana an'i Assad ao Washington DC. ankoatra ny saina Syriana mihofahofa, dia nisy saina Isiraeliana iray ihany koa tazana tanaty vahoaka. Saripika nozarain'i Eiad Charbaji ao amin'ny pejy Facebook-ny

Nisy ireo fihetsiketseha-panoherana ny ezak'i Etazonia hidaroka an'i Syria. Nitsongodia ny sasantsasany amin'ireny fihetsiketsehana ireny ny mpiserasera, izay nahitana ny vondron'olona mpanohana ny filoha Syriana Bashar Al Assad. Ny fanontanian'izy ireo moa dia hoe mety ho mpanohitra ny ady ve ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana an'i Assad, raha hita fa efa nitarika ny ady tamin'ny Syriana i Assad hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana tao amin'ny firenena hatramin'ny Marsa 2011.

M. Scott Mahaskey nizara sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny ady – sy manohana an'i Assad – manao T-shirt ahitana ny sarin'i Bashar Al Assad T-shirts eo ivelan'ny Trano Fotsy:

Mpidinika Syriana Amerikana eo ivelan'ny Trano Fotsy manao hetsi-panoherana amin'izay mety ho fidarohan'i Etazonia an'i Syria

Syrian Nader nizara sary hafa, avy amin'ny hetsiky ny mpanohana an'i Assad protest, tao Washington DC ihany koa:

Saripika avy ao Washington DC. Tsy an-kiteniteny

Ankoatra ny saina syriana, nisy mpanao fihetsiketsehana iray hita nanofahofa saina Isiraeliana ao amin'io sary io.

Manakaiky kokoa ilay firenena voatonona, nisy fihetsiketsehann'ny mpanohana an'i Assad ihany koa notontosaina tao amin'ny kianja Tahrir, tao Kairo, foiben'ny revolisiona Ejipsiana.

Milaza ny heviny i Tom Dale:

Fihetsiketsehana kely saingy mahakivy tao Tahrir mihiana an’ “Andriamanitra, Bashar, Sisi ary Syria

Ahmed Aggour mizara ny rohy amin'ny lahatsary etsy ambony ary maneho ny heviny :

Tahaka izay efa nolazaiko, niandry fotoana fotsiny ny hiakiakan'ny mpanohana an'i Assad dia nahita ny lalany ho ao Tahrir

Mandresy lahatra ny mpikatroka syriana Yasmine Jandali fa tsy ho afaka ny ho mpanohitra ny ady ny mpanohana an'i Assad – satria efa miady amin'ny vahoakany i Assad. Nisioka izy:

vahoaka mpanohitra ny ady, raha mahita ny sarin'io boay amin'io hetsika io ianare, fantaro fa mpanohana an'i Assad ireo, mpanohana ny ady an-trano, mpanohitra ny vondro-pahafahana.

Milaza mivantambatana kokoa ilay Syriana Farah, izay miaina any Emirà Arabo Mitambatra:

Tsy mety miaraka izany sady mpanohana an'i Assad no mpanohitra ny ady izany

Ary nanao fampitahana manafintohina i Shiyam Galyon:

Izany mahita mpikatroka avy amin'ny antoko ankavia/mpanohitra ny ady/mpanohana ny fandriampahalemana miaraka amin'ny mpanohana an'i Assad izany dia tahaka ny mahita vondron'ny mpandala ny mahavehivavy sy ny mpanolana miara-dia amin'ny resaka [fiarovana ny] vehivavy