Manara-maso Ny Sioka Alefan'ireo Mpisolovava i Arabia Saodita

Manara-maso ny sioka alefan'ireo mpisolovava i Arabia Saodita – mba hanamarinana fa tsy mandika lalàna izy ireo. Iharan'ny sazy mifanaraka amin'ny fihenjanan'ny sioka alefany ireo mpisolovava “manevateva”, hoy ny mana-pahefana Saodiana iray.

Niresaka tamin'ny gazety Arabo mpivoaka isan'andro Al Sharq, ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Fitsarana, Fahad Al Barkan fa maraha-maso amin'ny “fitondra-tenany sy izay mahaliana” ny mpisolovava rehetra ry zareo. Hoy izy hoe:

There isn't a special desk charged with monitoring lawyers, but we monitor their tweets and what they discuss related to certain cases when they break the law.

Tsy misy birao manokana hisahana ny fanahara-maso ireo mpisolovava, fa izahay no manara-maso ny siokan'izy ireo sy izay resahiny momba ny tranga iray raha mandika lalàna izy ireo

Nilaza ihany koa izy fa manomboka amin'ny fibedesana, fampitandremana hatramin'ny fanaisorana ny fahazoan-dalana amin'ny asa ny fanasaziana.

Tao amin'ny Twitter, namaly tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana Arabo #العدل_تراقب_تغريدات_المحامين, midika hoe “manara-maso ny siokan'ireo mpisolovava ny Minisiteran'ny Fitsarana” ireo mpiserasera Saodiana.

Nofaritan'i Essam Al Zamil ho anisan'ireo minisitera ratsy indrindra ao amin'ny firenena ny Minisiteran'ny Fitsarana Saodiana. Hoy izy nisioka [ar]:

Ny Minisiteran'ny Fitsarana – iray amin'ireo minisitera ratsy indrindra – raha tokony hifantoka amin'ny fanatsarana ny asany dia ilaozany manara-maso izay lazain'ireo mpisolovava ao amin'ny Twitter.

Khalid Al Babtain nanampy hoe:

Tsy ilàna fanaraha-maso izay sioka alefan'ireo mpisolovava. Fa tokony hanaraka izay tranga sy raharaha mivoaka dia mianoka sy manampy [mamaha olana ireo raharaha]

Mpisolovava Saodiana Badr Al Naqethan nisioka hoe:

Mampihomehy ny fanambarana avy amin'ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Fitsarana. Ratsy ho an'ny lazan'ny mpisolovava sy ny Fanjakana [Arabia Saodita] izany ka tsy tokony hankatoavina. Amin'ny 9 ora hariva ny fivoriantsika.

Mohamed Al Ebrahim namaly ny siokany:

Raha ianareo mpisolovava izay mampiasa lalàna hiarovana anay amin'ny herisetran'ny fitondrana aza moa matahotra, inona sisa no tavela ao amin'ny firenen'izy ireo? Ho lasa aiza ity firenena ity?

Nihevitra i Ibrahim Al Dossary fa iharan'ny fandrahonana ireo mpisolovava, mba hanakanana azy ireo tsy hanentana ny vahoaka mikasika ny zony. Hoy izy nanoratra:

Nahoana izy ireo no matahotra ny sioka alefan'ireo mpisolovava? Satria mampahafantatra ny vahoaka momba ny zony ny mpisolovava.

Nilaza i Altass fa ny tsy fisian'ny sendikàn'ny mpisolovava no mamparefo azy ireo ao Arabia Saodita.

Raha manana sendikà ny mpisolovava mba hiarovana ny zon'izy ireo sy hiarovana azy, tsy sahy mandrahona tahaka izao ny Minisiteran'ny Fitsarana.

Abdulla Aljebreen nanontany hoe:

Karazan'olona inona izy ireo ary tontolo manao ahoana no onenany? Navela halalaka fanehoa-kevitra ny firenena maro hatrizay ary mamono ny teny afaka.

Einstain-Arab namazivazy hoe:

Tokony hitandrina ireo mpisolovava rehefa mandefa sioka. Manoro hevitra azy ireo ihany koa izahay mba hiarahaba sy handoka ny Minisitry ny Fitsarana ao amin'ny siokan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.