- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ghanà : Fiandrasana Ny Didim-pitsarana Tamin'ny Fifidianana Filoha

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Fifidianana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

Alohan'ny 29 Aogositra 2013 no nila nanapa-kevitra ny Fitsarana Avo Ganeana raha toa voafidy ho filoha ara-dalàna ny filoha John Dramani Mahama taorian'ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin'ny 7 sy 8 Desambra 2012.   Heverina [1]ho toy ny ady ara-dalàna  lehibe indrindra amin'ny tantaran'i Ganà ilay fangatahana (pétition).

Vato 50,70 isan-jato no nandresen'ny Filoha Mahama avy amin'ny Kongresy Nasionaly Demokratika na  National Democratic Congress (NDC) ny mpifaninana taminy, Nana Akufo-Addo, avy amin'ny  Antoko Vaovao Tia Tanindrazana na New Patriotic Party (NPP) izay nahazo vato 47,7 isan-jato.

Tsy neken'ny mpanohitra NPP
ilay vokatra satria lazainy fa nisy tsy fahatomombanana lehibe sy miparitaka tany amin'ny birao fandatsaham-bato maherin'ny 10.000.

[2]

Sary mampiseho ny fandresen'i Nana Ado asehon'ny NPP. Loharanon-tsary Pejy Facebook -n'ny Nana Ado (Mpilatsaka ho fidiana ho filoha avy amin'ny NPP).

Nanomboka tamin'ny 16 Aprily 2013 ny fihainoana ny fangatahana. Ny mpilatsaka ho fidiana ho filoha avy ao amin'ny NPP, Nana Akuffo Addo, ny mpiara-mifaninana aminy Dr. Mahamudu Bawumia ary ny filoha nasionalin'ny NPP Jake Obetsebi Lamptey no mpitory. Ny filoha John Mahama, ny Komisiona momba ny fifidianana ary ireo manam-pahefana ao amin'ny Kongresy Nasionaly Demokratika no ampangaina.

Nibitsika hafatra hisian'ny fandriampahalema ireo Ganeana sy ireo naman'i Ganà eo am-piandrasan'ny firenena iray manontolo ny didim-pitsaràna. Mba hisian'ny filaminana mialoha ny didim-pitsarana dia nifanandrina tamin'ny lalao baolina kitra ireo antoko politika Ganeana [3] sy ireo mpilalao tranainy tao amin'ny ekipam-pirenena tamin'ny 26 Aogositra 2013, mba ho an'ny fandriam-pahalemana sy ny firaisana.

Izao no nobitsihan'i Viasat 1 Ghana (@Viasat1Ghana [4]) momba ny fandriam-pahalemana :

Koa satria androany no hilazan'ny Fitsarana Avo ny didim-pitsarana mahakasika ny fangatahana tamin'ny Fifidianana, ‘ndao asehontsika amin'izao tontolo izao fa firenena milamina isika na inona na inona didy mivoaka eo..

— Viasat 1 Ghana (@Viasat1Ghana) 29 Aogositra 2013 [5]

Izao no torohevitr'i The Obroni (@I_LoveAzonto [6]) :

rehefa avoakan'ny Fitsarana Avon'i #Ghana [7] ny didy rehefa avy eo, tadidio fifankatiavana aparitaka fa tsy fifankahalana. Ny fitiavana ihany no afaka mampandroso antsika, mampietry antsika ny fankahalana.

Nampatsiahivin'i Esau Yakub (@MisterYakube [9]) ny Ganeana ny hafatr'i Martin Luther King:

#Ghana [7] tsarovy ny hafatra mahombin'ny fandriam-pahalemana nomen'i Martin Luther King rehefa ho any amin'ny #ElectionPetition [10] #NPP [11] #NDC [12] #MLK [13] #AfricaUnite [14] rahampitso

Nivavaka i DKS (@DoWuSem [16]) :

Androany ny didin'ny #ElectionPetition [10] . “Andriamanitra anie hitahy an'i Ganà taninay ary hanao anay ho firenena lehibe sy matanjaka…”

Niteny ireo Ganeana hafa i Akua Blakofe (@MsBlakofe [18]) :

tsy misy mpanao politika mendrika ho faty na vonoina noho izany. Koa ‘ndao hekena ny didy havoaka rahampitso. Ho tahian'Andriamanitra ny tanintsika Ganà. #ElectionPetition [10] #theverdict [19]

Araka ny efa nampoizina dia efa sahobakaka ambody riana ireo olon'ny mpitandro filaminana  hoy i  Ghana Elections (@ghanaelections [21]) :

Faratampony ny fivononan'ireo mpitandro filaminana amin'ny fametrahany olona betsaka araka izay tratra any amin'ireo faritra mafàna manerana ny firenena @MetrotvGhana [22] #electionpetition [23]

Notaterin'i Martin Asiedu-Dartey (@martincitifm [25]) fa tsy mivarotra toaka ny mpivarotra sasany androany :

#ElectionPetition [10]: Nanambara ireo tomponà trano fisotrona any #Ghana [7] fa “tsy hivarotra” alikaola ho fandraisany anjara amin'ilay dingana.  #peace [26] #verdict [27]

Efa nirehitra hatry ny maraina ny jiromenan'ny mpitandro filaminana, araka ny bitsika nataon'i A Hesse (@ArmahH [29]), mpamorona tranonkala :

Efa nirehitra nanomboka tamin'ny 5 ora maraina ny jiromenan'ny  mpitandro filaminana. #verdict [27] #judgementday [30] #pressure [31] #Accra [32] #ElectionPetition [10] #Ghana [7]

Foana vao maraina ny lalam-ben'i Accra, renivohitra androany :

amin'ny 4:25 maraina izao aty accra ghana ary mangina ny làlana rehetra miandry ny fanambaràn'ireo mpitsarantsika hajaina ny didim-pitsaràna momba ny fangataham-pitsaràna tamin'ny fifidianana.

Ohatra ny hoe andro tsy fiasana hoy i Sylvester Addo (@silverscholar [35])

Tsy misy mpandeha toy ny isa-maraina ny làlan-keliko, toy ny andro maraina fialan-tsasatra.  #supremecourtverdict [36] #electionpetition [23] #Accra [32]

Mihidy ny tranom-barotra ary foana ny tsena araka ny fandaharana alefan'i Benjamin Tetteh (@benjieluv ) [38], mpanao gazety :

#Accra [32] Foana ny toeram-pandraharahana ao amin'ny Distrika. Nisafidy ny hijanona any an-trano ireo mpiantsena hanaraka ny fanambaràna ny didim-pitsaràna #ElectionPetition [10] androany .

Nametra-panontaniana i Nnenna (@nnenna [40]):

Moa ve izao fahanginana sy “filaminana” eto Ghana izao manaporofo fa ny politika no miteraka ny tabataba ? Mieritrereta alohan'ny hamalianao #TheVerdict [41] #ElectionPetition [10]

winvoyah wñ (@nderba_nderba [43]) dia nanazava ny antony iheverany ny maha-zava-dehibe ilay fitsaràna :

Androany no hamoahan'ny fitsarana avo ny didy momba ny #electionpetition [23] #Ghana [7]. Ny zava-dehibe dia ny hoe iza no handany ny hetra alohako miaraka amin'ny namany na ny fianakaviany?

Nnenna (@nnenna [40]), mpampanofana sady olona mafàna fo dia nanontany hoe :

Na iza na iza any #Ghana [7] dia hibitsika mivantana ny fanapahan-kevitra momba ny #electionpetition [23] rahampitso?

Nambaran'i Jemila Abdulai (@jabdulai [46]), Ganeana mpanoratra sady mpitoraka bilaogy :

Inona: @GhanaDecides [47] (handidy ny Fitsarana Antampony ao Ghana ) SC Verdict G+ Hangout | Rahoviana: Alakamisy 30 Aogositra amin'ny  1 ora GMT folak'andro | Araho  @GhanaDecides [47], #TheVerdict [41] #ElectionPetition [10]

Nampitandrina ny haino aman-jery vahiny i Kofi Yeboah (@kofiemeritus [49]), Ganeana mpitoraka bilaogy sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices :

Tandremo ry haino aman-jery vahiny !  Ataovy marina ny filazànareo ilay didim-pitsarana #TheVerdict  [41] any Ganà ho avy eo. #ElectionPetition [10]

Nolazain'i Martin Asiedu-Dartey (@martincitifm [51]) fa nasaina hankalaza izany amin'ny fomba mendrika ny Ganeana :

#ElectionPetition [10]: Manasa ireo “mpandresy” hankalaza izany amim-pahamendrehana ny mpandrindra ny filaminana nasionaly #Security [52]. #Ghana [7] #verdict [27] #Peace [53]

Farany, nanonofy i Nnenna (@nnenna [40]) :

Nanonofy aho, fa hamoaka ny didim-pitsaràna (#theVerdict) [55] ny mpitsara androany tamin'ny #electionPetition [56]-n'i Ganà sy hamaky izany amin'ny 2:33 hariva ary hanao izany #233moments [57].