Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

UNICEF India Mampaneno ‘Kiririoka Mena’ Ho Famongorana Ny Heristra Atao Amin'ny Ankizy

Misy fanentanana vaovao amin'ny haino aman-jery sosialy avy amin'ny UNICEF India manainga sy manentana ezaka iombonana mba hanafoanana ny herisetra (#ENDviolence) amin'ny ankizy, indrindra ho an'ny herisetra ara-nofo amin'ny ankizivavy.

Tamin'ny 19 Aogositra 2013 dia nanomboka ny fanentanana ‘Fotoana hampanenoana ny Kiririoka Mena’ ny UNICEF India, mba ho ezaka hanairana ny olona momba ny herisetra atao amin'ny ankizy. Ezaka natao hanairana ny olona amin'ny fanararaotana ara-nofo sy herisetra atao amin'ny ankizy, indrindra ny ankizivavy, ilay fanentanana tao amin'ny haino aman-jery sosialy izay naharitra volana iray. Miantso ny mponina mba hifanampy amin'ny fanafoanana ny herisetra sy ny famoronana tontolo azo antoka sy voaaro ho an'ny ankizy izany. Hazavain'ny UNICEF ao amin'ny pejin'ny fanentanany ny antom-pisian'io fanentanana io :

Tsy manana ny toerany intsony ny fanolanana ankizy amin'izao taon-jato faha 21 izao. Fa na dia izany aza mbola manimba ny fiainana any amin'ireo firenena maro sy ireo ambaratongam-piarahamonina rehetra izany. Matetika anefa, tsy hita maso io olana io satria any an-tokatrano na eny an'ivon'ny fianakaviana no isehoany, na tsy te-hahita ny olona na tsy te-hitantara tsotra izao noho ny tahotra na ny henatra.

Mitondra hevi-baovao, fisainana vaovao, ary maodely ho ana sehatra vaovao izay ahafahan'ny olona mampivondrona ny ezaka ataony sy ny heriny mba hanaovana fanentanana momba ny fanararaotana ara-nofo sy ny fanafoanana izany any India (#ENDviolence ).

Tsy ezaka ataon'olon-tokana io fa ezaky ny daholobe sy fiaraha-mientana izay hampamirapiratra sy hampiharihary ny olana izay tsy hita izay ela be izay.

Sary Fanentanana Kiririoka Mena. Nalaina tamin'ny Facebook-n'ny UNICEF India.

Ao amin'ny lahatsary fanambaràna ho an'ny daholobe, i Amitabh Bachchan, olo-malazan'ny Bollywood sy Masoivoho tsara sitrapon'ny UNICEF, dia nanamafy ny fanohanana ny fanentanana Kiririoka Mena ary nanasongadina fa “tsy hoe tsy hita maso ny herisetra atao amin'ny ankizy dia midika fa tsy misy izany”. Miantso ny mponina mba ‘hampahiratra ny maso amin'ny tsy hita maso’ sy handaza ny fanararaotana atao amin'ny ankizy izy.

Ampiasain'ny mpibitsika ao amin'ny Twitter ny tenifototra hoe #ENDviolence mba hibitsihina, hamerenana mibitsika ary hitabatabàna ny fanararaotana atao amin'ny ankizy. Ampiasain'ny UNICEF India izany sehatra izany mba hanabeazany sy hanaovany fanentanana, tsy amin'ny fizaràna ny angon-drakitra mikasika ny heloka atao amin'ny ankizy sy ny ankizivavy ihany fa hanazavana ireo hevitra voaray sy ny fomba mahazatra mikasika ny fanararaotana atao amin'ny ankizy :

Sonia Sarkar (@soniasarkars), mpisolovava amin'ny resaka ara-pahasalamana sy fampandrosoana, dia niteny momba ny fanavakavahana sy ny fanararaotana mahazo ny ankamaroan'ireo ankizivavy amin'ny fiaraha-monina Indiana:

Nibitsika ny Women's Web (@womensweb), vondronà vehivavy Indiana mandroso :

 

Sary Fanentanana Kiririoka Mena. Sary avy amin'ny Facebook-n'ny UNICEF India.

Misy resaka mandeha amin'ny Facebook-n'ny  UNICEF izay iresahan'ny mpiserasera momba ny tontolo voaaro ho an'ny ankizy sy ny fomba hampaherezana azy ireo hanohitra ny fanolànana sy ny herisetra.

Nanoratra i Nahid Akhtar avy any Calcutta, any India:

Ampianaro ny zanatsika mba hahalala hoe amin'iza, rahoviana ary amin'ny fotoana toy inona no hitenenana hoe Tsia na Eny. Miresaha amin'ny ankizy, ataovy izay hitokiany anao amin'ny alalan'ny resaka, ampahafantaro azy ny lafy tsara sy ny lafy ratsin'ny zavatra manahirana tahaka izany, minamàna amin'ny ankizy amin'ny maha-ray aman-dreny tompon'andraikitra.

Yo Singh Chauhan dia nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny serasera. Izao no nosoratany :

mety manana anjara lehibe ny serasera amin'ny fampiatoana io heloka bevava io. Tokony hifanerasera matetika amin'ny tanorantsika isika ary mampahatsiahy azy ny maha-samy hafa ny fifampikasohana ara-pitiavana sy ny fifampikasohan'ny fisainana maloto

Ny mahavariana dia ny herinandro io ihany koa no nanombohana ny Vondronà Parlemantera ho an'ny Ankizy izay hanao ny fiarovana ny zon'ny ankizy ho voalohan-daharana any India. Araka ny fanasàna nataon'ilay  Vondrona :

Ny tanjona kendren'ny vondrona voalohany dia ny fanairana  ny saim-bahoaka amin'ny fitsipika sy ny fanovàna mba hahazahoana antoka fa ampy ny fanohanana sy fiarovana azon'ireo ankizy amin'ny fahafahany mampiatra ny zony. Hiavaka ny OGC amin'ny fahafahany mitondra ny tranga momba ny ankizy any amin'ny fivorian'ny fanaovan-dalàna avo indrindra any amin'ny firenena, dia ny Parlemanta izany.

Ankizy mandrehitra jiro ho fanombohana ny Vondrona Parlemantera ho an'ny ankizy (PCG) sary avy amin'ny Facebookn'ny UNICEF India

Ambonin'izay dia notsipihin'i Smt. Vandana Chavan, tompon'andraikitry ny vondrona fa fomba iray enti-miasa ho fiarovana ny zon'ny ankizy sy ho fanaraha-maso ny fandaharan'asa mikasika ny ankizy ao amin'ny firenena ny PGC. Izao no nolazainy :

“Amin'ny alàlan'io vondrona io dia afaka manara-maso ireo fandaharan'asa ao amin'ny faritra iadidiany, afaka mampivelatra ny loharanonà fandaharan'asa ary afaka miaro ny lalàna mikasika ny ankizy ny mpanao lalàna. Fitaovana enti-miasa ho fampiroboroboana ny fanentanana, fanajana sy fiarovana ny zon'ny ankizy, ary fanàovana an'i India ho mendrika ho an'ny ankizy ny PGC.

Io no dingana voalohany manome fampanantenana tamin'ny làlana natao ho fiarovana ny zon'ny ankizy, hanomezana azy ireo fahazazana voaaro, lavitry ny herisetra, ny fanararaotana sy ny fahanginana noho ny henatra  any India. Fotoana hampanenoana ny Kiririoka Mena izao.

Hita ao amin'ny Facebook, Tumblr ary ny tranonkalan'ny fanentanana ny momba ny fanentanana Kiririoka Mena. Afaka miresaka ao amin'ny Twitter (#ENDviolence) ihany koa ianao.

Sarin'ny Fanentanana Kiririoka Mena ny sary, nalaina tamin'ny Facebook-n'ny UNICEF India.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.