Filipina :”Diaben'Olona An-tapitrisany” Manohitra ny Kolikoly
Hetsi-panoherana goavana, ny lehibe indrindra hatramin'ny nandraisan'ny Filoha Benigno ‘Noynoy’ Aquino III ny fitondrana telo taona izay, no nanozongozona an'i Filipina tamin'ny Androm-pirenena ho an'ireo Mahery Fo, olona an'hetsiny no naneho ny hatezerany noho ny kolikoly ataon'ny governemanta ary mitaky ny fanafoanana ny fanodikodinam-bolam-panjakàna.
Novinavinain'ny mpitandro filaminana fa manodidina ny 80.000 ka hatramin'ny 100.000 ireo nivory tao amin'ny Rizal Park any Manila, renivohitry ny firenena, ary an'arivony maro no nanao fihetseham-bahoaka tany amin'ny tanàna hafa.
Ireo tatitra natao momba ny Vola ho Fanampiana ny Fampandrosoana (PDAF) no nahatonga ny hatezeran'ny vahoaka, izay notsinjaraina amin'ireo mpanao lalàna ao amin'ny Kongresy sy ny Loholona ampiasaina aminà tetikasa notsongaina manokana.
Efa voatsikera hatry ny ela ho toeran'ny kolikolim-panjakàna ny PDAF. Fa vao mainka nihamafy ny kiakiakan'ny vahoaka rehefa nisy niteny fa miray tsikombakomba amin'ireo mpanao lalàna ilay mpandraharaha Janet Lim-Napoles ka maka am-paosy 10 lavitrisa P avy amin'ilay famatsiam-bola.

Sarin'ny hetsi-panoherana tao Rizal Park avy eny an'habakabaka. Sary avy amin'i Paulo Alcazaren, Architecte. Avy amin'ny @muntingprinsipe
Antsoina hoe :“Diaben'ny olona an'arivony” ny fivorian'ireo olon-tsotra ao amin'ny Rizal Park tamin'ny Alatsinainy noho ny fiaraha-miasan'ireo haino aman-jery sosialy sy teo amin'ireo mpiserasera amin'ny Facebook sy ny Twitter.
Ny zavatra nosoratan'ilay mpamokatra mozika Ito Rapadas tao amin'ny Facebook no nitarika ny hevitra fanoheran'ny olona an-tapitrisany ny fanodinkodinam-bola io.
DIABEN'NY OLONA AN-TAPITRISANY no ilaintsika entina hiady amin'ireo mpanangon-ketra Filipiana – andro iray fitokonana amim-pahanginana ataon'ireo maro an'isa izay mangataka ny mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana rehetra (na inona na inona loko na antoko mety ho entiny) mba hampitsahatra ny fanaovana am-paosy ny valin-kasasarantsika andoavana hetra ho an'ny fisolokiana amin'ny alàlan'io fanodikodinam-bola io sy fanaovana asa ratsy hafa.
Mpiserasera maro amin'ny aterineto no nanaparitaka ity, isan'izany i Peachy Bretaña namany izay nilaza fa hisy fihetseham-bahoaka ny 26 Aogositra amin'ny andro Nasionaly ho an'ny Mahery Fo.
Nisy fihetseham-bahoaka ihany koa tany amin'ireo tanàna hafa ivelan'ny renivohitra, toa an'i Bacolod, Baguio, Cagayan de Oro, Cebu, Dagupan, Davao, Digos, Dumaguete, Iloilo, Naga, ary Puerto Princessa any Palawan.

vola 3 lavitrisa P nahodinkodin'ny Filoha Aquino, alefa any amin'ny sampan-draharaha sosialy”, sary avy amin'ny @LeanneJazul
Mba hanodinana ny hatezaram-bahoaka angamba, dia nampanantenain’i Aquino fa hofoanana ny PDAF ary hosoloina rafitra fitantanam-bola mangarahara, tamin'ny Zoma lasa teo. Vao mainka nitroatra ny vahoaka.
Nandritra ny andro fitokonana, dia nolazain'ny filoha Aquino sy ireo mpitondrateniny fa miaraka amin'ny vahoaka ny governemanta. Tsikaritra fa maro no tsy resy lahatra. Ireto misy hevitra hita ao amin'ny Twitter :
Tsy anareo no manapaka ny làlana alehan'ny volanay. ANAY IZANY. Tianay atao any amin'ny fampandrosoana nasionaly, ny asa sosialy ary ny fandriam-pahalemana ny volanay. #AbolishPork
— Joseph Benjamin Seña (@MonsterICEMAN) 27 Aogositra 2013
Raha miaraka amin'ny mpitokona i Noynoy, nahoana ny olona no mbola mitokona ihany na dia efa navoaka an-gazety aza izany tamin'ny herinandro lasa ? Fanoafoanana vs fanovana anarana. Misy fahasamihafana lehibe
— Renato Reyes, Jr. (@natoreyes) 26 Aogositra 2013
Mandritra izany fotoana izany, dia nolazain'i Pixel Offensive fa raha miaraka amin'ny vahoaka miady amin'ny fanodinkodinam-bola marina ny filoha dia tokony hihetsika amin'ireto zavatra ireto :
1) Fanafoanana ny vola ahodinkodina rehetra, tsy misy an-kanavaka. Kulangot lang ito kumpara sa PORK nya. [Mbola kely io raha ampitahaina amin'ny vola ahodiny.]
2) Tsy tokony hanoratra bitsika manohitra ny hetsika ny olom-peheziny. Mampiseho ny fomba fiheveran'ireo manodidina ny Filoha izany.
Akaro ambonimbony kokoa ity adihevitra ity, vitantsika ve izany? Inona no zavatra andrasanareo omen'ny filoha haciendero ny vahoakany ?
Avoitry ny tsikera fa ny “vola ho an'ny filoha” dia vola mitontaly maherin'ny 1.3 trillion pesos izay ny filoha sy ny departemantany mpanatanteraka ihany no mihevitra ny fandaniana azy.
Ny mahavariana dia na dia nolazain'ny fitondràn'i Aquino aza fa miaraka ry zareo sy ny mpanohitra dia misy sasany amin'ireo mpitondra teniny manohitra izany amin'ny alàlan'ny bitsika izay mitsikera ny hetsi-panoherana.
Nibitsika rohy mankany amin'ny lahatsoratra iray izay manoritra ny hatezerana momba ny fanodinkodinam-bola ho “tsara saingy tsy amin'ny tokony ho izy” ny mpitondratenin'ny filoha, Abigail Valte, ora vitsy mialohan'ny fitokonana fanoherana ny kolikoly.
Ambaran’ ilay lahatsoratra fa rehefa namparina ny fanodinkodinam-bola dia tsy voatery ho ratsy izany, ary nofaranany tamin'ny filazana ireo izay handeha hamonjy ny hetsi-panoherana ho toy ny “fiatsaram-belatsihin'ny hatezerana” :
Efa nosainintsika ve ny dingana manaraka, sa ho toa an'i Julian Tamad isika ka miandry olon-kafa hamaha ny olana ho antsika ? Làlana mankany amin'ny lafy ratsy ny hatezerana, ary izany no tsy maintsy hanajanonana ny fiatsaram-belatsihin'ny hatezerana sy tsy maintsy hamelantsika ireny zavatra ireny ary hamahantsika ny olona momba ny handanian'ny governemanta ny volantsika.
Nibitsika rohy tamin'io lahatsoratra io ihany koa ny mpitondratenin'ny filoha iray hafa, i Edwin Lacierda sady nanao tsindrom-paingotra, “Iza no milaza fa efa lasa ny fanaovana bilaogy !”
Nanontany ny Fiangonana Katolika izay mampirisika ny olona mba ho any amin'ilay fihetseham-bahoaka i Manuel Quezon III mpitan-tsoratra mpanampy ao amin'ny Serasera, fa nahoana no nangina izy nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Gloria Arroyo.
Nolavin’ireo mpiasam-panjakàna voatonana anarana ny filazàna fa nibitsika nanohitra ny hetsika izy ireo. Fa amin'ny farany dia tsy hisy fifandraisana majika afaka hamono ny hatezeram-bahoaka amin'ny fandrobàna ataon'ny governemanta sy ny mpiara-dia aminy ny volam-bahoaka nefa Filipiana an'arivony no noana, tsy an'asa ary tena mahantra.

Fitantaràna farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...