- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Na Iray Aza Tsy Nisy Afa-panadinana Tany Amin'ny Anjerimanontolo Ireo Mpianatra Liberiana Tamin'ity Taona ity

Sokajy: Afrika Mainty, Liberia, Fanabeazana, Mediam-bahoaka

Raha manamarika ny fahafolo taonan’ [1]ny Fifanekem-pihavanan'i Accra [2], izay namarana ny ady sivily [3] naharitra 14 taona i Liberia, mpianatra eo amin'ny 25.000 avy amin'ny kilasy famaranana no tsy afaka tamin'ny fanadinana fidirana [4] ho any amin'ny Anjerimanontolon'i Liberia tamin'ity taona ity. Ity no fotoana voalohany tsy nisiana mpifaninana na iray aza afa-panadinana fiidirana taona voalohany.

Liberia's president Ellen Johnson Sirleaf, a Nobel peace laureate,  acknowledges that the education system in Liberia is "in a mess". Public Domain photo from the US State Department.

Ny filohan'i Liberia, Ellen Johnson Sirleaf, nahazo ny mari-pankasitrahana Nobel momba ny fandriampahalemana, dia mahatsapa fa “mikorontana” ny rafi-pampianarana any Liberia. Sary ho an'ny sehatry ny daholobe avy ao amin'ny departemantam-panjakan'i Etazonia.

Nitatitra ny BBC fa sarotra ho an'ny Minisitry ny Fampianarana ao Liberia, Etmonia David-Tarpeh, ny hino fa tsy nisy na dia mpianatra iray aza afa-panadinana. Noho izany dia mikasa ny hihaona amin'ireo mpitantana ny anjerimanontolo izy hiresaka momba io olana io. Manoritra io tahan'ny tsy fahafahana io ho “famonoana vahoaka faobe” [5] izy.

Na izany aza, James Dorbor Jallah, mpanolotsaina iray miasa tena, izay nokaramain'ny anjerimanontolo hitantana ny fanadinam-pidirana, dia nanamarina ny tatitra ary nilaza [6]fa efa foana ny andro nampidirana ireo mpianatra anatin'ny Anjerimanontolon'i Liberia amin'ny alalan'ny kolikoly sy miankina amin'ireo olona ambony toerana maro fantatr'izy ireo.

Tao amin'ny Twitter, naneho fihetseham-po mifono hatairana sy tsy finoana izao tontolo izao raha nahare ireo vaovao.

Ity ny fomba nanoritan'i Calestous Juma (@calestous [7]),  Mpampianatra Mpikaroka ao amin'ny Sekoly Harvard Kennedy ao Kenya an'ireo vaovao:

Ny Mpanjaka Leopold II [13] an'i Belzika no tompon'ny Fanjakana Mizakatenan'i Kôngô taloha, izay ny Repoblika Demokratikan'i Kôngô amin'izao fotoana, ny 1885 ka hatramin'ny 1908.

Saran Kaba Jones (@sarankjones [14]), mpiaro ny rano madio sy mpandraharaha ara-tsosialy, dia nilaza fa mampalahelo izany nefa tsy mahagaga:

Mbas Ndriver (@Kenfreykj [17]), Kenyana manam-pahaizana momba ny IT, dia nanontany tena ny tsy nisian'olona na dia iray aza kinga saina mba nanao hosoka:

Nilaza i Eja Nla (@Muntez_ [19]), Kenyana iray hafa mpitoraka bitsika, fa tsy tokony ho ara-dalàna ny tsy fahafahan'ireo mpianatra rehetra:

Ebenezer Flomo (@ebflomo [21]), mpiara-nanangana ilay fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa manokana Help Encourage Liberia's Little Ones (@helpHELLO [22]), nanamarika fa tsy manana boky ireo toeram-pianarana any Liberia:

Sekoly maro any Liberia no tsy ampy fitaovana fampianarana fototra [26] ary maro ireo mpampianatra tsy dia mahay ny asany.

Manontany i Denis Eyong (@eyongdenis [27]) izay mitoraka bitsika avy any Rosia:

“Ahoana no fomba hahasitranan'ny firenena potipotiky ny ady sivily?,” hoy i Tomoko Perez (@Tomoshiga [30]) any New York nanontany:

Nizara teny avy aminà mpandraharaha iray ao amin'ny anjerimanontolo ny mpanao gazety Gambiana sady mafana fo amin'ny zon'olombelona, Sulayman Makalo (@MakaloMansa [32]):

Nanamarika i Nuesity! (@Nues_Ibunos [34]):

Nampitandrina [40] ireo tanora mpiray tanindrazana aminy ilay mpitoraka bilaogy ao Ghana, Tenace Kwaku Setor (@kwakutii):

Nanoratra ilay Roande iray, katabarwa robert, mpitoraka bitsika (@Proud2bRwandan), izay nanohatra ity tamin'ny fahakelezan'ny fahalavorariana tany Tanzania tamin'ny taona lasa:

Mpianatra enina isaky ny mpianatra 10 izay nipetraka hanala fanadinana nasionaly “National Form Four examination” tany Tanzania no tsy afaka [46] tamin'ny herintaona.

Mika Mäkeläinen (@Mikareport [47]), vahiny mpanao gazety mpitatitra ny vaovao ao amin'ny Finnish Broadcasting Company, dia nampitandrina ireo izay te-hianatra any amin'ny Anjerimanontolon'i Liberia:

Nihanihany i Daniel McLaughlin (@DanielJMcLaugh [50]) avy ao Angletera:

Miampanga ny rafi-pampianarana i A. K. Ohemeng-Boamah (@akobII [53]) avy ao Ginea: