- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanatevin-daharana ny Fitantanana Ny Global Voices i Mohamed Nanabhay, Mpandraharaha Antserasera

Sokajy: Mediam-bahoaka

Faly izahay mampilaza fa nanatevin-daharana ny fitantanana ny Global Voices i Mohamed Nanabhay, mpandraharaha amin'ny aterineto.

Miasa eo amin'ny fihaonan-dalan'ny media, teknolojia ary ny fandraharahana i Mohamed, mpandray anjara tany am-boalohany [1]tato amin'ny Global Voices, ka hitondra fahaizana amam-pahalalana sy traikefa momba ny sehatry ny fampahalalam-baovao an-tserasera, fantsom-baovao hafa [mahafaninana], fahavitrihan'ny mpihaino ary ny vondrona an-tserasera.

Amin'ny maha-mpiandraikitra voalohany an-tserasera azy ao amin'ny Al Jazeera English, [2] dia nitarika ny ekipa nahazo ny loka tamin'ny fifaninanana tamin'ny fitantarana ny revolisiona Arabo 2011 izy. Nandritra ny fotoam-piasany dia nisonga aoka izany ny mpijery sy mpihaino ny Al Jazeera English, ary eken'ny Fikambanam-Baovao Antserasera noho ny fahaizana ambony dia ambony momba ny asa fanaovan-gazety amin'ny aterineto amin'ny ankapobeny izy. Tamin'ny taona 2006, nanangana ny sampana Media Vaovao tao amin'ny Al Jazeera i Mohamed izay mifantoka amin'ny fandraisan'anjaran'ny mpihaino sy mpamaky amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy sy ny teknolojian'ny media misongadina. Nandritra izany fotoana izany, izy no vy nahitana sy nampahafantatra ny Tahirin-kevitra Creative Commons [3] an'ny Al Jazeera.

 

Mohamed Nanabhay. Image by Flickr user @joi (CC BY-SA 2.0)

Mohamed Nanabhay. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr @joi (CC BY-SA 2.0)

Amin'ny maha mpandraharaha an-tserasera azy, nirotsaka an-tsehatra tamin'ny fampandrosoana ny fizakà-manana antserasera izy hatramin'ny 1995 sady mampiasa vola amin'izany, ka manome famatsiam-bola fampandehanana sy torolalana ho an'ireo orinasa antserasera miana-mamindra. Nomen'ny BusinessWeek anarana hoe Mpitari-Dalan'ny Creative Commons izy, ary nanana anjara toerana teo amin'ny Filakevi-Pitantanan'ny Famatsiam-bola ho an'ny Fampandrosoana ny Media [Media Development Investment Fund] ary mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Fandahara-potoana ankapobeny ao amin'ny Dinika (Forum) Ara-Toekarena Manerantany momba ny Orinasa (Fikambanana) mampiasa informatika.

Nahazo ny mari-pahaizana taona fahatelo momba ny Informatika sy ny Tantara tao amin'ny Oniversiten'i Witwatersrand ao Johannesburg, Afrika Atsimo i Mohamed, izay niandraketany ny toerana filoha lefitry ny Sendikàn'ny mpianatra, ary manana mari-pahaizana Masters (taona fahadimy) momba ny Fifandraisana Iraisampirenena tao amin'ny Oniveristen'i Cambridge ihany koa.

“Global Voices no fiatoana voalohany ho an'ireo izay maniry hahatakatra ny olana mpahazo ny fiarahamonina samihafa avy ao anatiny” hoy i Mohamed. “Satria tsy mitsaha-mifanerasera izao tontolo izao ka manasarotra aoka izany ny fahazoan-javatra, dia ny Global Voices no tetezana miampita fiteny sy sisintany azo itokisana sy mamelombelon'aina, manome vaovao sy mampahafantatra ny zavamisy miara-dalana amin'izany sady adikan'ireo mpikambana mpandray anjara manerantany. Amin'ny  maha-mpandray anjara voalohany ao amin'ny Global Voices sy mpikambana mpanatanteraka taloha tao amin'ny Al Jazeera azy dia mientanentana aho hifampizara traikefa sy hevitra amin'ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices.”

Mivory in'efatra isan-taona ireo mpikambana mpitantana [4] ny Global Voices, ary mavitrika, vonona sy andry iankinan'ny fikambanana GV hatramin'ny nijoroany. Mpanangana ny Global Voices roa, solontenan'ny fikambanana telo ary mpikambana ivelany efatra no mandrafitra ny fitantanana ny Global Voices.