*Mankany amin'ny pejy miteny Espaniola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fanamarihana hafa.
Olona an-jatony tao amin'ny tanàna maro ao Ekoatera no nihetsika mba hiaro ny Valan-javaboarim-pirenena Yasuni [1], mitaky ny hitehirizana ny tahirin-tsolika ao ambanin'ny tany.
Nipoaka ny fihetsiketsehana taorian'ny fanapahan-kevitry ny Filoha Rafael Correa tamin'ny 15 Aogositra hamarana ny tetikasa ITT Yasuni [2] , tetikasa niantsoana ireo firenena matanjaka handray anjara ara-toekarena mba tsy hikitihana ny tahirin-javaboary ao Yasuni. Nampanantena “fitrandrahana tompon'andraikitra” amin'ny ampahafolon'ny iray isan-jato monja [3] ao Yasuni i Correa.
Na dia izany aza, tsy naharesy lahatra ny Ekoateriana rehetra ny fampanantenan'ny governemanta, ka maro ireo nidina an-dalambe sy nampiasa ny tambajotra sosialy ho fiarovana an'i Yasuni.
Nanipika ilay mpanakanto Ekoateriana Fausto Miño (@faustominoz) [4], izay miara-miasa amin'ny fandraisana an-tanana ITT Yasuni fa tsy nisy mpanakanto nandray anjara tamin'ny hetsika fampiroboroboana ny tetikasa nanao izany ho fahazoam-bola manokana.
Aclaro que ningun Artista ecuatoriano cobro un centavo por defender al #Yasuni [5]. Fue nuestra causa comun y la perdimos. Punto.
— Fausto Miño (@faustominoz) August 21, 2013 [6]
Tiako hazava amin'ny Ekoateriana fa tsy misy mpanakanto nomena vola hiaro ny #Yasuni [5]. Tombontsoa niraisantsika io ka very izany ankehitriny, tapitra ny tantara.
Conectados Loja (@ConectadosLoja) [7] namoaka sarinà vondrona teratany vazimba namonjy ny fihetsiketsehana ho fiarovana an'i Yasuni.
#Loja [8] Grupos de indígenas como de FEUNASSC levantan su voz en contra de la explotación del #Yasuní [9] [en] cc @eluniversocom [10] pic.twitter.com/C373odU5rU [11]
— Conectados | Loja (@ConectadosLoja) August 27, 2013 [12]
Nampiaka-peo hanohitra ny fitrandrahana an'i #Yasuní [9] ny Vondrona teratany vazimba tahaka ny FEUNASSC [Federasiona nasionaly Miaro ny Sosialin'ny Tambanivohitra]
Avy tao Cuenca, nanambara fiaretan-tory ny onjam-peo @ondasazuayas [13]tamin'ny 21 Aogositra:
#notoquenelyasuni [14] : por el Yasuní: hoy, 21 de agosto, nueva velada a las 18h00 en el Parque Calderón, Cuenca pic.twitter.com/de0nUUEbdS [15]
— ONDAS AZUAYAS (@ondasazuayas) August 21, 2013 [16]
#notoquenelyasuni [14] : ho fanohanana an'i Yasuni: androany 21 Aogositra, misy ny fiaretan-tory amin'ny 6:00 hariva ao amin'ny Zaridaina Calderón, Cuenca
Nanambara i Carolina Iza ♥ JH (@CaritoIza) [17]fa niaro an'i Yasuni ihany koa i Guayaquil.
Guayaquil también respira de la Amazonía #notoquenelyasuni [14] pic.twitter.com/XXpJLLIBtS [18]
— Carolina Iza ♥ JH (@CaritoIza) August 27, 2013 [19]
Mifoka rivotra avy amin'i Amazona ihany koa izahay eto Guayaquil. #notoquenelyasuni [14] pic.twitter.com/XXpJLLIBtS [18]
Nature lover Majito Lasso (@majitolasso) [20]namoaka sary tamin'ny fiaretan-tory tao Quito:
Plaza Grande! Velada por el Yasuní! A pesar de las amenazas aquí está la gente! #notoquenelyasuni [14] pic.twitter.com/H4cc01OtF3 [21]
— Majito Lasso (@majitolasso) August 23, 2013 [22]
Kianjan'ny fahaleovantena! Fiaretan-tory ho an'i Yasuni! Na dia eo aza ireo fandrahonana, eto ny vahoaka!
Mpamokatra horonantsarimihetsika Michel Kammoun (@MichelKammoun) [23]nizara ny sarin'ireo polisy manampahefana nametraka sakan-dalalna hanakanana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra ao amin'ny kianjan'ny Fahaleovantena tamin'ny 27 Aogositra.
Policías crean barreras para q no lleguen a la plaza grande #marcha [24] #notoquenelyasuni [14] @ECTV_Noticias [25] @elcomerciocom [26] pic.twitter.com/AFbKnXNa6n [27] — Michel Kammoun (@MichelKammoun) August 27, 2013 [28]
Nametraka sakan-dalana ny polisy mba hanakanana ireo olona tsy hiditra ao amin'ny kianjan'ny tanàna #marcha [24] #notoquenelyasuni [14] @ECTV_Noticias [25] @elcomerciocom [26]
Farany, mpanao dokambarotra Marcos Torres (@MarcosT182) [29] nanoratra hoe:
Si hay consulta popular sobre el #notoquenelyasuni [14] #ITT [30] yo votaré para q el petróleo se quede en el suelo así de simple digan lo que digan
— Marcos Torres (@MarcosT182) August 27, 2013 [31]
Raha manatontosa fitsapa-kevi-bahoaka momba ny #notoquenelyasuni [14] #ITT [30]izy ireo, dia hifidy ny tsy hikitihana ny solika ao ambanin'ny tany aho. Tsotra izany, na inona na inona mety ho lazain'izy ireo.