Tsy Takatry Ny New York Times Ny Loza Mety Ateraky Ny Taratra Ao Fukushima – Bilaogera Japoney

Nahitana fahavakisan-drano efatra hafa tao amin'ny rano efa voapoizina ao anatin'ny siniben-dranon'ny tobim-pamokarana angovo nokleary ao Fukushima Daiichi, hoy ny tatitra nataon'ny Tokyo Electric Power Company (TEPCO) [Orinasan'Angovo elektrika Tokyo] [ja]. Ny haavon-taratra faratampony hita dia “1800 millisieverts isan'ora fatra mitovy amin'ny 70 mikrometatra” tamin'ny fanambanin'ny siniben-drano vondrona B ao amin'ny faritra H3.

photo taken on August 22 handouts by TEPCO

Raha nitsapa ny haavon-taratra tamin'ny fanambanin'ny siniben-drano ny TEPCO tamin'ny 22 Aogositra 2013 dia 100 mSv/ora izany. Saingy ny valin'ny tamin'ny 31 Aogositra kosa namoaka fa 1800mSv/ora mitovy amin'ny 70 mikrometatra izany. Sary nopihana tamin'ny 22 Aogositra, avy amin'ny antota-taratasin'ny TEPCO

Ka mampihoron-koditra tahaka ny ahoana moa izany “1800 millisieverts isan'ora fatra mitovy amin'ny 70 mikrometatra” izany? Nolazain'ny New York Times fa “ampy hahazaka fatra mahafaty ao anatin'ny ora efatra” izany, saingy nitsikera ny fampitam-baovao fanaraky ny besinimaro tamin'ny finiavana hanaisotra ny voalazan'ny “fatra mitovy” ny bilaogera tsy nitonona anarana mibilaogy ao amin'ny ex-skf.blogspot.jp ka mandiso hevitra ny mpamaky amin'ny fanafangaroana ny firantirantiana amin'ny taratra gamma, izay malaky miditra aoka izany ary miditra lalina amin'ny mason-koditr'olombelona, sy ny firantirantiana amin'ny taratra beta, izay maivana kokoa ary tsy manana fitsofohana tahaka izany.

Manazava ilay bilaogera ao amin'ny ex-skf.blogspot.jp :

1,800 millisieverts/hour is “dose equivalent at 70 micrometer”, to show the beta radiation exposure at very close proximity for particular organs – skin, and eye lens.
[…]

The “1,800 millisieverts/hour that would kill a person in 4 hours” would be gamma radiation.

In this case, RO waste water is extremely high in beta nuclides including strontium but not so much at all in gamma nuclides. You wouldn't die just by being near this water for four hours.

1,800 millisieverts/hour dose equivalent is still very high, as the annual limit for equivalent dose for skin is 500 millisieverts. The same for lens is 300 millisieverts.

But to purposefully omit “dose equivalent” information from the original information from TEPCO and add sensational claim of killing one in four hours of exposure is another low for the media.

Ny 1800 millisievarts isan'ora dia “fatra mitovy amin'ny 70 mikrometatra”, ho fanehoana ny firantirantiana amin'ny taratra beta raha tena akaiky tokoa ho an'ny taova manokana – hoditra sy soso-koditry ny voamaso.

Ny “1800 millisievarts isan'ora izay mety hahafaty olona ao anatin'ny efatra ora” dia ny taratra gamma.

Eto ny rano nampiasaina dia tena betsaka nokleida beta izayahitana strontium fa tsy betsaka nokleida gamma. Tsy ho faty ho azy eo akaikin'io rano io ao anatin'ny ora efatra ianao.

Ny fatra mitovy amin'ny 188 millisieverts isan'ora dia mbola avo dia avo tokoa, satria ny fatra mitovy faratampony zakan'ny hoditra isa-taona dia 500 millisievarts. Ny mitovy aminy ho an'ny sos-koditry ny voamaso dia 300 millisieverts.

Fa ny finiavana hanadino ny voalazan'ny “fatra mitovy” ao amin'ny fampahafantarana navoakan'ny TEPCO sy ny fanampiana filazalazana manaitaitra fa mety hahafaty olona ao anatin'ny efatra ora dia fahambaniana hafa ho an'ny fampitam-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.