- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Niverina ny Zavo-tsetroka

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Malezia, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Manodidina ny 500 ny doro ala [1] voarakitra ao amin'ny nosy Sumatra ny volana aogaositra lasa teo izay nampisy [2] zavona matevina be hatrany Riau [3] any Indonezia eny na ny faritra hafa any Malezia aza. Ny fandoroana [4] ala noho ny fitrandrahana menaka avy amin'ny voly voanio, mpamokatra sy mpanangona hazo, ary ny fanaovana patin-taratasy. Sekoly maro no nihidy [5] tao Riau nandritra ny zavon-tsetroka be tamin'ny herinandro lasa.

Ny loto avy amin'ny zavon-tsetroka dia tena olana be tokoa amin'iny faritra [6] iny noho ny fandorona ny ala ao Indonezia. Ny farany volana Jiona, rakotry ny zavo-tsetroka i Singapore sy ny faritra maro ao Malezia.

Forest fire hotspots in Riau, Indonesia. Image from Eyes on the Forest. [7]

Jery ankapoben'ny afo ao Riau, Indonezia. Voly palma voaniony faritra mavo. Sary avy amin'ny Eyes on the Forest [Maso mitodika ao an'ala].

Haze in Sumatra. Photo by @jgblogs [8]

Zavo-tsetroka ao Sumatra. Saripikan'i @jgblogs

Ao amin'ny Twitter, Indoneziana no mieriteritra lalina amin'ny fiverenan'ilay zavo-tsetroka ao Sumatra.

Raha Indonezia Prez dtg, aza fady teneno Msian tompon'ny menaka voanio mba handrehatra afo bebe kokoa @zay hitany tsara zany zavo-tsetroka izany

SBY nanamarika ny Pezida Indoneziana Susilo Bambang Yudhoyono.

#haze [10] #Sumatra [11] 2 andro mirehitra ny tanety ao #Medan [12], namela arina mainty matevina be tao anatin'ny ora 8 tamin'ny môtôko

#health [13] #environment [14] #Indonesia [15]

Ao Penang [17], Malezia, Nahatratra trano maro Ny zavo-tsetroka. Soa ihany, Fa efa lasa ilay zavo-tsetroka tamin'ny herinandro lasa teo.

Tsy navelan'i zavo-tsetroka nihazakazaka aho ):

Tsy nisy zava-tsetroka intsony ny farany. Yeay. Afaka mahita masoandro mihiratra. Alhamdulillah. Maraina suria