- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mikakakaka Amin'ny Alalan'ny #SpyDuck i Ejipta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Hehy, Mediam-bahoaka
@CairoGossip shares this photograph of #SpyDuck on Twitter [1]

@CairoGossip mizara ity saripikan'ny  #SpyDuck ity ao amin'ny Twitter

Nanambara i Ejipta tamin'ny 31 aogositra fa nisambotra [2]“dokotra” – miaraka amin'ny fitaovana fitsikilovana miaraka amin'ny volony. Avy eo tahaka ny tsy dokotra indray ilay hoe dokotra, angamba gisam-bazaha [3] [ar] – ary natao ho fanadihady kosa ilay milina fitsongoan-dia [GPS] natao taminy . Ary amin'izao fotoana izao dia misy sangodina vaovao indray, ilay dokotra na gisam-bazaha dia mety ho takatra [vorona] indray. Manararaotra izany toe-javatra izany hifananihaniana sy hifampitokelaka ny mpiserasera ao amin'ny Twitter.

Nanamarika i Victor Salama:

Tsia, tsy nandray rongony aho : fa voasoratra ato hoe ny #SpyDuck (dokotra mpitsikilo) voasambotra teto Ejipta dia gisam-bazaha ary avy any Frantsa izy io

Fa ilay dokotra – efa gisam-bazaha amin'izao fotoana – dia mbola mety ho tsy dokotra na gisam-bazaha koa, hoy i Mostafa Hussein:

Takatra fotsy ilay dokotra ‘mpitsikilo’. Ireo vorona mpifindramonina izay fahita eto amin'ny fararano, amin'ny lohataona. Mandalo an'i Sinai, Hurghada ary Neily ao atsimon'i Qena ry zareo

Hussein, izay nanova ny sarintavany ao amin'ny Twitter ho iray amin'ny .. a .. vorona  koa dia miantso ho amin'ny famotsorana ilay vorona – na inona ilay izy na inona:

Avotsory ilay vorona mahantra RT @deenahsn [11]: Migadra ambadiky ny baravy ilay gisam-bazaha mpitsikilo (tapany fotsy, tapany maintsy, tahaka an'i Natalie!)

Mananihany i Mahmoud Salem fa misy zavatra ambadiky ny hita maso ny toe-draharaha:

Ilay tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina manomboka amin'ny 7 ora alina dia nafindra ho amin'ny 11 ora alina tamin'ny alina izay nahasamborana ilay #spyduck . Kisendrasendra ? Tsy ao an'eritreritro izany

Milaza i Austin G Mackell fa mety ho fanodinan-dresaka ilay tantaran'ny dokotra:

Manahy aho fa fanalana andro niniana natao ilay #Spyduck fa mandritra ny fotoana hihomehezantsika ry zareo no mivarotra ny lakandranon'i #Suez amin'i Amerika na izay tsy fantatra any

Tapa-tsinay i Timothty E Kaldas:

Hafatry ny salafista Abou Quacker ho an'i Ejipta : Miady amin'ny varotra “foie gras” aho satria tsy halal io ary mampijaly ny rahalahiko aho, izany ny antony hanafihako an'i Gouna #spyduck

Raha maneso kosa i Tarek Radwan:

Miantso ny hanaovana fihetsiketsehana hitakiana ny famotsorana an'i Abou Quacker sy ny zanany lahy ny mandatehezana manohitra ny fanonganam-panjakana, Mbola mieritreritra ny fiantraikan'izany i Nour

Raha te-hitokelaka moa dia araho ny teny ifankafantarana #SpyDuck [4].