SARY: Solika Nitera-doza tao Cebu, Filipina

Roa herinandro lasa izay, olona maherin'ny 90 no namoy ny ainy raha nilentika tao amorontsirak'i Filipina, faritr'i Cebu ny sambo mpitondra mpandeha iray rehefa nifandona taminà sambo mpitondra entana. Mbola tsaroana foana ankehitriny ny loza naterak'ilay fifandonana rehefa niraraka tao an-tanàna morontsirak'i Talisay, Cordova, sy Lapu-Lapu ny solika 120.000 litatra tao anatin'ilay sambo nilentika .

Ankoatra ireo alan-konko (mangrôvy) maherin'ny 300 hekitara tratran'ny solika, nampifindra toerana ireo mpanjono maherin'ny 3.000 ihany koa ny solika raraka ary mety hampikatso ny fandraharahana momba ny fizahan-tany ao amin'ny faritra.

Lizzy Oi nitsidika tanànan'ny fanjonoana ao Cordova ary nizara izay hitan'ny masony:

This is the face of Cordova today after the oil spill killed the livelihood of thousands of fishermen in the Municipality. 80% of its population depends mainly on fishing for their daily needs and now when everything was vanished by the devastating man-made tragedy, they seem to lose hope knowing that this problem will last for many months and even years.

Izao sisa no endrik'i Cordoue ankehitriny rehefa nosimbain'ny solitany niraraka tao an-dranomasina ny fiveloman'ireo mpanjono an'arivony ao amin'ny monisipalite. Miankina indrindra amin'ny fanjonoana avokoa ny filàna isan'andron'ireo mponina 80% ary ankehitriny rava avokoa ny rehetra noho ny loza nataon'ny olombelona, toa very fanantenana izy ireo mahita fa haharitra volana maro na taona maro mihitsy aza ny olana.

Cordova, Cebu. Photo from Facebook of Lizzy Oi

Cordova, Cebu. Sary tao amin'ny Facebookn'i Lizzy Oi

Coconut husks used to remove oil. Photo from Facebook of Lizzy Oi

Hodi-boanio nampiasaina hanesorana solika. Sary tao amin'ny Facebookn'i Lizzy Oi

Oil spill also reached Mactan beaches. Photo by @shai_ong

Tonga tao amin'ny morontsiraka Mactan ihany koa ny solitany. Sary avy amin'i @shai_ong

Niray fo tamin'ireo mponina niharan'ny loza i meylou:

This is truly tragic. My condolences to the families who lost their loved ones. Pity for the barangays who were affected, fishermen who cannot go out to go fishing, dead mangrove critters. It will take years for the mangroves to recover, but clean up will need to be done diligently or the mangroves will perish 🙁 . Thank you to all the volunteers

Tena zava-doza tokoa. Mirary fiononana ho an'ireo fianakaviana namoy havana sy namana aho. Mampalahelo tokoa ny mahazo ireo mponina niharan-doza, ireo mpanjono tsy afaka hivoaka hiasa, sy ireo biby ao amin'ny alan-konko maty. Mbola  an-taonany maro vao ho tafarina ny alan-konko, saingy tokony atao am-pitandremana tsara ny fanadiovana raha tsy izany ho ringana ny alan-konko :-(. Misaotra an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra

Namely nandritra ny fotoanan'ny fahavokaran'ny voankazon'ny alan-konko indrindra ny loza:

  Sadaba: #Cebu #oilspill (fiparitaky ny solika) niseho nandritra ny fotoanan'ny voankazon'ny alan-konko| @santinocdn

- Cebu Daily Nouvelles (@ cebudailynews) 30 Aogositra 2013

Nanatontosa asa fanadiovana avy hatrany ny mponina. Tishiana Mann nanamarika fomba mahomby sasany hanesorana solika ao anaty rano:

Lots of people invented interesting ways to help contain the oil spill: for example, local salons sent human hair, and business owners of coconut distribution centers sent heaps of coconut husk to act as absorbants. They even thought of using saw dust to absorb the oil, but when you threw it into the water, the wind would just blow it away.

Maro ireo olona namorona fomba mahaliana hoentina hanesorana solika: ohatra, trano fanetezana na fikarakaram-bolo nandefa volon'olona, ary tomponà orinasa mpaninjara voanio nandefa hodi-boanio ampiasana hitroka solika. Nihevitra ampiasa poti-kazo ihany koa izy ireo hitrohana solika, saingy rehefa natsipy tanaty rano izany, dia tsofin'ny rivotra.

Natomboka ny fanomezana volo sy ny fanapaham-bolo maimai-poana mba hanampiana amin'ny asa fanadiovana. Nanangona volon'akoho ihany koa ireo olom-pirenena

    Tamin'ireo vaovao nisongadina hafa … te hanapa-bolo aho ho fandraisako anjara tamin'ilay solika niraraka tao an-dranomasina tao Cebu tamin'ny herinandro lasa. Tsofy aho. Miroborobo izany ankehitriny.

Nantsoina hanome bà-kiraro ihany koa ny magazay lehibe hanangonana volo ho fanakanana ny #oilspill (fihanaky ny solika) ao #Cebu via @ originalJGA

   #Cebuseamishap Fanapaham-bolo maimai-poana ao amin'ny Lapan'ny Tanànan'i Cebu. Volon-dohan'olona ampiasaina hanakanana ny fihanaky ny solika. @ TheFreemanNews pic.twitter.com/VEmv52oFS5

Nilaza ny tanàna ao Cebu VM Labella fa hanangona “akora mpitroka” (toy ny volon-doha, volomborona) ny tanàna mba hanakanana ny #OilSpill fihanaky ny solika

Saingy nampitandrina ny mpahay siansa iray fa mety hampitombo ny loza indray ny fampiasana volo.

Christina Garcia Frasco nihevitra fa ilaina ny fametrahana lalàna henjana momba ny eny an-dranomasina:

The loss of life to disasters at sea is staggering. The damage to the marine environment is far-reaching. Even more disturbing is what little has been done to avoid such tragedies. As the seafaring public continues to risk life and limb when they board the ships that navigate our waters, it is clear that the need for stricter maritime regulation and sea traffic management is not only imminent but also absolute.

Mahaankona ny famoizana ain'olona eny an-dranomasina mandritra ny voina. Tsy hita pesipesenina ny fahasimbahan'ny tontolo iainana an-dranomasina. Fa ny tena mampanahy ihany koa dia ny fahakelezan'ny zavatra vita hisorohana ny loza tahaka izao. Ary satria mbola manao sorona ny ainy ireo orinasam-panjonoana lehibe amin'ny fandefasana ny sambon'izy ireo amin'ny fari-dranomasintsika, dia mazava fa tsy vitan'ny hoe ho avy faingana fa tsy maintsy atao mihitsy ny fametrahana lalàna mifehy sy mandritra ny fifamoivoizana an-dranomasina henjakenjana kokoa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.