Tantara tamin'ny Aogositra, 2013
Singapore : Loha Sola Ho Fanairana Hanohanana Ireo Ankizy Mararin'ny Homamiadana
Nahasintona olona maherin'ny 6.000 ilay hetsika fanasolàna loha izay mikendry ny hanangonam-bola sy fampiroboroboana ny fanentanana momba ny homamiadana mpahazo ny ankizy.
Zimbaboe: Mbola Te-Ho Filoha Fanimpitony Ny Filoha Mugabe
I Mugabe no hany filohan'ny firenena hatramin'ny nahazahoany ny fahaleovantenany tamin'ny 1980.
LAHATSARY: Fitroarana am-binaingitr'i Brezila voarakitra an-dahatsary mahaleotena mitondra ny lohateny hoe ‘Fandrobana’ [‘Com Vandalismo’]
Sarimihetsika novokarin'andiana mpanao gazety mahaleotena miresaka ny fahasamihafam-pitakiana ao anatin'ny fihetsiketseha-panoherana nitranga tao Fortaleza sy ny tanandehibe hafa tao Brezila.
Ejipta : “Tena naheno bala nandalo tambonin'ny soroko aho”
Tantaran'ilay mpanao gazety sady mpaka sary Mosa'ab Elshamy izay saiky voatifitra sy nisy nangalatra ny fitaovam-piasany nandritra ny zava- nitranga tao Rabaa Al Adawiya tamin'ny androny 14 aogositra. Fifandonan'andian'olona maro sy ireo "mpitandro ny filaminana hampiasa ny fitaovam-piadiany tahaka ny eny an'ady. Nitantara ny zava-nanjò azy izy
SARY: Tatitra momban'ny Tondra-drano Avo Any Amin'ny Renivohitr'i Filipina
Nikapoka an'i Filipina ilay rivomahery tropikaly Trami ary niteraka tondra-drano goavana tany Manila sy ireo faritany manodidina. Olona maherin'ny dimy hetsy no niharan'io rivomahery io.
Vaky ny Ady Tany Amin'ny Fiangonana Silamo Saodiana Rehefa Nanozona an'i el-Sisi ny Pretra
Lasa nihanaka io ady io, izay navoaka tao amin'ny YouTube, ary mbola mitohy ny fifandirana amin'ny alalan'ny teny ao anaty aterineto
Voadoro ny Fiangonana Kôpta ao Ejipta
Maro ny mihevitra ao amin'ny tambajotra sosialy ejipsiana fa nandranitra ny fifandranitana ara-pivavahana ny Mpirahalahy Miozolomana, nampifandrafy ny miozolomana amin'ny kristiana ka nahatonga ny fanafihana fiangonana, varotra, tranon'ny kopta ny andron'ny 14 aogositra, tsy mbola nahitana trangana herisetra toy izany
Kolombia: Tongasoa Eto Amin'ny Tanànan'i Medellín
Iray amin'ireo toerana feno zava-mahaliana tamin'izay hitako ny tanànan'i Medellin, tanàna nahaterahako. Tsy izy no toerana tsara indrindra na toerana azo antoka indrindra eto an-tany, nefa tena mahaliana, feno hery ary tena mahafinaritra. Manoratra momba ny tanànan'i Medellín na “el centro” ao amin'ny Colombia Reports i Adriaan Alsema. Alahany ao ny antony hitiavana...
Brezila: Fikomiana Vinaingitra
Nanjary hetsika nanohitra ny lahara-pahamehan'ny governemanta amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2014 atao any Brezila ilay hetsika nataonà vondron'olona manohitra ny fiakaran'ny saram-dàlana amin'ny fitateram-bahoaka any Sao Paulo. Nanerana ny firenena ary nahavory olona an'hetsiny ireo hetsika izay natao hoe Fikomiana Vinaingitra, noho izy ireo nampiasa lamba vontonà vinaingitramba ho fiarovana...
Ejipta : Tifirina, Samborina ary Rahonana Ny Mpanao Gazety
Misy mitifitra anay amin'ny balam-borona raha miezaka ny ho any amin'ny sit-in ao Rabaa, mitorovoka miafina ao ambadiky ny fiara. hoy i i Bel Trew mpanao gazety iray