Tantara tamin'ny 28 Aogositra 2013
SARIPIKA: Mametraka an-tSarintany ny Zavakanto An-Tanandehibe ao Buenos Aires sy ny Ankoatra Azy
Misy vondrona Argentines iray manasa anao hizara sy hametraka an-tsarintany ny saripikan'ny graffiti hita ao amin'ny tanànanao.
Mpiaro Ny Zon'Olombelona Saodiana Niatrika Ny Haratsian'ny Mpanao Fanadihadiana Sy Ny Mpitsara
I Umar Al-Saeed no mpikambana tanora indrindra ao amin'ny ACPRA niatrika ny fitsarana sy voagadra noho ny heviny sy ny hafanam-pony. Any am-ponja izy satria tsy nety hanaovana fanadihadiana tsy miaraka amin'ny mpisolovava azy.
Navoaka Ny Fonja i Amina, Mafana Fo Toniziana Ao Amin'ny FEMEN
Namoaka didy famotsorana an'ilay mafana fo Amina Sboui vao 19 taona ny fitsarana Toniziana, mafana fo iray ao amin'ilay fikambanam-behivavy Okraniana mpanao hetsi-panoherana FEMEN. Ankehitriny mirona any amin'i Jabeur Mejri, izay nigadra noho ny fanaovana sarimiaina an'ilay Mpaminany Muhammed.