- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh : Tsy Afaka Miatrika Fifidianana Ny Antoko Jamaat-e-Islami

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Nambaran'ny fitsarana avo [1] any Bengladesh fa tsy ara-dalàna ny fijoroan'ny Antoko politika Islamika Jamaat-e-Islami [2], fanambaràna nankasitrahan'ireo izay mihevitra fa ekstremista ilay antoko, sy ireo izay nanameloka azo ho manelingelina ny demokrasia.

Ilay didim-pitsaràna nivoaka tamin'ny 1 Aogositra 2013 no fanapahan-kevitra farany momba ilay fanangonan-tsonia nataonà olona 25,  [3]isan'izany ireo mpikambana ao amin'ny antoko islamista hafa izay niatrika ny fijoroan'ny Jamaat tamin'ny Janoary 2009.

Tamin'ny 2008, noteren'ny komisionim-pifidianana hosoratana ara-panjakana daholo ny antoko politika rehetra raha toa ka te-handray anjara amin'ny fifidianana. Midika izany fa tsy mahazo mandray anjara amin'ny fifidianana antenimiera ho avy izao, izay atao amin'ny Janoary 2014, ny Jamaat.

Efa voatsikera mafy io antoko io noho ny nanoherany ny fahaleovantenan'i Bengladesh [4]. Nefa niha-mafy hatrany ny fandraràna ny hetsika ataon'ny Jamaat-e-Islami vao haingana nandritra ilay hetsi-panoherana  [5]Shahbag  [5] izay niandoha tamin'ny volana Febroary 2013 (jereo ny tatitra manokan'ny Global Voices [6]), ary nitaky ny fanasaziana azy faran'izay henjana noho ny heloka bevava natao nandritra ny fanafahana [7]ny firenena teo ambany vahoan'ny Pakistana [7]tamin'ny 1971. Maro amin'ireo voapanga ireo no mpitarika ambony ao amin'ny Jamaat, ary tamin'ny volana Martsa 2013, voaheloky ny fitsarana manokana momba ny heloka an'ady  [8]ho faty mihantona i Delwar Hossain Sayeedi [9] sy Ali Ahsan Mohammed Muojaheed [10], mpitarika ny Jamaat-e-Islami [2], noho ny nandraisany anjara tamin'izany. Mpitarika antoko maro hafa no fantatra fa meloka noho ny heloka bevava atao amin'ny maha-olona ary efa an-dàlana ny fitsarana azy ireny.

Jamaat-Shibir activists once again swooped on law enforcers in Dhaka during a protest against trial of their leaders. Image by Rehman Asad. Copyright Demotix (28/1/2013) [11]

Mahery fo an'ny Jamaat mifanandrina amin'ireo mpitandro filaminana tany Dhaka nandritra ilay hetsika fanoherana ny fiampangana ny mpitarika azy ireo ho nanao heloka  an'ady. Sary avy amin'i Rehman Asad. Copyright Demotix (28/1/2013)

Antoko politika mivelatra sy masaka ara-poto-kevitra ary manerana an'i Bengladesh ny Jamaat, ary amin'izao fotoana izao dia mifandray amin'ny antoko mpanohitra BNP. Hita taratra tamin'ny fifidianana solom-bavambahoaka tamin'ny 2008 anefa fa betsaka amin'ny Bengali no miahiahy ny fampiasany ny fivavahana amin'ny politika, izay nahazoany 4.6%-n'ny vato [12] ary seza 2 moja tamin'ny 300 (39 nolavina). Nanao famakafakana lalina mahakasika ny politikan'ny Jamaat  ny mpitoraka bilaogy Jyoti Rahman [13], volana vitsy lasa izay. Ambarany ao ny momba ny toe-bola sy rafitra ara-potokevitry ny Jamaat :

25 taona aty aorian'ny nisian'ny antoko, dia niditra tany amin'ny sehatra tsy miankina maro ihany koa ny Jamaat. Nanjary fahatelo amin'ireo banky lehibe indrindra ao amin'ny firenena ny Islami Bank izay tantanan'ny Jamaat. Ireo toeram-pitsaboana sy ny toeram-pikarakaram-batana tohanan'ny Jammat dia mitondra betsaka amin'ny fitsaboana sy fanabeazana ho an'ireo sokajin'olona an-drenivohitra, ireo mpiasa ary ny madinika. Manana fifamatorana ara-bola matanjaka amin'ireo firenena any Golfa ny antoko, izay manampy azy ireo amin'ny raharahany. Avy any amin'ny fiaraha-monin'ny Islamista Bengali any UK ihany koa ny fanampiana ara-bola sy ara-potokevitra.

Io fanangonan-tsonia io [3], izay ahitana ny hevitra manohitra ny fanoratana ny Jamaat ara-panjakana, dia ahitàna teboka efatra lehibe milaza ny nanitsakitsahany ny lalàm-panorenana:

1) Tsy ankatoavin'ny Jamaat ny fahefana tsy refesi-mandidin'ireo solontenan'ny vahoaka hanao lalàna.

2) Voararan'ny Komisiona momba ny fifidianana ny fijoroana ara-kominalin'ireo antoko

3) Fanavakavahana ara-pivavahana sy ara-tsaranga : tsy eken'ny sata mifehy ny Jamaat hitazona toerana ambony ny vehivavy na ny tsy Silamo

4) Tsy voasoratra ara-panjakana – Antoko teraka tany ivelany tany India ary manana rantsana manerana izao tontolo izao ny Jamaat.

Bangladesh Jamat e Islami protesting [14]

Jamat e Islami Bengali manohitra ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo manafoana ny fijoroany ara-panjakana any Dhaka. Sary avy amin'i Mehedi Hasan. Copyright Demotix (1/8/2013)

Tamin'ny 5 Aogositra, notsipahan'ny [15]Sampan-draharaha momba ny fahabangan-toerana ao amin'ny fitsarana ny fitakian'ny Jamaat-e-Islami [15]hampiantona ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Avo (HC), izay manambara fa tsy ara-dalàna ny fijoroan'io antoko politika io. Nefa dia azon'ny Jamaat ampiakarina io didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana avo io rehefa miverina miasa ny fitsarana. Niantso fitokonam-be nasionaly ny antoko ny 12 Aogositra 2013 ho fandàvana ny io didim-pitsarana io.

Etsy an-daniny dia nampanantsoin'ny Fitsarana Avo ireo mpitarika ny Jamaat-e-Islami, mba hanazavàny ny hoe nahoana ny ilay hetsi-panoherana ny didy navoakany no tsy horaisina tahaka ny faniratsiràna ny fitsaràna.

Maro ireo mpiserasera amin'ny aterineto no naneho ny fahafaham-pony rehefa nandre ilay fanafoanana. Nanoratra tao amin'ny Twitter [16] i Saqeena Quashim (@SaqeenaQuasim [17]):

Nampitahain'i Kazi Mamun, [21] bilaogera, aminà vay ary nambarany ao anaty  Facebook izany :

‘ইনহিউম্যান’ বলেন আর যাই বলেন, আই ডোন্ট কেয়ার! জামাত হলো একটা গ্যাংগ্রিন এর মতো। কেটে সমূলে উৎপাদন না করা হলে কোনো লাভ নেই!

Na antsoina hoe “tsy araka ny maha-olona” io na tsia, tsy mampaninona ahy. Ohatra ny  vay ny Jamaat. Tsy voasakanareo ny fahasimbana raha tsy ny fotony mihitsy no maty

Tsy neken'ny mpiserasera amin'ny Twitter Zara Kadir (@zarakadir [22]) amin'ny Diaspora ny fanafoanana ny fijoroan'ny Jamaat, satria manelingelina [23]ny demokrasia :

Mampahatsiahy ny olona i Rozob Ali (@RozobAli [25]) fa Silamo ny 89 isan-jaton'ny Bengali, noho izany tsy voajanon'ny [26] fandraràna ny Jamaat-e-Islami ny politika Silamo :

Nolazain'i Azad Ali (@azadaliCCM [27]) fa nampian'ireo mpikambana ao amin'ny antoko Silamo hafa [28] ny fangatahana ny fanafoanana ny fijoroan'ny Jamaat :

Misy fifangaroan-javatra eo amin'ny fanafoanana ny fitsanganan'ny Jamaat ara-dalàna sy ny fifidianana raha toa ka tsy ho antoko politika ny Jamaat. Hazavain'i Kallol Mustafa, mpitoraka bilaogy sady mafana fo amin'ny  lahatsoratra ao amin'ny Facebook [30]io fifangaroana io :

জামাতে ইসলামিকে নির্বাচন কমিশনের দেয়া নিবন্ধন অবৈধ ঘোষণা করা আর জামাতের রাজনীতি নিষিদ্ধ করা দুইটা কিন্তু একেবারে ভিন্ন বিষয়। হাইকোর্টের রায়ে নির্বাচন কমিশনে জামাতের নিবন্ধন অবৈধ ঘোষিত হওয়ার পর, হাইকোর্টের রায় অনুযায়ী নির্বাচন কমিশন জামাতের নিবন্ধন বাতিল করলে, দল হিসেবে জামাতে ইসলামি নির্বাচন করতে পারবে না কিন্তু জামাতের দলীয় রাজনীতি কিংবা রাজনৈতিক কর্মকান্ড কিন্তু তাতে নিষিদ্ধ হয় না।

Tena zavatra samihafa ny filazàna fa tsy ara-dalàna ny fijoroan'ny Jamaat amin'ny fifidianana sy fandraràna azy tsy hanao politika. Aorian'io didy navoakan'ny fitsarana avo io, raha toa ka foanan'ny komisiona misahana ny fifidianana ny Jamaat, dia mety tsy handray anjara amin'ny fifidianana izy. Saingy tsy manakana azy tsy hanohy ny fomban'ny antoko izany.

Depiction of Jamaat leaders in street art during Shahbag protests. Image from Flickr by Mehdi Hasan. CC BY-NC-SA 2.0 [31]

Sary itatr'ireo  mpitarika ny Jamaat ampangaina ho nanao heloka tamin'ny ady nandritra ny hetsika  Shahbag. Sary avy any amin'ny Flickr an'i Mehdi Hasan. CC BY-NC-SA 2.0

Lazain'ny sasany fa ampiasain'ny Jamaat ny Silamo ho an'ny tombontsoany manokana. Nandritra ny ady ho fanafahana an'i Bangladesh [32]tamin'ny 1971, nataon'ny mpikambana fitaovana ny fivavahana mba hanamarinana ny  fahalotoan'ny Hindou sy ny famonoan'olona, ny fanolanana sy ny fandravana atao amin'ny Bengali. Nanoratra tao amin'ny Facebook [33] ny mpihira fanta-daza sy mpitoraka bilaogy mafana fo, Maksudul Haque:

‘নিবন্ধন বাতিল’ নিয়ে চতুর্দিকে যখন ‘চেতনার’ জয়গান তখন আমার কোনো আনন্দ নেই। নিষিদ্ধ করুন… তাতেও আমার কাছে নো বিগ ডিল… এদের পাপ ক্ষমার অযোগ্য… ইসলাম থেকে এই হায়েনাদের খারিজ করুন, বুকে ইমান রাখুন মজবুত এবং বীর দর্পে বলুন… ‘এরা মুসলমান না এরা কাফের’ সেদিনই শহীদানের আত্মা শান্তি পাবে… সেদিন বাংলাদেশে ইসলাম কলঙ্কমুক্ত হবে…

Raha toa ka mankalaza ny tsy fanekena ny fitsanganan'ny Jamaat ny olona rehetra, izaho tsy faly. Rarao izy ireo… Tsy zava-dehibe izany amiko… Tsy azo avela ny helony… Diovy ny maha-silamo azy, tano ny finoanareo ary sahia miteny, ” Tsy Silamo izy ireo, tsy mpino izy ireo “… Aoka handry am-piadanana ireo izay nanolotra ny ainy…amin'io andro io no hadio ny Silamo ao Bengladesh.

Taloha dia voarara matetika ny antoko politika silamo hatramin'ny nisiany tamin'ny 1941. Voarara tany Pakistana tamin'ny 1959 sy tamin'ny 1964, ary tany Bengladesh tamin'ny 1972 izy ireo. Nomena alàlana ho toy ny antoko politika indray izy ireo tamin'ny 1979. Tsikaritr'i [34]Shah Ali Forhad (@shah_farhad [35]) mpisolovava sady mpiserasera amin'ny Twitter fa: