- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARY: Tatitra momban'ny Tondra-drano Avo Any Amin'ny Renivohitr'i Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina

Niteraka tondra-drano avo tany Metro Manila sy ireo faritany akaiky any Filipina ny rivomahery tropikaly narahin-korana Maring (mitondra ny anarana iraisam-pirenena Trami) izay nahafaty olona 8, maratra 41, ary 4 tsy hita.

Araka ny tatitry [1] ny governemanta, fianakaviana 125.348 (olona 602.442) no tratran'io rivomahery narahin-korana io. Ny harivan'ny 20 Aogositra, 40.837 ireo olona mbola nomena fialofana any amin'ireo tobin'ny tra-boina miisa 198. Arabe lehibe 65 no tsy azo aleha noho io tondra-drano io. Manodidina ny faritra 415 any amin'ireo fivondronana/tanàna 68 no nahitana tondra-drano. Fisidinana am-piaramanidina 162 (59 iraisam-pirenena ary 103 ao an-toerana) no najanona noho io rivomahery io.

Nampiasa ny tenifototra #maringPH sy #floodPH ireo Filipiana hanaraha-maso io trangana tondra-drano ao Manila sy any amin'ireo faitra akaiky azy io. Ireto ambany ireto ny sary vitsivitsy ao amin'ny Twitter sy Facebook izay mampiseho ny fihitaran'io tondra-drano io.

Image from World Vision [2]

Sary avy ao amin'ny World Vision

A flooded village south of Manila. Photo from @erwinlouis [3]

Vohitr'i Manila tratran'ny tondra-drano. Sary an'i @erwinlouis

Flood in Marikina, east of Manila. Photo from Facebook page of Prospero De Vera [4]

Tondra-drano tany Marikina, atsinanan'i Manila. Sar avy ao amin'ny pejy Facebook an'ny Prospero De Vera

Photo by YouScooper Jefferson Levie, from Facebook page of GMA News [5]

Sary an'i YouScooper Jefferson Levie, avy a amin'ny pejy Facebook an'ny GMA News

A flooded university in Manila. Photo by Salina Teo, from the Facebook page of TomasinoWeb! [6]

Anjerimanontolo tratran'ny tondra-drano tany Manila. Sary an'i Salina Teo, avy ao amin'ny pejy Facebook an'ny TomasinoWeb!

Knee-deep flood in Manila. Photo by Jam Sisante [7]

Tondra-drano manafotra lohalika any Manila. Sary an'i Jam Sisante

Flood near the country's main business district. Photo by @siao88 [8]

Tondra-drano any akaikin'ny faritry ny raharaham-barotry ny firenena goavana indrindra. Sary an'i @siao88

Flood near Manila City Hall. Photo by Manila Bulletin [9]

Tondra-drano any akaikin”ny lapan'ny tanànan'i Manila. Sary an'i Manila Bulletin

Flood in Guagua, north of Manila. Photo from Facebook page of The College Mirror [10]

Tondra-drano any Guagua, avaratr'i Manila. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook an'ny The College Mirror

Flood in the old downtown of Manila. Photo by Philippine Star [11]

Tondra-drano any amin'ny afovoa-tanàna tranainin'i Manila. Sary an'i Philippine Star

Flood in Makati, the country's central business district. Photo by Ryan Chua [12]

Tondra-drano any Makati, faritra ivon'ny raharaham-barotry ny firenena. Sary an'i Ryan Chua