Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Voadoro ny Fiangonana Kôpta ao Ejipta

Notafihan'ny andian'olona lazaina fa mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanohana azy ny fiangonana sy ny varotry ny kôpta nanerana androany [14 aogositra].  Nisy izany fanafihana ara-pivavahana izany taorian'ny fanesorana an-kerisetra ny sit-in ataon'ny mpanohana an'i Morsi [gv-mg] ao Kairo. Maro dia maro tokoa ny ejipiana maty na maratra.

Maro ny mihevitra ao amin'ny tambajotra sosialy ejipsiana fa nandranitra ny fifanavaham-pivavahana ny Mpirahalahy Miozolomana, nampifandrafy ny miozolomana amin'ny kristiana ka nahatonga ny fanafihana androany [14 aogositra] izay tsy mbola nisy toy izany.

Nomanin'ny mpanohana ny filoha teo aloha Mohammed Morsi, mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana ny sit-in roa. Tapaka tamin'ny tamin'ny 3 jolay ny fe-potoana niasany taorian'ny fihetsiketsehana goavana nitakiana ny fialàny sy ny fitakiana hanatanterahana alohan'ny fotoana ny fifidianana.

Tao anatin'ny herinandro maromaro izao ny mpanohana an'i Morsi sy ny Mpirahalahy Miozolomana no nilasy teo amin'ny kianja Rabaa Al Adawiya, ao Nasr City, sy ao amin'ny kianja Al Nahda, akaikin'ny Oniversiten'i Kairo, nitaky ny hamerenana ny “ara-drariny” na ny famerenana an'Atoa Morsi eo amin'ny toerana maha-filoha voafidin'i Ejipta azy.

Nisioka toy izao i Ishak Ibrahim, mpikaroka momba ny fandraisana an-tanana ejipsiana amin'ny lafiny zon'ny tsirairay [ar]:

Toy izao ny vokatry ny fanafihana androany tao amin'ny governorà 9 : fiangonana 20, monasitera iray, Fanorenana fiasana roa, sekoly telo, fikambanana relijiozy telo ary toerana fandraisana kamboty no may ary fiangonana fito no nisy nanafika sy nandroba.

Nanazava izy tao amin'ny sioka manaraka :

Tamin'ny fanafihana fikendrena lapan'ny fitsarana, fiangonana, vaomiera monisipaly ary komisarià maro no ahafantarana ny tsy fitokisany Fanjakana intsony.

Nisioka i The Big Pharaoh :

Hatrami'izao dia fiangonana 16 no may, manan-danja ara-tantara ny sasany amin'ireo. Tsy mbola nisy toy izao. Efa anjatony taona lasa no nisy toy izao farany.

Nampiany :

Ny ankamaroan'ny fiangonana nodoran-dry zareo dia ao Ejipta Ambony, izay iainan'ny ankamaroan'ny kristiana sady faritra ananan'ny MPirahalahy Miozolomana mpanohana izaitratra.

Notohizany :

Mihevitra aho fa tsy nahitana fanafihana ny kristiana tahaka izao amin'ny faritra midadasika tahaka izao hatramin'ny Vanim-potoana Antenantenany.

Nizara ny sarin'ny fiangonana iray any Sohag voadoro androany 14 aogositra i Fouad MD :

Sarin'ny fiangonana manatantara iray ao Sohag, Ejipta nodoroan'ny mpanohana an'i Morsi androany pic.twitter.com/HVdRPGhRb3

Nampifandray ny fanafihana ny fiangonana tamin'ny fanesorana ireo mpanohana an'i Morsi ny mpikatroka iray antsoina hoe Dalia Ziada. Toy izao no nosoratany :

Tati-baovao avy any Ejipta Ambony : nanao fanafihana goavana ireo fiangonana ny islamista ho setrin'ny fanesorana ny fitokonan'ny Mpirahalahy Miozolomana #MuslimBrotherhood #Egypt

Maneho ny heviny i Firas Al Atraqchi :

Ny fanafihana ny rafi-pitantanana kôpta ao Ejipta no mampiseho fa tsy ampidirana vondrona hafa ny governemanta islamista iray. Na dia ny milefitra aza.

Ary mampahatsiahy i Leil_Zahra Mortada :

Azonao atao ny manohitra ny #MB (Mpirahalahy Miozolomana) sy manameloka ny famonoana ataon'ny tafika sy ny MOI (Minisiteran'ny Atitany Ejipsiana), ary manohitra ny heloka atao amin'ny Kôpta vokatry ny fifandrafiana ara-pivavahana. #Egypt

Ankoatra ny fivavahana dia notafihana ihany koa androany [14 aogositra] ny orinasan'ny Kôpta, hoy i Schehrazade :

Eto Louxor, tahaka ny hoe mikendry ny fivarotana, trano fandraisam-bahiny ary ireo olona kôpta ny mpanohana an'i Morsi. Kôpta no tompon'ny hôtel Horus, eto akaikinay. May io.

Misy koa ny tranon'olo-tsotra no potika, hoy i Marian Kirollos :

Loharanom-baovaoko any Delga no milaza fa trano ampolony an'ny kôpta no may nefa tsy nisy polisy nipoitra.

Amin'izany fatiolona sy faharavana maro izany no mametraka ny andron'ny 14 aogositra ho andro matroka eo amin'ny tantaran'i Ejipta. Mamehy izany fihetseham-po izany i Yossra Farghaly, sy ny fanenenany.

Miala tsiny aho nandray anjara tamin'ny jan25 [andro nihetsiketsehana voalohany indrindra]…izay nivadika ka nahatongavana amin'izao toe-javatra iainantsika izao. Miala tsiny aho amin'ny maha-ejipsiana ahy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.