- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Naato Ao amin'ny Tambajotra Fanaraha-maso ny Fanadiovam-bola i Madagasikara

Sokajy: Afrika Mainty, Etazonia, Frantsa, Madagasikara, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana
malagasy Ariary and Euros via  Teraka Andriatsoa blog - Public Domain  [1]

Vola Malagasy Ariary sy Euros ao amin'ny bilaogin'ny Teraka Randriantsoa – Valam-Bahoaka

Lambo T. no mitatitra [2] [fr] ao amin'ny tranonkalan'ny La Gazette de La Grande Ile fa naato ao amin'ny Vondrom-pitsikilovana Egmont misahana ny fitantanam-bola [3] ny Samifin [4] [mg], sampan-draharaha misahana ny fanadiovana ny sehatry ny fitantanana ara-bola sy miady amin'ny fivezivezen'ny vola miampita sisintany tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ny Egmont dia tambajotra iraisam-pirenena manara-maso ny fanadiovam-bola sy ny fanohanana ara-bola ny fampihorohoroana. Nohazavain'i Lambo T. fa tsy nahavita nandroso lalàna enti-miady amin'ny fampihorohoroana sy ny fikambana-jiolahy iraisampirenena ny fitondrana ankehitriny ka izany no nitarika ny fampiatoana ny Samifin.