91 ny isan'ny maty ary 323 ny isan'ny naratra tamin'ny fipoahana baomba 17 samihafa nanerana an'i Iràka tamin'ny omaly alina (9 aogositra).
Nitranga tany an-tsena, efitrano fisakafoanana sy fisotroana maro ny fipoahana izany nanampy trotraka ny fifanenjanana ara-pivavahana ao Iràka. Araka ny tatitra tao amin'ny BBC, ity volana ity no “Ramadan nahafatesana olona be indrindra, nahitana olona mihoatra ny 670 maty.” Nanatsonga ny voalazan'ny Firenena Mikambana, nanome isa hafa milaza fa “1057 ny isan'ny Irakiana maty ary 2326 ny naratran'ny fanafihana tamin'ny volana jolay, isa avo indrindra ao anatin'ny iray volana hatramin'ny 2008″ ny New York Times.
Mpanangom-baovao ao amin'ny Al Jazeera antsoina hoe Rawya Rageh nisioka hoe :
No words.. Death toll in #Iraq now at 91.. 323 injured..
— Rawya Rageh (@RawyaRageh) August 10, 2013
Tsy manan-kolazaina.. 91 ny isan'ny olona maty ao Iràka izao.. 323 ny naratra..
Efa nisioka toy izao izy ora iray monja nialoha io:
This is what Iraqis get on the last day of Eid: 13 blasts, 67 people killed, 218 injured.. Will this ever end? #Iraq
— Rawya Rageh (@RawyaRageh) August 10, 2013
Izao no azon'ny Irakiana tao anatin'ny andro faran'ny Eid: Fipoahana 13, maty 67, maratra 218.. Hifarana ve izy ity?
Ny fankalazana ny Eid no faratampon'ny volana masina fifadian-kanina Ramadany, izay fotoam-pifaliana sy fivoriam-pianakaviana amin'ny ankapobeny. Saingy tsy izany no nitranga ho an'ny Irakiana, sy ny Arabo maro raha amin'ity raharaha ity. Mitaraina ilay mpikaroka Irakiana monina ao London antsoina hoe Hayder al-Khoei:
“In my country, Eid has died.”
— Hayder al-Khoei (@Hayder_alKhoei) August 10, 2013
“Maty ny Eid ho an'ny fireneko”
Tamin'ny sioka manaraka no nilazany ihany koa :
You would think that car bombs after car bombs would force Iraqi security officials to replace the magic wands. When is enough enough?
— Hayder al-Khoei (@Hayder_alKhoei) August 10, 2013
Metyhieritreritra ianao fa ny fisesisesin'ny fanapoahana baomba fiara no hanery ny mpitandro ny filaminana hanova ny tehina majika. Rahoviana no ho leon'ny leo?
Nizara ny sarin'ny tabilaon'ny birao ny sefon'ny AFP ao Iràka, izay ahitana ny isan'ny fiara natao baomba, ny isan'ny maty sy ny maratra. Hoy ny fanamarihany:
This is becoming an all-too-familiar sight in the @AFP Baghdad bureau: pic.twitter.com/dJZii67X1B
— Prashant Rao (@prashantrao) August 10, 2013
Lasa zavatra fahita mahazatra loatra eto amin'ny biraon'ny AFP eto Baghdad
Nataony lisitra ny toerana nipoahan'ny baomba tao Baghdad:
.@AFP tracking car bombs in Husseiniyah, Shaab, Kadhimiyah, Baghdad Jadidah, Amil, Dura, Saidiyah and Jisr al-Diyala areas of Baghdad.
— Prashant Rao (@prashantrao) August 10, 2013
Manaraka akaiky ny fandehan'ny baomba fiara ao Husseiniyah, Shaab, Kadhimiyah, Baghdad Jadidah, Amil, Dura, Saidiyah ary Jisr al-Diyala manodidina an'i Baghdad ny @AFP
Any amin'ny toera-kafa any Iràka:
Iraq attacks today in Baghdad, Tuz Khurmatu, Hilla, Neel (near Hilla), Qaiyarah, and al-Jadaa (south of Mosul). 41 dead, 176 wounded – @AFP
— Prashant Rao (@prashantrao) August 10, 2013
Fidarohana an'i Iràka androany tao Baghdad, Tuz Khurmatu, Hilla, Neel (akaiky an'i Hilla), Qaiyarah, ary al-Jadaa (atsimon'i Mosul). 41 ny maty, 176 ny naratra
Nahatohina ny tao amin'ny tambajotra sosialy ny hamaroan'ny fanapoahana baomba. Maneho ny loiloiny avy any Bahrain ny bilaogera Ali Al Saeed:
The mad sectarian killing spree continues in #Iraq and not a single Arab leader speaks out against it. Disgusting.
— Ali Al Saeed (@alialsaeed) August 10, 2013
Mbola mitohy ao Iràka ny famonoana amin'ny anaran'ny antokom-pivavahana ary tsy misy mpitondra Arabo iray mba maneho ny fanoherany. Mankaloiloy.
Ary avy any Frantsa, mba tohina amin'ny tsy firaharahian'ny olona amin'izay mitranga any Iràka ihany koa i Ammoun. Taorian'ny nizaràny rohy maromaro momba ny vaovao mafàna any Iràka, nanao fanamby tamin'ny mpanaraka azy ao amin'ny Twitter izy:
Yes I'm flooding your timeline with #Iraq news, because no one else will. If you're not happy with it unfollow & bear it in your conscience.
— Ammoun (@AmmounAAY) August 10, 2013
Eny, Nofenoiko ny vaovaon’ Iràka ny randram-baovaonareo aho satria tsy hisy olona hafa hanao izany. Raha tsy faly amin'izany ianareo dia ialào [aho] dia ento any amin'ny konsiansinareo izany.