- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etiopiana Miozolomana Nosamborina sy Nodarohina Nandritra Ny Fihetsiketsehana Eid El-Fitr

Sokajy: Afrika Mainty, Etiopia, Fanoherana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Niafara tamin'ny fidarohana, fitifirana etona mandatsa-dranomaso, ary fisamborana [1]olona an-jatony ny famoretana feno herisetra nataon'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny fampahoriana ireo miozolomana ao amin'ny firenena tamin'ny 8 Aogositra 2013, fetin'ny Eid el-Fitr.

Nanao fihetsiketsehana tao amin'ny aterineto [2]sy ivelan'ny aterineto ireo Etiopiana Miozolomana nandritra ny herintaona sy tapany mahery ho fanoherana ny fitsabahan'ny governemanta amin'ny raharaham-pivavahan'izy ireo.

Iray amin'ireo olana toherin'izy ireo ny fifidianana Filan-kevitra Islamika [3]izay natao tamin'ny volana Oktobra 2012, ka nilazan'izy ireo fa notsabahan'ny governemanta ny fizotran'izany mba ho amin'ny tombotsoan'ireo mpikambana tohanan'ny governemanta. Niampanga ny governemanta ho miezaka mampiroborobo ny Islamo ho sehatra malalaka kokoa fantatra amin'ny anarana hoe al-Abhash ihany koa izy ireo.

Ethiopian Muslims protesting the Ethiopian Government.

Etiopiana Miozolomana nanao fihetsiketsehana tamin'ny fiandohan'ity taona ity nandritra ny lalao fifaninanana tmpondakan'i Afrika tao Afrika Atsimo. Hoy ny vakin'ny t-shirt iray, “Ajanony ny Abhashism ao Etiopia.” Sary: pejy Facebookn'ny Awolia School

Nampiasa pejy  Facebook toy ny DimtsachinYisema [4] [amh] (Avelao ho ren-tany ho ren-danitra ny feonay) sy ny EthiopianMuslims (Etiopiana Miozolomana) [5] ireo mpikatroka antserasera Miozolomana mba hiara-hientana sy hizara vaovao momba ny fihetsiketsehana.

Tamin'ny taon-dasa, nanohana ireo olom-pirenena iray tanindrazana aminy ireo Etiopiana Kristianina tamin'ny alalan'ny hafa-piraisankina nalefa tao amin'ny aterineto [6], izay nanjary nalaza teo amin'ny tontolo nomerika Etiopiana. Maro tamin'ireo Kristianina Etiopiana no nanova ny satany tao amin'ny Facebook tamin'ny volana Jolay 2012 mba hanambarany ny fanohanany ireo Etiopiana Miozolomana mitaky ny tsy fitsabahan'ny governemanta intsony.

Taorian'ny famoretana ny fihetsiketsehana Eid, namoaka fanambarana miantso ny governemanta Etiopiana  [7] hampitsaharana ny famoretana ireo Miozolomana ny Amnesty International. Miampanga ny zava-nitranga tamin'ny herinandro lasa ny fanambarana, izay mikasika ny fihetsiketsehana niafara tamin'ny fahafatesan'ireo olona tsy voafaritra isa mazava tao an-tanàndehiben'i Kofele, ao amin'ny faritra Oromia.

Nalaza tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana EidDemonstration (FihetsiketsehanaEid) [8] sy EthioMuslims (EtioMiozolomana) [9]ny vaovao mikasika ny herisetra sy fisamborana nataon'ny polisy taorian'ny fotoam-bavaka Eid.

Nalahelo noho ny fampahoriana ireo Miozolomana milamina i Mahlet (@faantish [10]):

Mampalahelo ny mahita ireo #Miozolomana [11] milamina hampitahorina toy ny jiolahy. #EtioMiozolomana [12] #FihetsiketsehanaEid [8] #Etiopia [13] #Mampalahelo [14]

@faantish [10] nanoratra fa vehivavy ny ankamaroan'ireo nodarohina sy nosamborina:

Tamin'ireo Miozolomana nosamborina sy nodarohina, maro tamin'izy ireo no Vehivavy, mahamenatra Etiopia [13] Mampalahelo [14]

Mpikatroka ny zon'olombelona, Soli (@Soliyee [18]) nahita vehivavy iray notazonina am-ponja miaraka amin'ny zazalahy kely menavava:

Anisan'ireo notazonina am-ponja ilay vehivavy Miozolomana nolazaiko tany amboalohany izay nanao fihetsiketsehana niaraka tamin'ny zanany lahikely menavava #FihetsiketsehanaEid [8] #Etiopia [13]

Tambajotra seraseran'ny Oromos, Oromo Network (@OromoRT [20]), nanontany ny fomba itokisana ny antokon'ny fitondrana, Manda Demokratikan'ny Vahoaka Etiopiana Revolisionera (Ethiopian People's Revolutionary Democratic Front) (EPRDF):

Ahoana no itokisanao ny EPRDF raha hanao fitakiana marobe kanefa aza izy ka tsy afaka mamaly fitakiana faran'izay tsotra nangatahan'ireo Miozolomana? #Etiopia

StunningHabesha (@stunningHabesha [22]) nizara sary mampiseho ny fihanaky ny herisetran'ny polisy:

Pikan-tsary nalain'ireo rahalahy sy rahavavy mahery fo. #FihetsiketsehanaEid [23] #Etiopia [13] #Tsyrariny [24] pic.twitter.com/sf80LQaXfe [25]

Nitatitra ny sivana amin'ny fitantarana ny fotoam-bavaka Eid ny biraon'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ) (@africamedia_CPJ [27]) ao Afrika:

Voalaza fa nanao sivana ny vaovao momba ny fotoam-bavaka #Eid [28] ny fahitalavi-panjakana #Etiopia [13]mba hanampenam-bava ireo #EtiopianaMiozolomana

Manoloana ny fampahoriana ireo Miozolomana ao amin'ny firenena, nanoratra i @atnemac [32] fa toa fanompana ny maha-Miozolomana ao Etiopia:

Mijoro vavolombelona aho androany fa toa toy ny heloka ny maha-Miozolomana. Ho aminareo anie Andriamanitra ry rahavavy sy rahalahy. #Etiopia [13] #EtiopianaMiozolomana [12]

Nanam-bitana i Soli (@Soliyee [18]) sy ny namany Faantish (@faantish [10]) noho ny fitafiny tsy-Miozolomana:

Tsy nosamborina izaho sy @faantish [34] satria nipataloha sy tsy nisaron-doha izahay, navelan'izy ireo nandeha izahay. #FihetsiketsehanaEid [8] #Etiopia [13]

Na dia teo aza ny fanamelohana avy amin'ireo mpisera Twitter marobe ao Ethiopia sy manerantany, nisy ireo nanohana ny famoretana ireo Miozolomana.

EthioZagol (@EthioZagol [36]) nihevitra fa ny fihetsiketsehana dia ao anatin'ny fihanaky ny Islamo mahery fihetsika ao Etiopia :

EtioMiozolomana  [12]Tsia amin'ny fihanaky ny Islamo mahery fihetsika ao #Etiopia amin'ny anaran'ny fahalalahan'ny fivavahana!!!

Etiopiana mpikatroka ny zon'olombelona sady mpanoratra, Kiflu Hussain (@HussainKiflu [38]) namaly ity fiampangana “mahery fihetsika” ity ka nanontany hoe:

Lazao hoe misy mpivavaka mahery fihetsika ao #Etiopia. Ahoana no hifampiraharahanao amin'izy ireny? Amin'ny alalan'ny fakana fepetra faratampony tahaka ny famonoana an-jambany?

Mpianatra Etiopiana ao Finland, Henok (@henoksheger [40]), niangavy ireo Miozolomana mba hanaja ny lalàna:

Mila alalana takian'ny lalàna ny fihetsiketseham-bahoaka!! #Etiopia [13] #Hajaonylalàna [41]#Maheryfihetsika [42]