Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Etiopiana Miozolomana Nosamborina sy Nodarohina Nandritra Ny Fihetsiketsehana Eid El-Fitr

Niafara tamin'ny fidarohana, fitifirana etona mandatsa-dranomaso, ary fisamborana olona an-jatony ny famoretana feno herisetra nataon'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny fampahoriana ireo miozolomana ao amin'ny firenena tamin'ny 8 Aogositra 2013, fetin'ny Eid el-Fitr.

Nanao fihetsiketsehana tao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto ireo Etiopiana Miozolomana nandritra ny herintaona sy tapany mahery ho fanoherana ny fitsabahan'ny governemanta amin'ny raharaham-pivavahan'izy ireo.

Iray amin'ireo olana toherin'izy ireo ny fifidianana Filan-kevitra Islamika izay natao tamin'ny volana Oktobra 2012, ka nilazan'izy ireo fa notsabahan'ny governemanta ny fizotran'izany mba ho amin'ny tombotsoan'ireo mpikambana tohanan'ny governemanta. Niampanga ny governemanta ho miezaka mampiroborobo ny Islamo ho sehatra malalaka kokoa fantatra amin'ny anarana hoe al-Abhash ihany koa izy ireo.

Ethiopian Muslims protesting the Ethiopian Government.

Etiopiana Miozolomana nanao fihetsiketsehana tamin'ny fiandohan'ity taona ity nandritra ny lalao fifaninanana tmpondakan'i Afrika tao Afrika Atsimo. Hoy ny vakin'ny t-shirt iray, “Ajanony ny Abhashism ao Etiopia.” Sary: pejy Facebookn'ny Awolia School

Nampiasa pejy  Facebook toy ny DimtsachinYisema [amh] (Avelao ho ren-tany ho ren-danitra ny feonay) sy ny EthiopianMuslims (Etiopiana Miozolomana) ireo mpikatroka antserasera Miozolomana mba hiara-hientana sy hizara vaovao momba ny fihetsiketsehana.

Tamin'ny taon-dasa, nanohana ireo olom-pirenena iray tanindrazana aminy ireo Etiopiana Kristianina tamin'ny alalan'ny hafa-piraisankina nalefa tao amin'ny aterineto, izay nanjary nalaza teo amin'ny tontolo nomerika Etiopiana. Maro tamin'ireo Kristianina Etiopiana no nanova ny satany tao amin'ny Facebook tamin'ny volana Jolay 2012 mba hanambarany ny fanohanany ireo Etiopiana Miozolomana mitaky ny tsy fitsabahan'ny governemanta intsony.

Taorian'ny famoretana ny fihetsiketsehana Eid, namoaka fanambarana miantso ny governemanta Etiopiana  hampitsaharana ny famoretana ireo Miozolomana ny Amnesty International. Miampanga ny zava-nitranga tamin'ny herinandro lasa ny fanambarana, izay mikasika ny fihetsiketsehana niafara tamin'ny fahafatesan'ireo olona tsy voafaritra isa mazava tao an-tanàndehiben'i Kofele, ao amin'ny faritra Oromia.

Nalaza tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana EidDemonstration (FihetsiketsehanaEid) sy EthioMuslims (EtioMiozolomana) ny vaovao mikasika ny herisetra sy fisamborana nataon'ny polisy taorian'ny fotoam-bavaka Eid.

Nalahelo noho ny fampahoriana ireo Miozolomana milamina i Mahlet (@faantish):

Mampalahelo ny mahita ireo #Miozolomana milamina hampitahorina toy ny jiolahy. #EtioMiozolomana #FihetsiketsehanaEid #Etiopia #Mampalahelo

@faantish nanoratra fa vehivavy ny ankamaroan'ireo nodarohina sy nosamborina:

Tamin'ireo Miozolomana nosamborina sy nodarohina, maro tamin'izy ireo no Vehivavy, mahamenatra Etiopia Mampalahelo

Mpikatroka ny zon'olombelona, Soli (@Soliyee) nahita vehivavy iray notazonina am-ponja miaraka amin'ny zazalahy kely menavava:

Anisan'ireo notazonina am-ponja ilay vehivavy Miozolomana nolazaiko tany amboalohany izay nanao fihetsiketsehana niaraka tamin'ny zanany lahikely menavava #FihetsiketsehanaEid #Etiopia

Tambajotra seraseran'ny Oromos, Oromo Network (@OromoRT), nanontany ny fomba itokisana ny antokon'ny fitondrana, Manda Demokratikan'ny Vahoaka Etiopiana Revolisionera (Ethiopian People's Revolutionary Democratic Front) (EPRDF):

Ahoana no itokisanao ny EPRDF raha hanao fitakiana marobe kanefa aza izy ka tsy afaka mamaly fitakiana faran'izay tsotra nangatahan'ireo Miozolomana? #Etiopia

StunningHabesha (@stunningHabesha) nizara sary mampiseho ny fihanaky ny herisetran'ny polisy:

Pikan-tsary nalain'ireo rahalahy sy rahavavy mahery fo. #FihetsiketsehanaEid #Etiopia #Tsyrariny pic.twitter.com/sf80LQaXfe

Nitatitra ny sivana amin'ny fitantarana ny fotoam-bavaka Eid ny biraon'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ) (@africamedia_CPJ) ao Afrika:

Voalaza fa nanao sivana ny vaovao momba ny fotoam-bavaka #Eid ny fahitalavi-panjakana #Etiopia mba hanampenam-bava ireo #EtiopianaMiozolomana

Manoloana ny fampahoriana ireo Miozolomana ao amin'ny firenena, nanoratra i @atnemac fa toa fanompana ny maha-Miozolomana ao Etiopia:

Mijoro vavolombelona aho androany fa toa toy ny heloka ny maha-Miozolomana. Ho aminareo anie Andriamanitra ry rahavavy sy rahalahy. #Etiopia #EtiopianaMiozolomana

Nanam-bitana i Soli (@Soliyee) sy ny namany Faantish (@faantish) noho ny fitafiny tsy-Miozolomana:

Tsy nosamborina izaho sy @faantish satria nipataloha sy tsy nisaron-doha izahay, navelan'izy ireo nandeha izahay. #FihetsiketsehanaEid #Etiopia

Na dia teo aza ny fanamelohana avy amin'ireo mpisera Twitter marobe ao Ethiopia sy manerantany, nisy ireo nanohana ny famoretana ireo Miozolomana.

EthioZagol (@EthioZagol) nihevitra fa ny fihetsiketsehana dia ao anatin'ny fihanaky ny Islamo mahery fihetsika ao Etiopia :

EtioMiozolomana  Tsia amin'ny fihanaky ny Islamo mahery fihetsika ao #Etiopia amin'ny anaran'ny fahalalahan'ny fivavahana!!!

Etiopiana mpikatroka ny zon'olombelona sady mpanoratra, Kiflu Hussain (@HussainKiflu) namaly ity fiampangana “mahery fihetsika” ity ka nanontany hoe:

Lazao hoe misy mpivavaka mahery fihetsika ao #Etiopia. Ahoana no hifampiraharahanao amin'izy ireny? Amin'ny alalan'ny fakana fepetra faratampony tahaka ny famonoana an-jambany?

Mpianatra Etiopiana ao Finland, Henok (@henoksheger), niangavy ireo Miozolomana mba hanaja ny lalàna:

Mila alalana takian'ny lalàna ny fihetsiketseham-bahoaka!! #Etiopia #Hajaonylalàna #Maheryfihetsika

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.