Naato Ny Referandaoma Momba Fananganana Toby Nokleary Fahaefatra ao Taiwan

Noho ny fanerena avy amin'ireo mpikatroka manohitra ny fampiasana angovo nokleary, nanapa-kevitra ny hampihatona ny firosoana amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka momba ny fananganana tobim-pamatsiana nokleary fahaefatra ao amin'ny nosy mandra-pahatongan'ny septambra 2013 ny antoko eo amin'ny fitondrana Kuomingtang (KMT) sy ny ao amin'ny fanoherana Antokom-pandrosoana demokratika (DPP), araka ny vaovao ao an-toerana nivoaka tamin'ny 6 Aogositra.

Efa nikiry ny hamaha ny fifandirana momba ny fananganana tobim-pamokarana nokleary fahaefatra amin'ny alalan'ny fitsapa-kevi-bahoaka ny antoko mitondra hatramin'ny Febroary teo rehefa nahatsapa fa latsaky ny 50 isanjato ireo manohitra ny fananganana azy manerana an'i Taiwan. Ary izay no nahatonga ny mpanatanteraka ao amin'ny Yuan nametraka volavola hanaovana referandaoma momba ny tobim-pamokarana nokleary tamin'ny 25 Febroary 2013.

Saingy nandresy lahatra ny sasany fa tsy rariny ny lalàna momba ny fitsapa-kevi-bahoaka ao Taiwan, izay mitaky ny fandraisana anjaran'ny atsasaky ny mpifidy handray anjara amin'ny referandaoma fa raha tsy izany dia tsipahina ilay tolo-kevitra na dia nahazo ny maro an'isa tao amin'ny ilay fandrotsaham-bato aza. Tao anatin'ny folo taona izao dia enina ny referandaoma nasionaly notontosaina saingy tsy nisy lany na dia ny iray aza.

Namaly tamin'ny alalan'ny fanetsiketsehana ny olom-pirenena tany amin'ny tanàna lehibe hitakiana an'i Taiwan tsy misy nokleary ny mpikatroka mpanohitra ny fampiasana angovo nokleary. Fandresena vonjiamika ho an'ireo mpikatroka mpanohitra ny fampiasana angovo nokleary izay fivoaran-draharaha farany izany.

March 9 anti-nuclear rally in Taipei city. Photo taken by 孫窮理, coolloud.org.tw. Non-commercial use.

Diabem-panoherana ny nokleary tamin'ny 9 Marsa tao Taipei. Saripikan'i  孫窮理, coolloud.org.tw. Tsy ampiasaina amin'izay hahazoam-bola.

Nahatratra 200.000 ka hatramin'ny 250.000 teo ho eo [zh] ny isan'ireo nidina an-dalamben'i Taipei, Taichung, Kaohsiung, ary Taitung, tamin'ny 9 Marsa 2013, tezitra tamin'ny fanapaha-kevitry ny governemanta hamolavola fitsapa-kevi-bahoaka, ka nitaky ny tamin'ny fitondrana hampitsahatra ny fananganana tobim-pamokarana nokleary tsy mandalo referandaoma. Nanintsana ny fahamaroan'ny olona nanao fihetsiketsehana hiarovana ny tontolo iainana hatramin'izay izany isan'ny mpanao fihetsiketsehana izany. Nisy fiantraikany hita maso teo amin'ny hevi-bahoaka ankapobeny izany fihetsiketseha-panoherana izany. Araka ny nasongadin'ny mpanao tsikera ara-kolontsaina Chang Tie-chih azy, nampandroso ny hetsika noraisin'ny olom-pirenena an-tanana [zh] hitakiana an'i Taiwan tsy hisy angovo nokleary izany ezaky ny mpanohitra ny fampiasana angovo nokleary izany.

Hatramin'ny nisian'ny fanetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny volana marsa dia nanomboka nivory teo an-tokotanin'ny Lapam-pahatsiarovana an'i Chiang Kai-shek ao afovoan-tanànan'i Taipei isan-jomà ny mpikatroka mpanohitra ny fampiasana ny angovo nokleary, manasa ny mpampianatra oniversite hanao tafatafa momba ny angovo nokleary, manasa ny mpihira hanao fampisehoana ary ny poeta hiantsa tononkalo ry zareo ary manao dinika ihany koa amin'ny olom-pirenena handrafitra ny zavatra hatao rahatrizay. Ankoatra ny fivoriana ifanantrehana isaky ny faran'ny herinandro, dia nanangana vondrona sy pejy natokana hanentanana amin'ny tsy fampiasana angovo nokleary maro dia maro ihany koa ny mpikatroka sy ny olom-pirenena liana ho amin'izany. Raha hotanisaintsika ny vitsy amin'izany eto:

Anti-nuclear flash mob via Facebook group Anti-nuclear army

flash mob manohitra ny nokleary amin'ny alalan'ny vondrona Facebook tafika manohitra ny nokleary

  • Fiarahan-dian'i Taiwan manohitra ny nokleary (台灣反核行動聯盟) – pejim-pikambanana mpandamina.
  • 2013 Atsaharo izao ny nokleary (2013廢核大遊行) – pejim-pandraiketana sy fandrindrana hetsika manohitra ny nokleary.
  • Anti-Nokleary avy amin'ny Fitiavana (為了親愛的你,我反核) – pejim-panangonana sarin'olotsotra tsirairay mampiseho fitiavana sy hafatra anti-nokleary.
  • Fiarahan'ny Reny ho amin'ny fanaraha-maso ny toby nokleary (媽媽監督核電廠聯盟) – pejy manangona ny reny havitrika amin'ny fanoherana ny nokleary.
  • Fiarahana Hamantarana amin'ny latsa-bato ny momba ny toby nokleary fahaefatra (終結核四催票大聯盟) – pejy fanentanana ny Taiwaney mba hitsipahana ny fananganana toby nokleary fahaefatra.
  • olombelona aho, Manohitra ny nokleary (我是人,我反核) – pejim-pandrindrana ny hetsika isaky ny faran'ny herinandro ho fanoherana ny angovo nokleary.
  • Tsy mila Toby Nokleary intsony na 4 na 5 na 6 eto Yilan (宜蘭不要核456運動) – pejy natokana ho fanentanana ny mponina ao Yilan ho fanoherana ny toby nokleary manaraka.
  • Alika aho, manohitra ny nokleary (我是狗,我反核) – pejy mampahatsiahy ny olona fa iharamboinan'ny loza nokleary ny biby sy ny zava-miaina rehetra .
  • Tafika Anti-Nokleary (反核部隊) – vondrona mandrindra sy mizara ny hetsika tselatra (flash mob) manohitra ny nokleary.

Tsy nijery ny fanirian'ny vahoaka hanana an'i Taiwan tsy misy angovo nokleary ny governemanta fa tamin'ny 26 avrily dia nanolotra volavolam-pitsapa-kevi-bahoaka tao amin'ny Lapan'ny Fanaovan-dalàna hovakiana fanindroany, ary manana iray volana ny mpanao lalàna hiadiana hevitra sy hifampiraharaha. Namaly tamin'ny alalan'ny fanaovana fihetsiketsehana tao Taipei tamin'ny 19 mey ny vondrona Anti-nokleary. Rehefa tonga ny fetran'ny iray volana nifampiraharahana ny andron'ny 26 mey, dia nanodidina ny Lapan'ny fanaovan-dalàna Yuan [zh] ny mpikatroka anti-nokleary ka nitaky tamin'ny mpanao lalàna hamarana hatreo ny tetikasan-toby nokleary.

Nampidirina hovakiana ao amin'ny Fanaovan-dalàna Yuan fanindroany sy fanintelony indray ny tolo-kevitra hanaovana fitsapa-kevi-bahoaka tamin'ny 2 Aogositra saingy nibodo ny sehatra ho an'ny filoha ny mpanao lalàna avy amin'ny Antokom-Pandrosoana Demokratika ary nanakana ny fandrotsaham-bato.

rotesters demonstrated outside the Legislative Yuan in August 2 against the fourth nuclear plant and the referendum. Photo taken by 陳逸婷, coolloud.org. Non-commercial use.

Fihetsiketsehana eo ivelan'ny Fanaovan-dalàna Yuan tamin'ny 2 Aogositra ho fanoherana ny tobim-pamokarana nokleary fahaefatra sy ny referandaomy. saripika noraisin'i 陳逸婷, coolloud.org. Tsy ampiasana amin'ny resaka ara-barotra.

Efa niomana tamin'ny tetikady roa ny mpikatroka Anti-nokleary. Eo anoloana ry zareo manao fihetsiketsehana ivelan'ny Fanaovan-dalàna Yuan ary manazava ny olona ny olana amin'ny lalàna momba ny referandaoma misy ankehitriny. Etsy ankilany, miomana ihany koa hanetsiketsika ry zareo sy handrsy na dia tsy rariny ho azy ireo aza ny fitsipi-dalao. Nisy fitsapan-kevitra nataon'ny orinasa misahana haivarotra miompana amin'ny “Fironan'ny Fiaraha-Monina ao Taiwan” [zh] talohan'ny voalohany aogositra nampiseho fa ny 70%n'ny hevitra mivoaka dia manohitra ny fampandrosoana ny tobim-pamokarana nokleary.

Nialoha ny famakiana fanindroany, mbola nanantitrantitra ny heviny [zh] manohitra ny fitsapa-kevi-bahoaka ihany ny vondron'ny mpanohitra ny angovo nokleary:

我們認為,停建核四已獲絕大多數民眾的支持,立法院作為全國最高民意機關應善盡職責、充分反映民意,作出停建核四的決議,不必再勞師動眾,舉辦全國性公投。
我們認為國民黨立委若執意要舉辦核四停建公投,則應滿足以下兩個條件後,再處理公投提案,否則,核四停建公投將是玩弄人民、為核四續建備書的技倆:
一、提出核四工程品質現況檢驗報告,證明核四值得投入預算、繼續興建。
二、修正公投法,降低公投案通過之投票率門檻,以正確反映民意。
我們要求立法院在完成上列條件後,再處理核四公投提案,不應貿然在本次臨時會予以表決。
我們呼籲支持非核家園的立委們全力反對核四公投提案之表決。

Raha jerena ny fiombonan-kevitry ny maro an'isa amin'ny olom-pirenena hampitsaharana ny fananganana ny toby nokleary fahaefatra, tokony hampitsahatra ny fananganana ny mpanao lalàna mba ho taratry ny hevitray ary hanatontosa ny adidiny amin'ny maha-solontenanay azy ao amin'ny Fanaovan-dalàna Yuan. Tsy tokony hiandry ny fitsapa-kevi-bahoaka nasionaly isika hifanelingelina.
Raha mikiry ny hanaovana ny referandaoma momba ny tobim-pamokarana nokleary fahaefatra ny mpanao lalàna avy ao amin'ny Kuomintang dia tokony hamita ireto fitakiana roa manaraka ireto mialoha ny hifidianany ny fanaovana referandaoma. Fa raha tsy izany dia lasa fitaka hamelezana ny olom-pirenena hiantsoroka ny fananganana ilay toby nokleary fahaefatra fotsiny ilay referandaoma:
Voalohany, tokony hamita ny tatitra momba ny kalitaon'ny tobim-pamokarana nokleary fahaefatra andala-pamitana amin'izao fotoana izao ry zareo ka hanamarina fa mendrika hakana ny volan'ny hetranay tokoa izy io ary afa-mihevitra ny amin'ny fanohizana ny fananganana izahay.
Faharoa, tokony hanitsy ny lalàna momba ny referandaoma ry zareo. Tokony ampidinina ny fetra farany ambany indrindra mba tena hifanaraka tokoa amin'ny hevitry ny olom-pirenena.
Mitaky ny hamitan'ny mpanao lalàna ireo fepetra ireo izahay mialoha ny hifidianan-dry zareo. Tsy tokony handrotsa-bato amin'ny hanaovana ny referandaoma na tsia ry zareo amin'izao fotoana izao noho ny tsy fahampian'ny fiomanana.
Mitaky amin'ny mpanao lalàna ihany izay manohana ny hetsika tsy isian'ny nokleary koa izahay hampidify ny hanaovana referandaoma amin'ny fandehanana mifidy.

Maro ny fikambanana no efa nivonona ho amin'ny tranga ratsy indrindra ka hoe hotontosaina ny fitsapa-kevi-bahoaka ao amin'ny Fanaovan-dalàna Yuan, araka ny tatitry [zh] ny media mahaleotena ao Taiwan coolloud.org:

綠盟秘書長崔愫欣[…]強調反核的民眾已經準備好面對公投,將會透過組織化動員,正面迎戰。

Nasongadin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firaisan-kinan'ny Olom-pirenena Maitso Tsui Hsiu-Hsin […] fa efa vonona amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka ny mpanao fihetsiketsahana. Hifanandrina amin'ny governemanta amin'ny alalan'ny fanetsiketsehana ry zareo.
The placard said: "If you don't vote for the referendum, you vote for nuclear disaster." via Facebook 洪雅書房. Public photo.

Hoy ny sora-baventy: “Rehefa tsy hifidy ny referandaoma ianao dia mifidy ny voina nokleary.” amin'ny alalan'ny Facebook 洪雅書房. Sarim-bahoaka.

Ankehitriny moa raha efa nanaiky ny hampiato ny fandrotsaham-bato amin'ny volavolam-pitsapa-kevi-bahoaka ny Fanaovan-dalàna Yuan, dia hanohy ny fanerena ny governemanta hanao izay tsy hampandehanana ilay tobim-pamokarana nokleary fahaefatra mbamin'ny fampandehanan-draharaha miaraka aminy ireo mpikatroka mpanohitra ny fampiasana angovo nokleary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.