- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manome Voninahitra An'i Maria Magdalena Amin'ny Talenta Poerto Rikana Ireo Mpanakanto Matihanina

Sokajy: Amerika Latina, Eoropa Andrefana, Espaina, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

*Mankany amin'ny pejy miteny anglisy avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fanamarihana hafa.

Na tsy azon'ny mpijery sasany aza [izay ataony] dia nomen-kaja amin'ny endrika vaovao, amin'ny alalan'ny ezaky ny  aingam-panahin'ireo artista tahaka an'i Tanya Torres [1]sy Raquel Z. Rivera [2], izay nandany taona maro namantatra ny fiakaran-danjan'ity olo-malaza ity tao anatin'ny kanto hiso, mozika, ary ny asa-soratra kristianina mpijery i Maria Magdalena, olo-masina katolika sy olo-malaza ara-tantara.

Tamin'ny 21 Jolay, andro alohan'ny fety ofisialin'ity olo-masina ity, nanasa ireo “mpino, tsy mpino, manakaiky ny ho mpino, sy mpino ihany, ary ireo izay tsy voatonona ao amin'ireo nosokajiana teo ireo” ireo mpanakanto ireo mba hoavy ao amin'ny Fiangonana Masindahy Marka-in-the-Bowery (Saint Mark's Church-in-the-Bowery) [3], eglizy malaza amin'ny karazan-javakanto andrana ao New York, ka handray anjara amin'ny fankalazana ny fampanantenana mahafinaritra  natokana ho an'ilay olo-masina.

Nanazava ao amin'ny bilaoginy, Cascabel de cobre [2][es], i Rivera fa ao Amerika Latina dia “natokana hanomezam-boninahitra ireo olomasina sy ireo “masina” hafa ny fankalazana ny fampanantenana,” ary ny fisehoany ao Poerto Riko dia “fiarahana mahafinaritra miaraka amin'ny hanimpito loha sy mozika hirain'ny fikambanana”. Ary izany indrindra no izy.

Fotoa-pivavahana no nanombohana ny fety, ravahan'ny hira ao amin'ny kapila mangilatr'i Rivera “Los 7 Salves de la Magdalena” [4]. Avy eo, nifindra tany amin'ny sehatra hafa ny mpankalaza hilalao, hihira, sy handihy “lamako” ( “Arahaba ry Maria” an-kira), bombas, ary palos (dihy nentim-paharazana Porto Rikana). Noraisin'i Torres izy ireo tao, izay te-hiresaka mafy momba ny zava-kantony vao haingana indrindra nalaina tamin'ny tantaran'i Maria Magdalena, izay inoan'ny sasany ho sakaizan'i Jesosy.

Ao amin'ny Hoy, artista [5], bilaogy nosoratan'ilay mpanoso-doko Tanya Torres no hahafantaranao bebe kokoa momba ny hetsika fankalazana ny fampanantenana. Zarainay aminareo ireto sombin-tsary nalain'ireo vahiny roa anisan'ny tamin'ireo nasaina ireto…

1010863_690310627652235_1579066587_n

Raquel Z. Rivera mihira ho an'i Maria Magdalena. Sary: Norka Pérez

1006039_690309937652304_1960453358_n

Sary sokitr'i Maria Magdalena nataon'i Marta I. Rodríguez Olmeda sy Barbara Díaz López. Saripikan'i Norka Pérez

Tanya Torres junto a sus obras. Foto por Norka Pérez

Tanya Torres miaraka amin'ireo zavakanto noforoniny. Sary: Norka Pérez

Danza silenciosa de Corazón Tierra.  Foto por Josué Guarionex

Dihy mangina avy amin'i Corazón Tierra. Sary: Josué Guarionex

Alexandra Vasallo, bailadora de bomba. Foto por Josué Guarionex

Mpandihy Bomba, Alexandra Vasallo. Sary: Josué Guarionex

Músicos de izquierda a derecha: Manuela Arciniegas, George Vázquez, Raquel Z. Rivera, María Terrero, Arelis Figueroa y Bryan Vargas.

Mpiangaly mozika, ankavia miankavanana: Manuela Arciniegas, George Vázquez, Raquel Z. Rivera, María Terrero, Arelis Figueroa ary i Bryan Vargas.

Foto por Norka Pérez

Ankavia miankavanana: “Maria Magdalena sy ny atody mahagaga” ary i “Maria Magdalena, Ramatoa tanamasoandrontsika.” Sary: Norka Pérez

Nametraka lahatsary nalefan'ny vipblessings [6] [es] ihany koa izahay mba ahafahanao mihaino ny mozikan'i Raquel Z. Rivera & Ojos de Sofía,  izay nosokajian'i Felix Jiménez [7][es] am-pahamarinana ho “sahisahy” tamin'ny lahatsoratra vao haingana mitondra ny lohateny hoe 80 Grados. Tamin'ny taona 2010 no natao ny lanonan-takariva fampahafantarana ny kapila mangilatr'i Raquel tao amin'ny eglizy masindahy Marka ao Bowery, ary nampahafantarin'i Tanya Torres voalohany tao ihany koa ny mozikany sy ny tetikasany ara-maso [8][es]

Na dia izany aza, mbola tsy nifarana tanteraka izany fety fankalazana an'i Magdalena izany. Androany 9 Aogositra,  hanatontosa fampiratiana ireo “karazana hosodoko mampiseho ny fahambonian'Andriamanitra eo amin'ny tontolo voajanahary; ao anatin'ny dia irosoany, ahitan'i Torres ny fifandraisana amin'ny sariohatra masina nentim-paharazana.” Hampahafantarina ao amin'ny Efitrano fampirantiana Bright Rain [9], ao Albuquerque, Meksika Vaovao, tranon'ny mpiara-miasa aminy, Raquel Rivera ny haikanto, mitondra ny lohateny hoe Ny Lanitra sy ny Tany [10]. Afaka hiaina ny kanto amin'ny alalan'ny loko sy ny feo ireo olona hoavy hanatrika ny fampiratiana.