- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Bye Bye Filoha Ahmadinejad

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Ahmadinejad's departure: source: https://twitter.com/aatehranii/status/363233879122931712/photo/1

Fialan'i Ahmadinejad: loharano: https://twitter.com/aatehranii/status/363233879122931712/photo/1

Nandao ny birao fiasany ny Asabotsy 3 aogositra 2013 teo ny filohan'i Iran nampisara-kevitra indrindra [1] hatramin'ny nisian'ny revolisiona 1979. Eo an-dalam-pamafana ny fahasimbana vitan'i Ahmadinejad na tao an-toerana na taty ivelany ankehitriny ny mpandimby azy Hassan Rouhani.

Namoaka sary [2], lahatsoratra, hafatra ary sioka ho fankalazana ny fandehanany ny mpiserasera. Ny sasany nahatsiahy ny hetsi-panoherana tamin'ny 2009 taorian'ny fifidianana filoham-pirenena nampiady hevitra izay nahalany fanindroany an'i Ahmadinejad  [3]indray. #AhmadiByeBye [4] no teny filamatra sy ifankafantarana. Maro ny ny sary sy sariitatra ahitana ny filoha teo aloha ifampizarana ao amin'ny Twitter.

Maro ny Iraniana sy ny tsy Iranians no niteny an'i Mahmoud Ahmadinejad ho nandainga [3] momba ny lohahevitra maro samihafa nandritra ny valo taona.

Manana [5] izany eritreritra izany i Hadi Nili, mpanao gazety Iranian ary efa nandray anjara tato amin'ny Global Voices:

Rahalina, tsy hahita intsony ny iray amin'ny mahery indrindra ao aminy; mahery indrindra amin'ny fandaingàna i Iran. #AhmadiByeBye [4]“, hoy ny soratr'i @rezayekhali [7]

Salar nisioka [8] [fa]:

Tao anatin'ny valo taona, tsy namaly na dia fanontaniana iray aza izy, nidify ny fanontaniana amin'ny alalan'ny fanaovana tarehy ratsy hatrany izy.

Mbola mihelohelo ao anatin'ireo hafatra nampitaina androany ihany ny avelon'ny fifidianana teo aloha sy ny Hetsika maitso.

Nisioka [9] i Mehdi Saharkhiz :

Anio izy no miala amin'ny toerana tokony nialàny efa-taona lasa izay. Fa efa lasa aloha izy izao

Mehdi Saharkhiz mampahatsiahy [11] antsika ny momba ilay fifidianana filohampirenena mampiahiahy rehefa maro no nitabataba fa nisy nanamboamboatra ny valim-pifidianana:

Taloha izy. Taloha fotsiny. Tsy afa-miteny aho hoe filoha. Mbola navaha-trano ambenana manokana tsy mahazo mivoaka ivelan'ny misy azy ny tena filoha.  #AhmadiByeBye [4] aloha no vaovao tsipalotra momba an'i Iran

Maro ireo Iraniana no nizara ny hafaliany tamin'ny nialan'i Ahmadinejad.

Nisioka [13] i Tara Aghdashloo

Mihirahira mivezivezy  ao an-trano ny #AhmadiByeBye [4] ny sakaizako — ary tsy Iraniana akory izy.

Josh Sharyar mizara ny hafaliana mitovy amin'izany ary miteny hoe [14]

Tsy manana hafaliana toy izany amin'ny fialan'i Ahmadinejad. Maro loatra ny mpanao gazety, mpikatroka, mpisolovava, olompirenena any am-ponja noho izy. #AhmadiByeBye [4]