Tonizia: Miaramila Valo Tratran'ny Kendritohina Maty, Mitohy ny Gidragidra Politika

Hatairana ny an'ny Toniziana tamin'ny fandrenesana fa miaramila valo no maty ary telo no naratra taorian'ny vela-pandrika nahazo azy ireo tany amin'ny faritra manakaiky ny sisintany ifanolorana amin'i Alzeria. Nitranga izany tamin'ny Alatsinainy, tany amin'ny faritra be tendrombohitra ao Chammbi any amin'ny Governoràn'i Kasserine, tokotokony ho 290 kilaometatra atsimon'ny renivohitra Tunis. Araka ny tatitry ny gazety dia tapa-doha [notapahina teo amin'ny tendany] ny dimy tamin'ireo miaramila maty ireo.

21 taona ny miaramila zandriny indrindra tamin'izany ary 31 taona ny zokiny indrindra. Itarafana indrindra ny sarin'ny tanora toniziana atao sorona. #RIP

Efa am-bolana maro izao ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana toniziana no mihaza ireo mpitolona islamita heverina ho manana fifandraisana amin'ny Al-Qaeda Maghreb Islamika (AQMI), any amin'ny tendrombohitra Chammbi. Efa nahafatesana miaramila roa sy maratra 14 farafahakeliny teo amin'ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana ny fipoahana vanja milevina tany tamin'ny volana Avrily, Mey ary Jona. Velabelarin'ny filoha vonjimaika Moncef Marzouki ho “fanafihan'ny mpampihorohoro” moa ny vela-pandrika. “Tafiditra ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fampihorohoroana isika. Mandalo vanim-potoana sarotra isika saingy horesentsika izany”, hoy ny teniny tao amin'ny kabary nandeha fahitalavitra.

Names of soldiers killed on Mount Chaambi.

Ny anaran'ireo miaramila maty tany amin'ny tendrombohitra Chaambi.

Nihamaro ny resaka mandeha sy ny fanamelohana tany amin'ny tambajotra sosialy tamin'ny fandrenesana ny voina:

Mitombo ny petra-kevitra fisian'ny tsikombakomba ratsy momba an'i #Chaambi eto Tonizia. Misy ny manameloka ny RCD (antokon'i Zeine el Abidin Ben Ali efa nitondra teo aloha), ny hafa manameloka ny Ennahdha (fiaraha-mientana Islamista mitantana ny governemanta) na ny sampam-pitsikiloana Alzeriana ihany koa.

@_DavidThomson Lasa fatra-piahiahy mihoatra noho ny Amerikana ny Toniziana. Adinonareo koa ny Mossad? ny “extra-terrestre” sisa tsy voalaza.

Rehefa nanontaniana tamin'izay tao ambadiky ny vela-pandrika nandatsahan-dra ity ny mpanao gazetin'ny France24 miasa ao Tunis dia hoy ny navalin'i David Thomson:

Mieritreritra aho fa vondrona jihadista mitoka-monina, tsy manana fifandraisana amin'ny fikambanana hafa no ao ambadika. Mety ho diso aho anefa

Tahaka izay nisy tamin'ny namonoan'ny sasany ny depiote mpanohitra Mohamed Brahmi sy ny mpitarika ny mpanohitra avy amin'ny antoko ankavia Chokri Belaid, dia ny vondrona telo miara-dia ao amin'ny fitondrana tarihin'ny hetsika Islamista Ennahdha no voampanga. Ampangain'ny olona fanta-daza ao amin'ny mpanohitra sy ny mpikatroka matetika ny fitondrana ho tsy mandray am-pahamatorana ny raharaha fampihorohoroana sy ny fileferana manoloana ny antokom-pivavahana mahery fihetsika.

Mazava ny hafatry ny Ennahdha, raha esorinareo [amin'ny fitondrana] izahay, dia doranay i #Tunisia. Ahatsiarovana an'i  ZABA [filoha teo aloha Zeine el Abidin Ben Ali, voaongana tamin'ny 14 janoary 2011 niteraka herisetra sy fandrobàna]

Tsy nieritreritra ny hiady amin'ny fampihorohoroana velively ny mpanohitra revolisiona tafapetraka eo amin'ny fitondrana, izay tompon'andraikitra tamin'izay nitranga tao #Chaambi

Mihetsi-po avokoa isika tamin'izay nitranga tao Chaambi. Fa ny fahamehana hiampanga ny Ennahdha ho nanao ny vela-pandrika kosa dia fahadalàna

Mbola nandatsaka lalina kokoa ny krizy ara-politika natrehin'i Tonizia taorian'ny namonoan'ny sasany ny depioten'ny mpanohitra Mohamed Brahmi tamin'ny 25 Jolay ity vela-pandrika nahafatesan'olona tamin'ny alatsinainy ity. Olona an'arivony no nidina an-dalambe nitaky ny fanonganana ny fiaraha-mientan'ny antoko telo eo amin'ny fitondrana tarihin'ny Hetsika Islamista Ennahdha. Nisy ny sit-in nitaky ny hanafoanana ny Antenimieram-Panorenana nasionaly (NCA), izay miandraikitra ny fandrafetana ny lalampanorenana vaovao. Araka ny Marsad, vondro-piarahamonim-pirenena manara-maso ny asan'ny NCA dia depiote 60 no niala tao amin'ny NCA.

List of MPs for (green) and against (red) the dissolution of the NCA. Source: Marsad.tn

Lisitryny depiote manohana (mena) sy manohitra (maitso) ny fanavoanana ny NCA. Loharanom-baovao: Marsad.tn

Nitaky ny hialan'ny governemanta sy hanome toerana ny teknisiana ny sendikà lehibe indrindra ao Tonizia. Manohitra ny fanafoanana ny NCA ny sendika ary manolo-kevitra ny hananganana ny komitin'ny manampahaizana manokana hijery ny drafitra faran'ny lalapanorenana ao anatin'ny tapa-bolana mialoha ny fandatsaham-bato ao amin'ny NCA.

Taorian'ny fahadisoam-panantenana nataon'ny UGTT dia tsy misy afa-tsy ny fidinana an-dalambe sisa. Tohizo ny tolona.

Mety ho motraka ny fanapaha-kevitry ny UGTT eo anatrehan'ny maro. Saingy io ny fanapaha-kevitra tsy mpampifalifaly vonjimaika ny vahoaka indrindra sy mahay mijery ny zavamisy indrindra nataony hatramin'ny 14 janoary

Raha mitohy ny hetsika hanoherana ny fitondrana, an-dalana “hanadio” ny faritra manodidina ny tendrombohitra Chaambi amin'izay ahiahiana ho mpitolona Islamista kosa ny bemidin'ny miaramila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.