#FreeSafy – Bilaogera Nosamborina Vao Maraimbe Tao Bahrain

Nosamborina tany an-tranony vao maraimbe mipoaka masoandro ilay bilaogera Bahrainita Mohammed Hassan androany [31 Jolay]. Araka ny tatitra, nosavain'ny polisy ny tranony ao Sitra ary nosamborina izy avy eo, nalain'ny polisy ny findainy sy ny solosainy nandritra izany fotoana izany. Nilaza ihany koa ny vaovao fa nitondra didy fampisamborana izy ireo.

Niteraka tsikera teo amin'ireo mpiserasera ny fisamborana an'i Mohammed, fantatra amin'ny anarana hoe Safy, ary mpanoratra ato amin'ny Global Voices Online izay mitantara momba an'i Bahrain. Sultan Al Qassemi, mpaneho hevitra avy ao Emirat Arabo Mitambatra (UAE) nisioka hoe:

Nalahelo raha nahare fa nosamborina ilay bilaogera Bahrainita @safy. Nihaona taminy aho tamin'ny volana Desambra, sady tsy nanoratra izy no tsy nandefa sioka nandritra ny volana maromaro.

Tamin'ireto fanehoan-kevitra manaraka ireto, nilaza izy fa fotoana manamarika ny fisamborana bilaogera ao amin'ny renim-paritra izao:

@ SultanAlQassemi @JustAmira @Redbelt nosavaina ny tranony omaly alina, nitondra didy fampisamborana ny polisy ary nandraoka ireo fitaovana elektronika rehetra tao aminy.

_____________________________________________

Nandefa sioka aho tamin'ny taona 2011 fa miditra amin'ny vanim-potoana manjombona isika ato amin'ny Helodrano. Miala tsiny aho raha milaza fa marina ny nolazaiko

Mpikatroka Alaa Al Shehabi namaly hoe:

Eto amin'ny Helodrano fotsiny ve? Mahatsapa vanim-potoana maizina. Manahy mafy ny aminy aho. Isika koa angamba ny manaraka

Lohahevitra niverimberina tao amin'ny aterineto izany fahatsapana fanenjehana manatomotra izany. Mohammed Al Maskati, izay efa nosamborina tamin'ny fanombohan'ny fihetsiketsehana tao Bahrain tamin'ny volana Martsa 2011, nanontany hoe:

Tokony hangoron'entana ve isika? Iza no manaraka? #FreeSafy

Tahaka ny maro, tsy nino i Maskati fa misy antony no hisamborana ireo olona ao Bahrain:

Nosamborina i @safybh noho ny fikatrohany ao amin'ny aterineto, sady tsy nandefa sioka izy no tsy nanoratra tao amin'ny bilaoginy nandritra ny 3 volana mahery. Izany no #Bahrain aminy

Jalal Al Jazeeri niarahaba an'i Safy noho ny fijoroany:

Naka toerana ijoroana tamin'ny fahafantarana fa henjehina, hosaziana, ary hofaizina noho ny fanaovana izany… …lehibe tsy mampino izany. #FreeSafy

Mohammed Al Daaysi nilaza hoe:

Izany no karazam-pilaminana sandoka ireharehan'izy ireo  #FreeSafy

Salma tsy mahafantatra ny antony hisamborana bilaogera tahaka an'i Safy:

Tsy azoko mihitsy. Lehilahy mandala ny filaminana izy, mpanoratra. Inona no filaminana mety ho voarahona avy aminy? raha tsy hoe ny filaminan'ny saina tsy mahalala na inona na inona.. # FreeSafy

Tamin'ny volana Aprily teo nilaza ny fanakatonana ny bilaoginy i Safy:

All good things come to an end.

Though my message might have not ended I think my points were delivered, I think it is time now to put a period, close this notebook and start a new one

He has also stopped tweeting since then.

Misy fiafarany ny zava-drehetra mahafinaritra.

Na dia mbola tsy hifarana aza ny hafatro dia mino aho fa tafampita ny teboka tiako lazaina, mino aho fa fotoana hametrahana vanim-potoana izao, manakatona ity kahie ity ary manokatra vaovao indray.

Nijanona tsy nandefa sioka intsony izy nanomboka teo.

An-jatony ireo olona nosamborina tao Bahrain hatramin'ny niandohan'ny fihetsiketseha-pitakiana fanovana politika sy toekarena tamin'ny 14 febroary 2011. Mbola mitohy ny hazalambo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.