Alemaina: Hetsi-Panoherana Fanaraha-maso Fomba “Big Brother”

Amin'ny teny alemana avokoa ny rohy.

Maro ny olom-pirenena Alemana no nidina an-dalambe tamin'ny asabotsy 27 jolay lasa teo ho fanoherana ny fiarahamonim-pitsikilovana. Heverin-dry zareo fa tsy vitan'ny hoe tandindonin-doza ny fiainan'izy ireo manokana fa saro-toerana ihany koa ny zo fototra ananan'izy ireo sy ny demokrasia. Taorian'ny fanehoan'i Edward Snowden, mihamahery ny fanerena hanazavan'ny fitondrana alemana amin'ny vahoaka izay fantany momba ny fanaraha-mason'ny sampam-pitsikilovana amerikana sy britanika. Nanao fanambarana momba izany ny minisitry ny atitany Hans-Peter Friedrich fa ny filaminana no mialoha ny zo fototra rehetra ka nahazo ny fahatezeran'ny rehetra avy amin'izany teny izany.

Niara-namoaka taratasy misokatra tamin'ny hafa tao amin'ny Frankfurter Allgemeine Zeitung ny mpanoratra Juli Zeh ary navoaka an-tserasera tao amin'ny Change.org avy eo ny filazalazany tao amin'ny fahitalavi-mpanjakana ny sampam-pitsikilovana amerikana avy ao amin'ny NSA ho tahaka ny andian-jiolahy mpamaky trano. Ny lahatsoratra avy amin'izany resadresaka nifanaovana izany moa dia hita ao amin'ny Netzpolitik.de:

“Wenn ich an die NSA-Affäre denke, sehe ich ein Haus, das gerade von einer Einbrecherbande ausgeräumt wird. Die Bewohner stehen daneben und gucken zu. Die Hausverwaltung steht auch daneben und guckt zu. Sie ruft den Einbrechern vielleicht noch hinterher: ‘Wir verlangen schonungslose Aufklärung. Wir wollen wissen, was hier gespielt wird.’ Und die Einbrecher rufen zurück: ‘Geht in Ordnung.’, steigen ins Auto und fahren davon.

Rehefa mieritreritra ny raharaha NSA aho, dia trano najifan'ny jiolahy mpangalatra no ao an-tsaiko. Mijery fotsiny ny mponina. Mijery eo anilan'izany ihany koa ny mpitantana ny trano fonenana. Mety miantso ny mpangalatra izy avy eo: “Mitaky fanazavana mahitsy izahay. Tianay ho fantatra izay mitranga.” Ary dia mamerina miteny ny mpangalatra hoe “Milamina tsara ka” alohan'ny idirana ao anaty fiara ka lasa mandeha.

nichts sehen nichts hören nichts sagen

Tsy maheno, tsy mahita, tsy miteny. Sarin'ny Chancelière Merkel, ny minisitry ny atitany Friedrich ary ny talen'ny chancellerie Pofalla nandritra ny fihetsiketsehana. (Loharanom-baovao: mpisera Flickr mw238 ambany lisansa CC BY-SA 2.0)

Mamelabelatra ny fihintsanan'ny fanjakana tan-dalàna i Jakob Jochmann ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe “Ny politikan'ny fiarahamonina mirazotra“:

Seit der deutsche Innenminister öffentlich “Supergrundrechte” postuliert, die jenseits des Grundgesetzes gelten, ist die Auflösung des Gesellschaftsvertrages offiziell. Wenn eine Regierung vor der Realität kapituliert, statt ihr politisch zu begegnen, dann weigert sich der Leviathan, die ihm obliegenden Pflichten zu erfüllen.

Das Problem ist allerdings keines der Regierung. Man kann mit Fug und Recht vom Systemversagen sprechen, weil es kein Korrektiv für die Politikerkaste gibt, die sich in der Entwicklung der Postdemokratie herausgebildet hat. Es gibt für den angeblichen Souverän, das Volk, keinerlei Handhabe, der Abschaffung des Rechtsstaates Einhalt zu gewähren. Dazu mangelt es nicht allein an politischen Alternativen, sondern auch an Dringlichkeit und Kommunikation.

Nanao fanambarana tamin'ny fomba ofisialy ny momba ny fisian'ny “fototry ny zo fototra” izay tahaka ny ambonin'ny lalampanorenana ny minisitry ny atitany, voalaza amin'ny fomba ofisialy ankehitriny ny fanafoanana ny dina sosialy. Rehefa milavolefona manoloana ny zavamisy ny governemanta fa tsy manohitra azy araka ny fanao politika, dia mandà ny andraikitra natao hosahaniny ny Leviathana.

Etsy ankilan'izany, tsy avy amin'ny nataon'ny governemanta ilay olana. Azo atao ny milaza azy ho tsy fahombiazan'ny rafitra, satria tsy misy ny zavatra ahitsy ho an'ny kilasy politika izany niorina taorian'ny fisandratan'ny fotoana aorian'ny demokrasia. Tsy misy fakana vahana azon'ny heverina ho tena tampom-pahefana, ny vahoaka alaina intsony hisakanana ny fihintsanan'ny fanjakana tan-dalàna. Tsy ny tsy fisian'ny politika hafa azo raisina intsony no tsy misy fa ny fahaizana maka ny lahara-pahamehana sy mampita hafatra ihany koa.

Olona an'arivony maro no nidina an-dalambe tany amin'ny tanàndehibe maro tamin'ny asabotsy. Nasehon'izy ireo ny tsy firaisany hevitra amin'ny governemanta tarihin'ny Chancelière Merkel sy ny sampam-pitsikilovana. Indreto ny fijoroana vavolombelona sasany nivoaka avy amin'ny fihetsiketseha-panoherana.

Nisy mpisera Twitter vitsivitsy nizara tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #StopWatchingUs (“atsaharo ny fanaraha-maso anay”) ny sarin'ny sora-baventy izay manazava ny antony nandrisika azy ireo handray anjara tamin'ny fihetsiketsehana :

“Izay tsy manana atahorana, tsy tokony hatahotra mpamelona fanairana !” (whistleblower)!

Taloha ny 35 ora isan-kerinandro ihany no mba nanaovana fihetsiketsehana. Ankehitriny, ny fahafahana madiorano no resahina !

Tsy afa-miandry intsony fandrao lazaina ho mpamadika faratampon'ny tolona ho amin'ny fahafahana. (Erich Kästner)

Ny teny filamatra tsara indrindra!
[Sora-baventy: “Diso fanantenana tanteraka !!! Lasa midina an-dalambe miaraka amin'ny FDP (antoko liberaly alemana) !]

Miteny amin'ny mpandalo ny mpanao fihetsiketsehana: “Miaro ny zo fototrareo izahay !”

Tafiditra ao anatin'ny lohahevitry ny tari-dresaky ny Twitter ihany koa ny hafanambe:

Hetsika daninin'ny 36 degre hanoherana ny fanarahamaso 360 degre

Mihetsiketsika ! Ny Fahafahana fa tsy ny dobo.

Hetsika manohitra ACTA: -14°C
Hetsika manohitra PRISM: 39°C

Tahaka ny fahita amin'ny fihetsiketsehana moa dia miteny ihany koa ny fahaiza-mamorona :

Arahiko maso ianareo. (Hala-tahaka am-panesoana ny Big Brother is watching you)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.