Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Jolay, 2013

Tantara tamin'ny Jolay, 2013

29 Jolay 2013

Fandikàna Ireo Hira Pop Ho Amin'ny Teny Inuktitut

Rising Voices

Kelly Fraser, mpianatra sady mpihira Inuit, dia mihira ireo hira malaza taorian'ny namadihany azy ireo ho amin'ny teny Inuktitut. Miantefa any amin'ireo tanora Inuit ny hirany, izay mahita ny tenin'izy ireo tarafina anatin'ireo hira efa fantany, amin'ny alalan'ny fizaràny izany ao amin'ny YouTube sy ny SoundCloud.

VIDEO: Mpanolotra TV Pakistaney Manolotra Zaza Roa ho Valisoa Mandritra Ny Seho Ramadany

Ny fanaovana ny zazakely ho fanomezana ve no hirika hitadiavana laharana ambony, tahaka ny nataon'ilay Televangelisitra Dr. Amir L. Hussain nanolotra zaza roa ho fanomezana nandritra ny volana Ramadany?

28 Jolay 2013

Mijoro Hiaro Ilay Hazo Oak 600 Taona i Serbia

Niteraka fikorontanam-bahoaka ilay drafitr'asa fanafoanana ny saha maitson'i Gezi any Istambul herinandro vitsy lasa izay, efa niatrika ady mitovy amin'izany ny vahoaka Serba. Nisy tetikasa fanamboarana làlambe natao hamonoana ilay hazo oak (chêne) 600 taona tao afovoan'i Serbia, fa taorian'ny andro maro nanaovana hetsika fanoherana dia nilefitra ihany ny governemanta...

Mampiseho Ny Disadisa Misy Eo Amin'Ireo Tanora Sy Ny Ray aman-dreny Ao Shina Ilay Horonantsary ‘Tiny Times’ Novokarin'ny Blockbuster

Kianin'ireo olon-dehibe ao Shina ilay 'Rendrarendran'ny' Tiny Times, tantaranà tovovavy efatra miaina anaty harena izay mikatsaka fatratra ny fitiavana sy ny fahombiazana.

Jamaikana Mpanao Atletisma Voalaza Ho Nihinam-panafody Fampatanjahana : Meloka sa Tsia ?

Taitra be ireo mpitia fanatanjahantena manerana an'i Karaiba tamin'ny fandrenesana ilay vaovao izay nilaza fa maro amin'ireo mpihazakazaka Jamaikana no hita tamin'ilay fizahana natao azy ho nandray fanafody voarara, isan'izany ilay tompon-daka erantany Asafa Powell .

Loza Mandindona Ny Amazona Ilay Volavolan-dalàna Vaovao Momba Ny Voly Fary Ao Brezila

Nanokatra varavarana voalohany ho an'ny fambolena fary manodidina ny faritry ny alan'i Amazona sy ny faritra mando manodidina ary ny faritra rakotra bozaka avo i Brezila, ka nahatonga ny tebitebin'ireo mpiaro ny tontolo iainana.

Mpanao Gazety Iray Hafa Nosamborina tao Zambia

GV Mpisolovava

Taorian'ny nisamborana an'i Wilson Pondamali sy nisavan'ny polisy ny tranony, nolazain'ny mpiserasera fa tsy hita idirana intsony ny tranokanam-pampahalalam-baovao mahaleotena Zambian Watchdog ao Zambia.

Enjehan'ny Mpitsara Ireo Vata-miaramila Voampanga Ho Namono Olona Tao Ginea

Nisy indray ny fifamonoana ara-poko tao Ginea. Manao izay ho afany ireo mpitsara mba tsy hiverenan'izany intsony .

Manivana Ny Marina Amin'ny Foronina Ao Amin'ny Tranonkala Miteny Frantsay

"Minia mamoaka vaovao diso ny olona sasany fantatra amin'ny fikatrohany ara-politika." Ao amin'ity lahatsoratra ity isika no hijery ny tetikasam-panamarinam-baovao amin'ny media miteny frantsay.

Vavahady Ampiasan'i Etazonia Hitsikilovana Ny Firenena Amerika Latina i Poerto Riko

Inona no ampamoaka nolazain'i Edward Snowden mikasika ny andraikitry Poerto Riko amin'ny programam-pitsikilovan'ny NSA? Manambara antsika momba izany ny mpanoratra Angel Carrión.