“Nankaiza i Amarildo ?” Fanentanana Manohitra Ny Herisetran'ny Polisy Ao Amin'ireo Favela

Nanenika ny tambajotra sosialy Breziliana ny fanentanana “Nankaiza i Amarildo ?” tarihin'ireo fiaraha-mientana ivondronan'ireo hetsika manohitra ny herisetran'ny polisy ao Brezila. Mitady olona iray ao amin'ny favela ao Rocinha, Rio de Janeiro izy rehetra ireo. Tamin'ny 14 jolay no nahitana azy farany, tamin'izy nalain'ny polisy avy ao amin'ny Vondro-polisy Mpampandry Tany (UPP) ao amin'io fokontany io.

47 taona i Amarildo Dias de Souza, ary teraka tao amin'io faritra Rocinha io izay fantatra fa favela ngeza indrindra manerantany. Raim-pianakaviana manan-janaka 6 izy ary mipetraka anaty trano kely miefitra iray izy mianakavy, izay ao koa ny vadiny, zara raha mivelona amin'ny vola 300 réais (100 euros) isam-bolana izy ireo. Hatramin'ny nangalan'ny polisy azy tao Rio tamin'ny indray Alahady hariva iny dia tsy manan-kohanina ny fianakaviany.

A foto da família do pedreiro na Rocinha virou viral no Facebook com centenas de partilhas na rede.

Sarim-pianakavian'ilay mpandrafitra ao Rocinha, niparitaka be tao amin'ny Facebook ity sary ity ary nozaraina in-jato tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #OndeEstáAmarildo?

Bilaogera manam-pahaizana momba ny fiarovana, Jorge Antonio Barros, nanaitra ny saina momba ny fanentanana tamin'ny fampahatsiahivana hoe :

Como trata-se de um morador pobre de uma favela do Rio, esse caso tem tudo para cair no esquecimento. Felizmente a onda de protestos mantém a comunidade mobilizada.

Miresaka mponina iray mahantra avy any amin'ny favela ao Rio, manana [ny fepetra] rehetra ity tantara ity ho any amin'ny fanadinoana. Soa ihany anefa fa noho ireo fihetsiketseha-panoherana, dia mbola mavitrika ny fokonolona.

Taminà lahatsoratra hafa hoy izy nanampy:

O que é preciso de fato é que seja estabelecido o estado de direito democrático na favela pacificada. A polícia tem que agir por lá como age em áreas nobres da cidade, apesar de no Leblon ter sido um fiasco.

Ny ilaina, raha ny marina, dia ny fametrahana fanjakana tan-dalàna ara-demokratika ao amin'ny favela nalamina. Tokony hiasa tahaka ny ataony ao amin'ireo faritra mahafinaritra ao an-tanàn-dehibe ny polisy, na dia nandamoka tanteraka aza izany tao Leblon.

Nilaza tamin'ny alalan'ireo sary sy hafatra mazava ireo kaonty ahitana hetsika ara-tsosialy mitolona manohitra ny herisetran'ny polisy, tahaka ny Renin'ny kianjan'ny Mey (Naotin'ny mpandika: manondro ireo “vehivavy adala eo amin'ny kianjan'i mey” izay nitaky ny momba ireo zanany nanjavona nandritra ny didy jadona tao Arzantina) sy ny Tambajotram-piarahamonina sy hetsika manohitra ny herisetra fa nisy fiantraikany tsara tao amin'ny Facebook ny hetsika tsy mitsahatra sy ireo fihetsiketseha-piraisankina avy amin'ireo tanàna breziliana tao anatin'izay andro faramparany izay.

Banner na página de Facebook Mães de Maio.

Sora-baventy tao amin'ny pejy Facebookn'ny Mães de Maio. Eo ambony: Te-ahafantatra izao tontolo izao: Eo ambany: Nankaiza i Amarildo ?

 

Moradores da Favela do Moinho em São Paulo demonstrando sua solidariedade.  Foto de: Caio Castor, usada com permissão.

Mponina ao amin'ny favela, Moinho nampiseho nyfiraisankinany. Sary: Caio Castor, nahazoan-dalana.

Nampiseho ny firaisankinany ihany koa ireo mponina ao amin'ny favela Moinho (milina fitotoam-bary lehibe), ao São Paulo, izay niaritra teritery tamin'ny famarotana  ny tany aman-tranony tao São Paulo ary nikarakara hetsi-panoherana.

Niparitaka tao amin'ny Facebook ny fandikàna ny fehezan-teny “Nankaiza i Amarildo” amin'ny fiteny maro, mba hahazoana fanohanana sy fanerena iraisam-pirenena.

Avy amin'ireo firenena maro tahaka an'i Orogoay, Angletera Palestina, Etazonia, Frantsa ary Espaina ny firaisankina. Breziliana iray monina ao Berlin, nandefa mème tao amin'ny aterineto mba hampahafantatra ny hetsika ao amin'ny firenena.

Tamin'ny 18 jolay, mpiangaly rapy MV Bill naneho hevitra tao amin'ny kaonty Twitter-ny :

Manamafy fa tsy misy ifandraisany amin'ireo mpaka an-keriny, efa nilaza ny fianakavian'i AMARILDO fa ny “hahita ny fatin'ny havany fotsiny mba “halevina am-pahamendrehana” no tadiaviny.

Mandritra ny fihetsiketsehana, na eny an-dalambe na aty anaty aterineto – nisy ny fanentanan-tsioka nokarakaraina ny folakandron'ny 24 jolay tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #CadêOAmarildo ary tafiditra tamin'ireo teny ifankafantarana be mpampiasa indrindra tao amin'ny Twitter izany -noraisin'ny governoran'ny fanjakana Rio de Janeiro, Sérgio Cabral ny fianakavian'i Amarildo ary nampanantena izy fa “hanetsika ny governemanta” mba hahitana an'i Amarildo.

Nampidirina tao amin'ny programa fiarovana ireo vavolombelona ny fianakavian'i Amarildo tamin'ny 24 jolay, fanapaha-kevitra notsikerain’ilay depiote Marcelo Freixo tao amin'ny kaonty Facebook-ny raha mijery ny lisitry ny mbola miandry lavabe tsy maintsy andalovan'ny vavolombelona raha amin'ny fotoana tsotra raha te-ho tafiditra ao. Nanambara ny vadin'i Amarildo, Elisabeth Gomes da Silva fa “diso fanantenana” izy taorian'ny fihaonana tamin'ny governora, ary tsy nisy ny vahaolana mivaingana hitadiavana an'i Amarildo.

Nanararaotra ny fahatongavan'ny papa François tao Rio de Janeiro nandritra ny Andro Iraisam-pirenen'ny Tanora ny vondrona mpikatroka iray nandefa hafatra ho an'ny Papa teo amin'n rindrina anoloan'ny tranobe iray tao afovoan-tanàna. Nanoratra tao amin'ny Twitter ny mpanao gazety Bolívar Torres (@bolivartorres) nandritra ny fitsidihan'ny papa tao amin'ny favela tao Rio tamin'ny 25 jolay:

Mpitati-bavao iray nilaza fa “nanao kabary politika mahery vaika” ny papa. Sady tsy mahery izy no tsy politika raha tsy miresaka momba ny #cadeoamarildo

Gianlluca Simi, taminà lahatsoratra tao amin'ny O Viés, nilaza hoe:

Não há novidades sobre o paradeiro de Amarildo. O seu caso é frequentemente divulgado em redes sociais e a pressão para esclarecê-lo tem aumentado por todo o Brasil. Sabemos, pela dedilhar do dia-a-dia, que as providências prometidas pelas autoridades não vão necessariamente se tornar realidade. Isso, no entanto, pouco tem a ver com o descrédito às instituições do país em si. Tem muito mais a ver com a mentalidade que cerca o desaparecimento de um negro, pobre e favelado. São dois cenários que, infelizmente, já não nos assustam mais: a polícia que aterroriza e o favelado (suposto criminoso) que desaparece.

Tsy ahenoam-baovao mikasika ny toerana mety ahitana an'i Amarildo. Miverimberina ao amin'ny tambajotra sosialy ny tantarany ary mihamafy ny fanerena hahalalana ny marina momba ity raharaha ity manerana an'i Brezila. Fantatray, tamin'ny alalan'ny zava-niainanay, fa mahàlana ny fananterahana ireo fampanantenana ataon'ireo manam-pahefana. Na dia izany aza dia tsy misy ny fifandraisany amin'ny tsy fitokisana ireo andrim-panjakana manozongozona ny firenena ankehitriny. Lehibe kokoa ny fifankatiavana amin'ny fomba fisainana manodidina ny fahaverezan'ity olona mainty, mahantra sady mponina ao amin'ny favela ity. Izany indrindra no tantara izay, indrisy fa tsy mahagaga antsika intsony: ny polisy mampihorohoro sy ny mponin'ny favela (heverina ho jiolahy) manjavona.

Niara-nanatontosa ny lahatsoratra i Raphael Tsavkko Garcia.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.