- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brunei : Fandraràna Ny Tsy Miozolomana Hisakafo Andro Mazava Amina Hotely Miozolomana

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

Namoaka didy [1] mandràra ireo tsy-Miozolomana tsy hisakafo eny amin'ny tranom-pisakafoanana sy zaimaikan'ireo [fastfood] Miozolomana mandritra ny andro amin'ny volana masina Ramadany ny Filankevi-pivavahana Islamika ao Brunei (MUIB). Ny hanehoana fanajana amin'ireo Miozolomana izay mifady hanina mandritra ny andro no anton'izany fitsipika vaovao izany. Maro an'isa ny Miozolomana ao Brunei.

Nilazàna ireo tsy-Miozolomana mba haka ny sakafony ary hihinana izany any amin-toeran-kafa. Mihatra amin'ireo vahiny sy mpizaha-tany koa ny fandràrana.

Maro ireo olona no gaga tamin'ity fitsipika ity satria efa hifarana tsy ho ela ny Ramadany. Misy amin'ireo tomponà tranom-pisakafoanana [2] no tsy mahalala akory ity fitsipika vaovao ity. Namoaka ity fanambarana ity ny KFC Brunei [3] mba hilazana amin'ireo mpanjifa momba ny fandrindrana ny fomba fiasany manoloana ny fitsipika avy amin'ny MUIB:

With respect to the new directive from the Brunei Islamic Religious Council (MUIB), only Takeaway, Delivery and Drive Thru services will be available during the fasting period of the Ramadhan month. Our operating hours remain the same

Ho fanajana ny fitsipika vaovao navoakan'ny Filankevi-pivavahana Islamika ao Brunei (MUIB), ny tolotra fitondrana sakafo mody, ny fanateran-tsakafo ihany no misy mandritra ny andro fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany. Tsy miova kosa ny ora fisokafanay.

Brunei restaurant. Photo from Flickr of Reeda. CC License [4]

Tranom-pisakafoanana ao Brunei. Sarin'i Reeda tao amin'ny Flickr. CC License

Namaly [5] am-pihenjanana ireo mpiserasera. Tao amin'ny Instagram, @maurina [6] nanasokajy ity fitsipika vaovao ity ho hadalana tanteraka:

This is the silliest directive ever! Somehow I don't think the world have to stop just because we're fasting. Fasting in Ramadhan is an awesome time between me and my beautiful God. It has nothing to do with non-Muslims eating in restaurants? Sorry MUIB! This is a #fail. Lets stay positive and be a more tolerant society!

Ity no fanapaha-kevitra feno hadalana indrindra! Indraindray, tsy mino aho fa tsy maintsy miato izao tontolo izao satria mifady hanina isika. Fotoana mahafinaritra eo amiko sy ny Andriamanitro ny fifadian-kanina amin'ny Ramadany. Tsy misy idiran'ny tsy-Miozolomana misakafo eny amin'ny hotely izany? Miala tsiny amin'ny MUIB!  #tsyfahombiazana ity. Mba lafin-javatra tsara jerena ary mbà fiarahamonina mahazaka kokoa!

@alingms [7] nizara fanehoan-kevitra tahaka izany ihany koa:

@maurina omg! Too much eh! Even non muslims cant eat? They might as well force each and every non muslim to convert! Why cant they respect other religion as well kan?!!

@maurina omg! Tafahoatra loatra! Na dia ny tsy-Miozolomana aza tsy mahazo misakafo? Mety afa-manery ny tsy-miozolomana tsirairay hiova izy ireo! Maninona no tsy afa-manaja ireo foto-pinoana hafa izy ireo?!!

@nr_han [8] miahiahy fa sao ho lasa “firenena feno fandraràna tsy mana-pahataperana” i Brunei:

This is so stupid! Did they even think thoroughly of the implications before implementing this rule?? Brunei…Abode of peace. Yeah right. More like, Land of Endless Restrictions!

Hadalana tanteraka izao! Mba nisaintsaina ny voka-dratsin'izao ve izy ireo alohan'ny nampidirana ity fanapaha-kevitra ity?? Brunei…Toeran'ny filaminana. Marina izany. Fa lasa firenena feno fandraràna tsy mana-pahataperana kokoa!

‘Namparefo ny firenena’ ity fanapaha-kevitra ity, araka ny filazan'i @jo8bean [9]:

Agreed, #epicfail @maurina.. If I may be so bold to say that this directive has just ‘weakened a nation’. #tsk

Manaiky, #epicfail [nandamòka] @maurina.. Raha mba afa-nieboebo moa aho fa “mamparefo ny firenena” ity fanapaha-kevitra ity. #tsk

Nilaza i @liza_mohd [10] fa mety mahatonga an'i Brunei ho ‘fiarahamonina miha-tsy mahazaka ny hafa’ ity raha ity:

Inconsiderate towards minorities & it also makes us look like a less tolerant community. Such an unprecedented and absurd move!

Tsy firaharahiana ireo vitsy an'isa & mahatonga antsika mitovy amin'ireo fiarahamonina tsy mahazaka fisian-karazan'olona hafa izao. Fanapaha-kevitra tsy mbola nisy tahaka izany sy hevi-dravina madiorano!

@imanadzmara [11] kosa nampahatsiahy ireo mpiserasera mba hitony satria tsy mandritra ny taona no hampiharina ny fanapaha-kevitra:

It's only for Ramadhan NOT the whole year round and it only affected muslim food operators. Yeah, keep calm. We are still blessed to live in a ‘free’ country, no income tax, free education, free medical and expensive treatments abroad. Why need to jump when the Government do this ‘small’ thing compared to the ‘big’ thing given to us. Take it or leave it

Mandritra ny Ramadany fotsiny ity fa TSY mandritra ny herintaona ary ireo mpandraharaha miozolomana eo amin'ny sehatry ny sakafo ihany no voakasik'izany. Eny, aoka hitony. Mbola voatàhy isika mivelona ao amin'ny firenena “afaka”, tsy misy fandòavan-ketra, fampianarana maimai-poana, fitsaboana maimai-poana nefa lafo dia lafo ny  fitsaboana any ivelany. Nahoana no mivatravatra raha mba manao ity zavatra “kely” ity ny governemanta raha oharina amin'ireo zavatra “goavana” nomeny antsika. Raiso na avelao.

@qhhr [12]kosa mifangaroharo ny fahatsapany manoloana ity fanapaha-kevitra ity:

People, there are loopholes here. In light of what has happened, at least you save a lot of money. Although, the new implemented rule is ridiculous. It could have been done eons ago, we were better off it anyway.

Ry vahoaka, misy zavatra banga eto. Ny zavatra tsara amin'ity fitsipika vaovao ity, mba afa-manangom-bola ianao. Na dia izany aza, mampihomehy ity fitsipika vaovao napetraka ity. Tokony efa natao ela be izany, nilamina foana anefa isika na dia tsy nisy aza izany.

@n_cud [13] nanoratra fa fanompana ireo tsy-Miozolomana izy ity:

Its the fact that this was even thought of in the beginning that is kinda insulting to non muslims, loophole or not.. Where does it end? Closin down of all businesses during prayer times everyday? seems like we're headed that way

Raha ny marina dia toa karazana fanombohan'ny zavatra maniratsira ireo tsy-miozolomana izy ity, na banga na tsia.. Aiza no hiafarany? Manakatona ireo fandraharahana rehetra mandritra ny fotoam-pivavahana isan'andro? toa tahaka ny mitodika ho amin'izany ny lalantsika an

@kangta164 [14] nilaza fa fitsipika tsy ilaina io:

Personally, I think it's one of the “unnecessary” rule implemented. Fasting is about an individual commitment to resist temptation. To implement such rule that affects businesses is illogical. I personally hate the fact that it segregates “non Muslims” and “Muslims” because it encourages religionism. I do have Muslims friends and I respect the fact that they're fasting so realistically, I won't eat in front of them. But to make it a mandatory rule is pretty much ridiculous.

Amiko manokana, mihevitra aho fa lalàna “tsy ilaina” io. Miresaka adidin'ny tsirairay manohitra ny fakam-panahy ny Fifadia-kanina. Tsy am-pisainana ny mametraka lalàna mampisy fiantraikany amin'ny fandraharahana. Tsy tiako, ho ahy, ny mahita hoe fanavakavahana ny “tsy-Miozolomana” sy ny “Miozolomana” satria mandrisika ny fisaraham-pivavahana izany. Tsy maintsy manana namana Miozolomana aho ary hajaiko ny mahita fa mifady hanina tokoa izy ireo. Tsy hisakafo eo imason'izy ireo aho. Saingy mampihomehy raha atao lalàna tsy maintsy harahina.

Toa tahaka ny mialona amin'ny fahombiazan'ny tranom-pisakafoanana ireo mpitondra manampahefana, hoy i @tiny_lou [15]nanoratra:

Isnt it about resisting temptation? So if the temptations removed. .no resistance required! Seemd over zealous..what next..cut off all water supplies?? What about tourists..expats..non muslims?

Tsy miresaka fanoherana ny fakampanahy ve no antony? Ka raha lasa ny fakampanahy. .tsy mila fanoherana intsony! Toa tahaka ny mialona..inona indray ny manaraka..tapahana ny rano?? Manao ahoana kosa ny amin'ireo mpizahatany..mpiasa vahiny..tsy-miozolomana?