Najanona ny fikarohana ireo mpihanika tendrombohitra Iraniana telo tsy hita nanomboka tamin'ny 21 Jolay 2013 araka ny fanambarana nataon'ny mpitarika ny fikambanan'ny mpihanika tendrombohitra Pakistane ,
Niantso vonjy avy eny an-tehezan-tendrombohitra izy ireo tamin'ny fidinany ny Alakamisy 18 Jolay rehefa avy eny an-tampony, 8.051 metatra (26.414-tongotra).
Nilaza ny harerahany sy ny fahalanian'ny sakafony ny antso vonjin'izy ireo. Nifandray farany tamin'i Iran tamin'ny alalan'ny antso lavitra satelita izy telo lahy ireo ny Sabotsy 20 Jolay. Naparitaka ireo ekipa Pakistane mpamonjy voina hikaroka azy ireo, saingy tsy hita ry zareo
Manana ny antsipirihany momba ny dia nataon'ireo Iraniana teny an-tehezan-tendrombohitra ny bilaogy Altitude Pakistan ary manavao izany avy amin'ny fifandraisana amin'ireo mpihanika hatramin'ny nahatojo olana azy ireo nandritra ny fidinany.