Taitra be ireo mpitia fanatanjahantena manerana an'i Caraïbe tamin'ny fandrenasana ilay vaovao izay nilaza fa maro amin'ireo Jamaikana mpihazakazaka no tratra tamin'ilay fizahana natao azy ireo ho nandray fanafody voarara, isan'izany ilay tompon-daka erantany Asafa Powell sy ilay tompon-daka mpiray tanindrazana aminy Sherone Simpson. Taorian'ireo fitontonan'ny valin'ireo fitiliana natao, dia tsy hisy mpihazakazaka afaka ny handray anjara amin'ilay fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany hatao any Moscou. (Samy nanao fanambarana avokoa ireo atleta roa ireo naneho ny hadisoam-panantenany tamin'ny valin'ilay fitiliana ary nangataka ny fanohanana avy amin'ny daholo be.)
Paul Doyle, ilay mpikarakara an'i Powell sy Simpson, dia nanakiana ilay Kanadiana mpanazatra, Christopher Xuereb, nohon'ny valin'ilay fizahana. Xuereb, izay niasa tao amin'ilay Dokotera mahabe resaka, Anthony Galea, dia nilaza fa mitady olona hosoketaina fotsiny ireo mpihazakazaka ireo – ary maro tamin'ireo mponina anaty aterneto no nanontany tena hoe nahoana no niara-niasa tamin'io mpanazatra vaovao io ireo atleta ireo. Tao amin'ny pejy Facebook Air Jamaica, lasa adihevitra nafana be io lohahevitra io…
Sharon Nelson dia nanontany tena hoe nahoana no tsy mba naneho hamailoana :
Marina ve?? Tsy nisy olona nanana eritreritra ny hisava azy ve ?? Raha iray tamintsika izao no nanao izany, ireo ray aman-drenibentsika namono tena mihitsy mitaky fanadihadiana na dia alohan'ny hieritreretana hanomezana azy ny asa aza!!
Kermani Kome koa dia niahiahy :
Iza koa ny olona mbola nandray indray io lehilahy io, tokony nohamarinina aloha ny lasany talohan'ny nandraisana azy, inona ary no tao an-tsaintsika tamin'ny fotoana nandraisana io lehilahy io, voaroaka izy 3 taona lasa izay nefa isika ity nandray azy indray ho an'ireo atleta, misy zavatra tsy manjary ao amin'io lehilahy io.
Maro tamin'ireo olona naneho hevitra tao no nahatsapa fa toa misy firaisana tsikombakomba hamelezana ireo atleta Jamaikana ao noho ny toerana misy azy ireo eo amin'ny atletisma. Maureen Miles, ohatra, dia tsy nino an'i Asafa Powell hoe hanomboka handray fanafody mampatanjaka tampotampoka eo :
Fitambaranà fialonana ireo atletantsika izany rehetra izany ary ataon'izy ireo avokoa izay rehetra azony atao hanamontsamontsanana ireo atletantsika ireo [sic] tena mpisompatra adala, jereo fotsiny ny olana natrehan'i asafa hatramin'izay, nefa dia tsy mbola nandray zava-mahadomelina izany izy. Manana talenta voajanahary isika…tsy hahasakana antsika izany fandrika izany…Ry Rain'ny mandrakizay o, tantano i Jamaika hiala amin'ireo mpitsetsitra rà ireo…Fitiavana an'i Jamaika manokana, mirehareha amin'ny maha- Jacan
Tao amin'ny Pejy Facebook ho an'ny Fandaharan'asam-bahoaka ao Jamaika “All Angles”, maro tamin'ireo mpaneho hevitra no nilaza fa nofandrihana ireo mpanao atleta ireo, raha toa ireo hafa ka nilaza hoe tokony hizaka ny vokatry ny nataony izy ireo. Koraine Hard-earz Mcgowan dia tsy nino hoe hanao izany fangalaràna izany ireo atleta ireo:
Mihevitra aho fa matoa nampiasa io fanafody io ny atleta dia tsy noho ny fitiavana te hangalatra fa fanarahana ny torohevitra [sic] avy amin'ny olona noheverina fa matihanina, ary tokony hisy fanadihadiana lalina ny amin'izany ka rehefa fantatra fa nofitahana na noterena izy ireo [sic] na ahoana na ahoana dia tokony hiatrika fitsarana heloka bevava [ny olona] nanome azy izany zava-mahadomelina izany na iza na iza.
Terrence Attainable Henry dia nahatsapa fa ny fotoana nanaovana ilay ampamoaka dia nampiahiahy ihany ary be ny zavatra tokony mbola hazavaina :
Tena malahelo tokoa, indrindra fa amin'izao fiavian'ny Amboara Eran-tany izao, rehefa navoaka ny porofo nahitàna fa misy fanafody voarara, dia mbola mino ihany aho [sic] araky ny tranga manokana hita fa indray andro any dia tsy maintsy ho fantatra ny marina raha toa ka [sic] resaka fialonana na fandraisana tsy nahy fanafody voarara no nisy satria fantatro fa tsy mandray fanafody voarara izay hampisy fiantraikany amin'ny vatany izany ireo atletantsika ireo
Theresa Jones koa dia nihevitra fa misy zavatra hafa mihitsy ao ambadik'io tantara io :
Tena tranga mampalahelo tokoa izany, kanefa mino aho fa misy zavatra hafa ankoatran'izay hitantsika maso ao. Ny tetiandro 1, mahatonga ny maro hihevitra fa nokendrena mihitsy (manakaiky loatra ny Fiadiana ny ho Tompon-daka Eran-tany). Toa tsy zava-mora ary tsy dia mazava loatra ! Inona indray izao no hitranga, moa ve mbola haraha-maso akaiky bebe kokoa ihany ireo solon-tenantsika any amin'[ireo] lalao [ireo] ary dia handeha be eo ny sahoan-dresaka ! Tsy mino aho hoe ho adaladala hanao zavatra tsy am-pisainana toa izany ireo Atleta Ngezalahintsika ireo amin'izao toerana misy azy ireo izao, amin'izao fotoana tokony tsy hanaovany antsirambina izao! Indrindra fa raha ny raharahan'i Asafa manokana !
Domonique Jones dia nilaza fa tokony hiezaka be ny manam-pahefana ao an-toerana hiaro ireo Atleta Jamaikana ireo :
Voalaza hatramin'izay fa ny antony iray lehibe ahavitan'i Jamaika zavatra tsara dia satria isika mandray zava-mahadomelina ary heveriko fa nanao ireny tatitra momba ny fizahana nahitàna fanafody voarara ireny izy ireo hahafahany milaza fa mbola manao fanarahamaso hatrany i Jamaika hatramin'izao. Tsy haiko raha mba misy na dia iray aza fa [sic] tokony hisy komity manokana na ny toy izany ahitàna olona manam-pahaizana hiaro ireo mpihazakazaka ato an-toerana satria resy lahatra tanteraka aho fa tsy hinia handray zava-mahadomelina voarara izany [ny] ankamaroan'izy ireo nohon'ny fahafantarany ny mety ho vokatr'izany …
Kaj YsofreshUpsetter Too Cute dia nahatsapa fa be traikefa loatra ireo atleta ireo ka tsy ilainy izany handray fanafody voarara izany :
Heveriko fa efa matotra tanteraka ireo atletantsika ireo ka mahalala tsara ny fanafody tokony ho haniny raha toa ka tsy metimety izy ireo sns… ka mazava be izany nisy fifangaroana hita tamin'ny valin'ilay fizahana na nisy olona nanao zavatra fanahy niniana mba hamandrihana azy tamin'ireo fanafody voarara ireo, satria tsy mampino ny fifanandrifian-javatra nahitàna fa telo tamin'ireo atletantsika no hita fa nandray fanafody voarara…
Mifanohitra amin'izay kosa, i Marvin Adetumbi Campbell dia nilaza fa tsy misy olon-kafa azo omen-tsiny afa-tsy ny atleta tenany ihany:
Ny Jamaikana dia toa manana olana eo amin'ny fanekena ny valin'ny natao. Tsara ho fantatsika fa fandraharahana ny atletisma ary hanao izay rehetra azony atao ny olona sasantsasany hitazonany ny toerana avo misy azy eo amin'ny lalao. Nisy olona nanambana basy an'i Asafa sy Sherone sy nanafotra azy ireo toy ny ondry ve ? Olon-dehibe sady olona manana traikefa izy ireo. Avelao aho haka aina aloha !
Palmx Palmer koa dia niray hevitra taminy:
ndeha aloha hohenoina i Dokotera wright… tompon'andraikitra ireo atleta ireo amin'ny zavatra miditra[s] ao amin'ny [sic] vatany, tsotra toy izany anie io e, tadidio fa tsy misy idiran'ilay mpamatsy mihitsy izany, tsy hoe tsy ara-dalàna ilay fanafody, fa [ireo] atleta no tsy tokony nandray iny fanafody iny…tsotra toy izany anie io… fantatr'izy ireo tsara ny nataony, raha mitelina pilina iray ianao dia [sic] misy dikany izany, ary raha [toa] manampy anao izany dia mazava fa misy zavatra tsy natao ho anao izany ao…aody o…meloka daholo izy rehetra…mikatsaka ambaratonga hafa ambony kokoa