Nanakatsakana ny Parady Voalohany ao Montenegro Ny Mpankahala Pelaka

Niafara tamin'ny herisetra fa tsy tamin'ny fahazakana ny Diabem-Pideraderana mahapelaka voalohany tao Montenegro rehefa nifandona ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana mankahala LGBT tao Budva izay niafara tamin'ny fisamborana, faharatrana ary nony farany tamin'ny fandefasana ireo mpandray anjara tamin'ny diabem-pireharehana tany an-tsambo noho ny tsy fahafahan'ny polisy miantoka ny fiarovana ny lalana afovoan-tanàna handalovan'ny mpandray anjara amin'izany.

Olona tokotokony ho 40 monja no nandray anjara tamin'ny diabem-pireharehana tamin'ny 24 jolay 2013, saingy nisy olona tokotokony ho 2000 no nivorivory amin'ny lalana andalovan'ny parady, Eo ho eo amin'ny 500 no mavitribitrika sy vonona ny hampitsahatra ny hetsika, araka ny voalazan'ny ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Polisy ao Montenegro [sr].

Misy ny sasany, tahaka an'i Mihail Efremov ohatra nilaza ny heviny ara-potoana tamin'izay nitranga nandritra ny parady tao amin'ny fitaovan-tserasera:

Hiakan'ny mpanao fihetsiketsehana “vonoy ny pelaka” rehefa nivadika ho nihanahery setra ny Fireharehana mahapelaka voalohany

— Mihail Efremov (@EfreiMihail) 25 jolay 2013

Raha manana lalàm-pahalalahana tsy mitongilana i Montenegro raha resaka LGBT hatramin'ny 1977, avy eo amin'ny maha-anisan'i Yogoslavia azy taloha, dia tsy ankasitrahan'ny olona eo amin'ny fiarahamonina sy ny fiainana andavanandro ny LGBT sy ireo manana fomba fiainana hafa tsy mahazatra. Tamin'ny Novambra 2012, nanambara ny praiminisitra lefitra Montenegrin Duško Marković fa hihevitra indray ny endrika sasantsasany hanekena araka ny lalàna ny fifanambadian'ny pelaka ny governemanta.

Nilaza ny heviny tamin’ izay nitranga omalin'iny tao Budva, iray amin'ny toerana fandalovan'ny mpizaha tany malaza indrindra amin'ny moron-dranomasina Adriatika, ny mpiserasera ao amin'ny faritra sy manerana izao tontolo izao, sy ny fantsom-pampahalalam-baovao lehibe maro ny ampitson'io. Ny mpisera Twitter Jaz nilaza ny heviny sady namoaka lahatsarin'ny hetsika ao amin'ny Twitter:

Mahasorena tanteraka http://t.co/ewoURfsu2d #SeaSidePride #EqualityForAll #Montenegro

Niantso pretra hanadio am-pivavahana ny toerana nandalovan'ny Diabem-Pireharehana mahapelaka ny tompon'ny cafes ao an-tanàna elan'i Budva. Ilay mpitondra fivavahana izay nanatontosa ny fombafomba, ny mompera Boris Radović, dia nanambara tamin'ny media fa “Tsy paradim-pireharehana iny fa paradim-pahamenarana”, teny izay saiky niteraka fanivaivana sy fanebahan'ny mpiseraseran'ny media sosialy maro, tahaka ny tweet (sioka) avy amin'ny mpisera @talambasakobasa manaraka ity:

hahaha http://t.co/F2nMWC94yZ inona ny fifandraisany amin'ilay Radović [politisiana malaza amin'ny fanambarana mahery vaika] malazalaza noho izy kokoa; Izaho mahita hoe mitovy ny fomba fitenin-dry zareo #Budva #Montenegro #paradacg #seasidepride

— talambasamikobasa (@talambasakobasa) July 25, 2013

Nenad Memić, mpanao gazety sady mpandalina momba ny fiteny avy any Sarajevo ary monina ao Vienna amin'izao fotoana izao, nanohy tao amin'ny Twitter:

Taorian'ny paradin'ny LGBT, nisy pretra iray tao an-toerana ny toerana: “Mivavaka aho hiarovana an'i Montenegro amin'ny faharariana sy ny devoly”.

Ao amin'ny Facebook, amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #Montenegro, no ahitana ny fihetsepon'ny maro izay manameloka ny fanafihana ny parady omalin'iny ary miantso mba hahazakana kokoa ny fiarahamonina LGBT ao Montenegro.

Angamba ny tweet (sioka) avy amin'ny mpanao gazety freelance Alex Hoegberg no mamehy azy tsara indrindra:

Ny vaovao tsara dia nanatontosa ny diabem-pireharehana voalohany i Montenegro. Ny ratsy: ny tangankoron'olona mankahala ny pelaka no nahavory olona in-dimy avy heny noho ny parady

— Alex Hoegberg (@AlexHoegberg) July 25, 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.