Radio Vieques: Hitsaboana Ny Nosy Poerto Rikana Taorian'ny Fizàrana Daroka Baomba

Nahazo ny radiom-piarahamonina voalohany ny monisipaliten'ny nosy Vieques, Poerto Riko, Radio Vieques maridrefy 90.1 [es], izay tetikasa tsy mitady tombontsoa manokana tafatsangana noho ny ezaka nataon'ny mponin'i Vieques, sy ny firaisankinan'ny olona avy ao amin'ny nosy lehibe ao Poerto Riko sy ao Etazonia. Ny Fiarahan'izy reo no nahafahana nampiasa modelim-piaraha-miasa hananganana fitaovana hanan-danja ho an'ny tolona ho amin'ny tontolo iainan'ilay antsoina hoe “Isla Nena”, na “Nosim-Behivavy”.

Niaritra nihoatra ny 60 taona mahery ny nosy Vieques noho ny fampiasana azy ho tobin-tafika an-dranomasina Amerikana sy faritra nanazarana fidarohana baomba. Na dia tratran'ny aretin'ny homamiadana izay tafakatra 31% mihoatra noho ny faritra sisa ao amin'ny firenena [es] aza ny mponin'i Vieques dia mbola notsipahin'i Etazonia vao haingana fa tsy misy ifandraisany ny taha ambony amin'ny aretina homamiadana sy ny daroka baomba.

Nilaza izao manaraka izao i Robert Rabin, talen'ny onjam-peo, araka ity notaterin'ny El Post Antillano [es] ity:

Logo de Radio Vieques.

Fango Radio Vieques.

Radio Vieques será una herramienta clave para adelantar las luchas en la región por la descontaminación, la devolución de las tierras, a favor de la salud y por un desarrollo sustentable para nuestra gente y las próximas generaciones. Será también un espacio de comunicación entre la población y las entidades que bien le sirven a ésta.

Fitaovana fototra hampandrosoana ireo tolona ao amin'ny faritra tahaka ny fanadiovana ny loto tavela sy ny famerenana tany, ho fanatsarana ny fahasalamana ary ny fampandrosoana maharitra ho an'ny vahoaka sy ny taranaka any aoriana ny Radio Viesques. Sehatra hifaneraseran'ireo olona sy ny fikambanana miara-mikarakara amin'izy ireo ihany koa ny onjam-peo.

Desperdicios dejados por la marina estadounidense en Vieques.

Fako navelan'ny tafika an-dranomasina Amerikana tao Vieques. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'ny Radio Vieques.

Tamin'ny taona 2001, nanome baiko hialàn'ny tafika an-dranomasina ao amin'ny nosy ny Filoha George W. Bush noho ny hetsika goavambe tao Poerto Riko, sy ny fisamborana olona an-jatony avy amin'ny sehatra sosialy sy politika noho ny fandraisan'izy ireo anjara tamin'ny tsy fankatoavan'ny sivily manohitra ny tafika an-dranomasina. Tamin'ny taona 2003,  niala tanteraka ny tafika an-dranomasina ary nakatona ny toby miaramila, saingy lasan'ny Minisiteran'ny Atitany Amerikana ny tany niasan'ny tafika an-dranomasina tamin'izany, ka nijanona teo am-pelatanan'ny governemanta federaly Amerikana. Folo taona taty aoriana, mbola miandry ny governemanta Amerikana handray ny andraikiny amin'ny fanadiovana ny tany feno fako navelan'ny tafika an-dranomasina ny mponin'i Vieques.

Nanjaka tao amin'ny aterineto nandritra ny volana maro ny fanentanana fanangonam-bola hananganana ilay onjam-peo. Nisy ny rakitsary noforonina tamin'ny sehatra fampiasan'ny Artists for Media Diversity (Mpanakanto manohana ny fahamaroan'ny Media), fikambanana natokana hanohana ny radiom-paritra amin'ny alalan'ny famoronana rakitsary virtoaly. Mpanakanto tahaka an'i Willie Nelson sy i Calle 13 no nanao fampisehoana mba hanampy amin'ny fanangonam-bola. Ahitana ny Radio Vieques ihany koa amin'ny Facebook [es] ary niditra tao amin'ny Twitter [es] vao haingana ihany koa izy.

http://youtu.be/jebCdV0ZW84

Mbola nitohy hatramin'ny Asabotsy 20 Jolay lasa teo ny hetsika fanangonam-bola, ka nisy ny radio marathon nampitain'ny Radio Isla maridrefy 1320 AM [es] nanomboka tamin'ny 10:00 maraina hatramin'ny 12:00 alina tao amin'ny radio, ary hatramin'ny 3:00 hariva kosa tao amin'ny aterineto, ora tao Poerto Riko (Atsinanan'i Etazonia).

Fonontsary nopihana avy tamin'ity lahatsary [es] ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.