24 Jolay 2013

Tantara tamin'ny 24 Jolay 2013

MERCOSUR Sy Ny Hoavin'ny Aterineto Any Amerika Latina

GV Mpisolovava  24 Jolay 2013

Ny Zoma lasa teo, namoaka fanambarana hentitra manohitra ny fanaraha-maso goavana ataon'ny governemantan'i Etazonia ny olom-pirenena ao aminy ireo mpitondra ambony ao amin'ny governemantan'i Amerika Latina nandritra ny fihaonana maika nataon'ny MERCOSUR, firaisana ara-toekarena sy ara-diplomatikan'ireo mpitarika any Amerika Atsimo. Manakaiky io fihaonana io, nisy vondron'olona mafana fo, mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony ary Fikambanana tsy miankina avy ao Amerika Latina nanoratra taratasy misokatra [es] ho an'ny MERCOSUR, manasa ireo mpitondra haka ny hevitry ny fiarahamonina sivily mba hananganana politika miaro ny zon'olombelona ao amin'ny faritra

Fisintonana Ny Fahefan'ny Polisy Ao Jamaika ?

  24 Jolay 2013

Ny faran'ny volana May, nohararaotin'i Jamaika ny andro natokana ho an'ny Blaogy na Blog Action Day hiresahana mikasika ny famonoana ho faty tsy araky ny lalàna sy ny herisetran'ny polisy -kanefa ankehitriny, iray amin'ireo blaogera mpikarakara ny Andron'ny Blaogy JA no nanao tatitra mikasika ireo zavatra tsy afaka ataon'ireo polisy noho ilay didim-pitsarana vao nivoaka.