Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Vincent Wijeysingha: Politisianina ao Singapore Nilaza ny Maha-Pelaka Azy

Namoaka hafatra tao amin'ny Facebook ny politisianina avy amin'ny mpanohitra, ny Dr Vincent Wijeysingha, fa pelaka izy, ka izy no mpanao politika voalohany nahasahy niteny ampahibemaso ny maha-pelaka azy ao Singapore. Mpikambana ao amin'ny Antoko Demokraty Singapore izy ary kandidà ho amin'ny solombavambahoaka teo aloha. Tamin'ny hafatra manaraka no nanazavany ny antony namoahany izany:

Coming out is not the toughest bit. Well, eventually it becomes easier and easier as more and more people do. The harder thing is to begin and sustain the long and dedicated work that society needs to overcome the oppression that LGBT people experience everyday.

Tsy ny namoahana azy ity no mafy indrindra. Eny, efa mihamora dia mihamora ny manao azy rehefa mihabetsaka ny olona manao izany. Ny eo ampanombohana ihany no sarotra indrindra sy ny mizaka asa manokana lava dia lava ilain'ny fiaraha-monina handavoana ny famoretana isan'andro iainan'ny LGBT.i

Dr Vincent Wijeysingha. Image from Facebook

Dr Vincent Wijeysingha. Saripika avy amin'ny Facebook

Derain‘i Choo Lip Sin tao amin'ny filazan-kevitra ao amin'ny Facebook ny Dr Vincent:

I now feel Singapore can be the place to grow up and grow old in, in a country bonded by kindness and fairness. You have lifted many dying souls from despair by putting yourselves in their shoes and through the hardships they face everyday.

Mahatsapa aho ankehitriny fa toerana azo itomboana sy hahatrarana antitra i Singapore, firenena feno fahatsora-po sy ny rariny. Nanainga fanahy maro andalam-pahafatesan'ny fahadisoam-panantenana ianao tamin'ny nipetrahanao tamin'ny toerany (nampidiranao ny kirarony) sy niatrika ny zava-tsarotra atrehan'izy ireo andavanandro.

Niarahaba azy ihany koa i Anyhow Hantam:

The reception to this disclosure has generally been very warm with many praising him for ‘coming out’. In fact he went further to state that he doesn't have any ‘gay agenda’. Personally I felt it was a very gutsy decision on his part and congratulated him personally for admitting such a personal issue just in order to silence the critics.

Nafana sy betsaka fiderana azy noho ny fahasahiany nilaza ny momba azy ny nandraisana izany famoahana tsiambaratelo izany. Ny marina dia nanampy izy tamin'ny filazana fa tsy manana ‘programa momba ny pelaka (gay)’. Raha ny hevitro manokana dia mahatsapa aho fa fanapaha-kevitra mila fahasahiana lalina ny nataony ka miarahaba azy manokana aho noho ny fanekeny ny ilazany ny fiainany manokana mba hampangina ny tsikera.

Mirana tamin'ny nandrenesana fa manana politisianina nanambara ho fantatry ny rehefa ho pelaka i simple & gayforward:

Oh wow, we now have an openly gay politician. How amazing is that? This is huge. Needless to say (but saying it anyway), it is incredibly brave of him to do so. He has so much to lose, so much more hardship and obstacles now to face as a consequence, but he did it anyway. Major balls. I hope his family, friends, colleagues, and everyone else who know him personally especially, all rally round him and give him further strength and motivation.

Oaioay, manana politisiana miseho ampahibemaso ho pelaka isika ankehitriny. Moa tsy mahagaga va? henjana izany. Tsy mila lazaina intsony (saingy nolazaina ihany moa), tena fahasahiana avy aminy tokoa ny fanaovana izany. Mety ho maro ny fatiantoka ho azony amin'izany, mbola maro dia maro ny fahasarotana sy ny sakatsakana hatrehina amin'izao fotoana izao vokatr'izany, saingy nataony ihany izany. Goavana e! Manantena aho fa hampahery azy sy hampavitrika azy ny fianakaviany, ny namany ary indrindra ireo rehetra mety ho mahalala azy manokana ary ireo namany rehetra.

Saingy takian'i Barrie ilay tanora politisianina hampiseho raha manana ‘programa momba ny gay (pelaka)’:

I have no problem if there's a gay MP in Parliament. Just like I have no problem if the MP is a Christian, Muslim, Hindu, Buddhist or an atheist. My problem with Dr Wijey is that he is the man the LGBT group is putting up, so that he could introduce unwholesome lifestyles into society through legislation. One of them is the legalizing of underage sex.

Tsy manana olana aho raha misy depiote pelaka, tahaka ny tsy ananako olana raha kristiana, silamo, Haindò, Bodista na tsy mino an'Andriamanitra ny depiote. Ny olako amin'ny Dr Wijey dia izy no lehilahy ho apetraky ny LGBT, ka afa-mampiditra fomba fiaina tsy mahazatra isan-karazany amin'ny alalan'ny fanaovan-dalàna izy. Iray amin'izany ny fanaovana ho ara-dalàna ny firaisana ara-nofon'ny tsy ampy taona.

Nanamarika ny lanjan'ny fiarahamonina LGBT ao Singapore eo amin'ny sehatry ny politika ny The Independent (Ny Fahaleovantena) :

From a political perspective, the change in government attitude reflects the new Singapore reality. The gay community and those who support their cause are generally anti-establishment and as the support for the ruling party at the elections continues to erode, this is a pressure group the establishment cannot afford to ignore

Raha tarafina eo amin'ny tontolo politika, ny fiovam-pihetsika ao amin'ny governemanta no ahafaha-mitaratra ny zavamisin'i Singapore vaovao. Mpanohitra izay eo amin'ny fitondrana ry zareo ao amin'ny fiarahamonina pelaka sy ireo manohana azy amin'ny ankapobeny ary rehefa mihamanify moa ny fanohanana ny antoko mpitondra isaky ny mitohy ny fifidianana, dia vondrona manana tsindriletam-pahefana tsy azon'ny eo amin'ny fitondrana tsinotsinoavina ry zareo.

Ny Masoandro Mamirapiratra ao Singapore mieritreritra fa “double-edged sword” ny filazan-tsiambaratelo nataon'ny Dr Vincent ary nampitandrina fa mety hiantraika amin'ny Antoko Demokraty Singapore amin'ny fifidianana 2016 izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.