Taorian'ny fihonganan'ny filohan'ny mpirahalahy miozolomana Ejipsiana sy ny governemantany, fantatra fa manao famoretana amin'ireo olo-malaza Islamista ao amin'ny firenena ny governemanta Saodiana, anisan'izany ireo mpitarika fivavahana roa manana ny maha azy – Mussen al-Awaji sy Mohamad al-Arefi.
Khaled al-Matrafi, mpiandraikitra ny fahitalavitra Al-Arabiya ao Arabia Saodita, fantatra amin'ny fifandraisany akaiky amin'ny minisitry ny Atitany sy ny fanambarany tsy mazava tsara, nisioka tamin'ny 14 Jolay:
قريب جدا ان شاء الله حلحلة الصواميل.
@Almatrafi: Atsy ho atsy, tsy hisy intsony ny fifandraisana akaiky.
Maro ireo mihevitra fa ireo mpirahalahy miozolomana Saodiana sy olo-mazala Islamista sasantsasany no tiany resahina amin'izany.
Nanomboka izany tamin'ny 17 Jolay tamin'ny fisamborana ilay Islamista reformista fanta-daza, Mussen al-Awaji, sy andro vitsy taty aoriana, niantso ireo Saodiana [ar] hanasonia fitakiana miampanga ny fanonganam-panjakana ao Ejipta izy, sy “hitondra tena toy ny vatana Miozolomana iray ihany.”
Nandritra izany, nisy ny vaovao nivoaka momba ny fandraràna fivezivezena an'i Mohamad al-Arefi, olona tena fanta-daza ary manana fifandraisana akaiky be amin'ireo mpitondra mpirahalahy Miozolomana ejipsiana. Fantatra fa tokony hanatontosa andianà valan-dresaka ao Qatar izy. Ny mpanao gazety Abdelelah al-Qahtani nisioka hoe:
العريفي كان غدا ضيف ملتقى نسائم الخير في قطر ..وأبلغهم الشيخ اليوم بمنعه عن السفر .
@alsaleeh voalaza fa i al-Arefi no vahinin'ny fetiben'ny Vakivakim-pahatsarana . Ary nilaza tamin'izy ireo izy fa tsy afaka ny handeha noho ny fandraràna azy tsy hahazo hivezivezy
Nohamafisin'ireo mpikarakara ny hetsika ny vaovao avy eo:
لأسباب خاصة نوّد إخباركم والإعتذر عن قدوم الدكتور محمد العريفي لمهرجان بشائر الرحمة التي ستقام غداً في مسرح الدراما.
@kataraqatar: Noho ny antony manokana, mampahafantatra anao izahay fa tsy afaka hanatrika ny Fetiben'ny Fampanantenam-pahatsarana hotontosainao rahampitso ao amin'ny trano fanaovana teatra i Dr. Mohamad al-Arefi.
Nandritra izany fotoana izany, manohy misioka ao amin'ny kaontiny i al-Arefi, izay ahitana mpanaraka maherin'ny 5,5 tapitrisa. Nizara sioka iray nalefan'i al-Arefi i al-Matrafi ary nanoratra fanamarihana hafa:
“من ثلاثة ايام ماجاني خبر”.. اكيد في الضيافة
@Almatrafi: Efa telo andro izay mbola tsy naharay vaovao farany aho. Angamba mivahiny ao amin-dry zareo izy.
Vondrona mpikatroka tsy fantatra anarana, e3teqal, nanoratra andianà sioka manazava ny zava-nitranga:
الشيخ العريفي في فلة تابعة للداخلية #السعودية يتواصل من هاتفه مع والديه و أبنائه بشكل مستمر ، يوهمهم أنه في قطر #اعتقال_محمد_العريفي
@e3teqal: Ao amin'ny tranon'ny minisiteran'ny Atitany i Shaikh al-Arefi. Nifandray tamin'ny ray aman-dreniny sy ny zanany izy, ary nilaza tamin'izy ireo fa any Qatar izy.
تعامله وزارة الداخلية معاملة حسنة ، يبررون احتجازه بالمحافظة على أمنه الشخصي خشية اعتداء بعض المصريين عليه #اعتقال_محمد_العريفي
Voakarakan'ny minisiteran'ny Atitany tsara izy. Miady hevitra, mifanazava izy ireo, izay fiarovana manokana ho azy satria matahotra izy ireo sao manafika azy ny Ejipsiana sasany.
المطلوب من الشيخ العريفي حتى يفرج عنه يوم الخميس كتابة بيان لفض اعتصام #رابعة_العدوية
@e3teqal: Ny nangatahan'izy ireo tamin'i Shaikh al-Arefi mikasika ny famotsorana azy amin'ny Alakamisy izao dia ny hanaovany fanambarana miantso ny hampitsaharana ny sit-in ataon'ny [mpomba an'i Morsi] Rabi'a al-‘Adawiyya ao Ejypta
Nitatitra ihany koa ny @e3teqal fa olo-malaza maro hafa no mbola ao anaty lisitra ka hosamborina izy ireo indray andro any.