- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brazila : Manokatra Ivontoeram-panabeazana ho an'ny indizena ny Foko Breziliana iray

Sokajy: Brezila, Fampandrosoana, Fanabeazana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Teratany

[Mankany amina pejy amin'ny teny breziliana avokoa ireo rohy raha tsy voalaza manokana.]

Ela ny ela ka nisokatra ihany ilay ivontoeram-panabeazana iray naorin'ny foko Paiter-Surui  [1][en] any amin'ny faritra breziliana any Amazonia, izay hanome fanofanana arak'asa ireo indizena any amin'ny faritra.

Ny volana Jona 2013 no nanokanana [2]ny Foibe Ara-tsaina momba ny Fanofanana Paiter-Surui izay hanome fanofanana ara-teknika sy arak'asa ho an'ireo Paiter-Surui sy ireo foko hafa teratanin'i Amazonia, ka kendrena manokana amin'izany ny fiarovana ny tontolo iainana. Mialohan'ny fanokanana dia nandefa lahatsary iray ny vondrona tamin'ny volana martsa 2013, manambara ny fisokafana:

Hahazo tombony [2]hanaraka ireo fanofanana mandritra ny roa taona ireo foko any amin'ny faritra, mikasika ny lalàna, ny famoronana asa, ny fitantanana ary ny fanaovana saritany. Hotanterahina isanandro ny fampianarana ary hizara ho fampianarana an-tsoratra sy fampiharana izany. Na dia ho voafetra aza ireo fisoratana anarana, maminavina ireo Surui fa ho 30 isaky ny kilasy ireo mpianatra ho raisina. Eo ampiandrasana ny fahazoan-dalana ofisialy omen'ny Minisiteran'ny Fampianarana breziliana ny Ivon-toeram-piofanana Paiter-Surui, mba hanombohany ny fampianarana.

Niatrika tolona maro ireo Paiter-Surui hatramin'ny nifandraisany voalohany tamin'ireo vahiny tamin'ny taona 1969. Feno fanamboaran-dàlana ny taniny ary avy eo dia nisy aretina nandripaka ireo mponina, izay nampidina ny isan'ny olona ho 290 raha 5 000 teo aloha, araka ny voalazan'ny lehiben'ny foko izay nanome ny heviny nandritra ny fanandihadiana an-tsary [3]. Vao tsy ela akory, nihetsika ny foko nanoloana ireo fandrahonana fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy fanapahana tsy ara-dalàna ireo hazo any amin'ny taniny.

Manantena izy ireo fa hisy andiana tranobe hatsangana mba ho faritry ny anjerimanontolo ho an'ny foko Paiter-Surui any Brezila, tsy manam-paharoa any amin'ny firenena. Araka ny Filoha Narayamoga Almir [2], lehiben'ireo Surui:

Inicialmente os cursos serão destinados apenas para os indígenas, porém já estamos construindo uma Política Pedagógica do Centro, para que esses cursos sejam estendidos para toda a sociedade.

Amin'ny voalohany, dia hatokana ho an'ireo teratany ihany ireo fanofanana, saingy efa andalam-panamboarana ny Ivontoerana Mikasika ny Fepetra Fanabeazana ihany koa izahay, izay handray ireo karazan'olona rehetra ao amin'ny fiaraha-monina.

Tamin'ny volana May 2013, nandeha nitsidika ny Anjerimanontolon'ny Foko any Venezoela [4] [en] ireo mpitarika ny vahoaka Surui sy ireo solotenan'ny fikambanana mpiara-miasa, toa ny Ekipa Mpitsinjo ny Amazonia (Equipe de Conservação da Amazônia na ECAM [5], amin'ny teny Portugais) sy ny Fikambanana Mpiaro ny Foko sy ny Tontolo iainana Kanindé, [6] ary nandalina ny fomba hakana tahaka amin'io maodely io ho an'ny fireneny. Ny Anjerimanontolon'ny foko any Venezoela, anjerimanontolom-panjakàna naorina tamin'ny taona 2010, dia mivelatra amina velaran-tany anaty ala mikitroka maherin'ny 2 000 hektara, any atsimon'i Venezoela ary mandray ireo mpianatra [7] [en français] avy amin'ny foko maro isankarazany.

A building of the Paiter-Surui Formation Center in Cacoal, future site of planned indigenous university. (Photo by Rachael Petersen)

Tranoben'ny Ivontoeram-Piofanana Paiter-Surui any Cacoal, faritra hanaovana ny anjerimanontolo vaovaon'ny foko. Sarin'i Rachael Petersen

Nanoratra tao amin'ny vohikalany [8] ny Fikambanana Mpiaro ny Foko sy ny Tontolo iainana:

Já temos muitos indígenas fazendo curso superior nas faculdades e universidades espalhadas pelo Estado, mas com uma universidade indígena vamos fortalecer a relação dos índios com a terra e a natureza, já que o conteúdo vai valorizar a cultura dos indígenas.

Maro ireo olona teratany no manaraka fiofanana any amin'ireo kolejy sy anjerimanontolo manerana ny firenena [Rondônia], saingy amin'ny alalan'ny anjerimanontolon'ny foko, hohamafisinay ny fifandraisan'ireo vahoakan'ny foko sy ny tany ary ny natiora satria hanisy lanja ny kolotsain'izy ireo ny zavatra raiketin'ny fampianarana.

Mety ho fahombiazana iray fanampiny amin'ireo andiana tetikasa manavao [9] ho an'ny fampandrosoana ny Anjerimanontolon'ny Foko. Tarihin'ny filoha Almir Surui, nahasarika ny sain'izao tontolo izao [10] [en] ireo vahoaka Paiter-Surui tamin'ny laminasa fandrindrana maharitra 50 taona ho an'ny fampandrosoana maharitra ny vahoakany sy ny harena voajanahary. Mifototra amin'ny fomba hivarotana ireo sandam-bola karbona  [11][pdf] ny drafitr'asa, amin'ny fisorohana ny doro ala, ka hamatsiana indray ny fiaraha-monina ny vola azo amin'izany. Ny volana Jona 2013, ry zareo no foko teratany voalohany nahazo ny fankatoavana [12] [en] ho an'ny tetikasany karbona mifandraika amin'ireo fenitra roa vaovao eo amin'ny tsenan'ny karbona.

Ity lahatsary manaraka ity dia manazava ny antony niarahany niasa tamin'ny Google Earth [13] [en] sy fikambanana hafa mba hampiasana ny teknolojia raitra amin'ny fijerena amin'ny saritany ny famotehana ala eo amin'ny taniny. Azo atao ihany koa ny misintona sary ara-kolotsaina iray [14] an'ireo tanin'ny Paiter-Surui jerena amin'ny Google Earth.

Manantena izy ireo fa hanampy ny vahoaka teratany ity anjerimanontolo vaovao ity mba hifandraisana indray amin'ireo soatoavina nentin-drazana sy amin'ny tanindrazany. Raha te-hifandray amin'ireo Surui, dia afaka mankafy ny pejy Facebook [15] an'ny Associação Metareilá na mijery ny bilaoginy [16].