Vehivavy Mpanohana an'i Morsi Maty Nisy Namono Tao Mansoura

Farafahakeliny vehivavy telo no maty tany Mansoura raha notafihan'andian-“jiolahimboto” halina ny fihetsiketsehana iray ho fanohanana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi. Ampolony ihany koa no voatatitra ho naratran'ny tifi-basy sy tsindron'antsy.

Mihoraka ny bilaogera Ejipsiana Zeinobia:

Oadray lety e! vehivavy 37 taona sy zazavavy 13 taona mpanohana an'i Morsi no maty tao Mansoura

Ary nanampy i @egyrevolution12 [ar]:

Manomboka aorian'ny vavaka ny fihetsiketsehan'ny Ikhwan ao Mansoura ary vehivavy araka ny fahita mahazatra ny atsasaky ry zareo. Fianakaviana manontolo/ Tsy azo leferina ny fanafihana azy ireo.

Tohina amin'ireo mahita avaly amin'ny famonoana vehivavy i Ibrahim Elgarhi. Nanoratra izy:

Aleo amidy ny soatoavintsika dia mangina amin'ny famonoam-behivavy. Andao hanao zavatra tsy mifanaraka amin'ny feon'ny fieritreretantsika ary hiteny hoe fa inona no andehanan'ireny (vehivavy ireny) any (amin'ny fihetsiketsehana).

Tamin'ny 30 Jona, nidina an-dalambe ny Ejipsiana hitaky ny hialan'ny filoha Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana (MB). Tamin'ny 3 Jolay, tapaka hatreo ny fitondrana nandritra ny herintaona an'i Morsi ary fitondrana vonjimaika no mitondra any Ejipta amin'izao fotoana izao. Nanomboka hatreo ny mpanohana an'i Morsi no nanao fihetsiketseha-panoherana ary mitaky ny hiverenany eo amin'ny fitondrana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.