“Bitsika-Adihevitra” Mikasika Ny Lafitsara Sy Lafiratsin'ny Fanaovan-gazetin'olon-tsotra

Nikarakara adihevitra mikasika ny filazam-baovaon'olon-tsotra tao amin'ny Twitter ny Press Association of Madrid (APM) na ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Madrid tamin'ilay ” Bitsika-Adihevitra” fahatelo nokarakarainy amin'ilay #Tuitsyperiodigno (#Tweetsanddignifiedjournalism) naroson'io fikambanana io ny volana Febroary 2013 ary ny tanjona amin'izany dia ny hiresahana ireo endrika maro isehoan'ny asa fanaovan-gazety.

Tamin'ny alalan'io kaontiny io, @apmadrid [es], no nandefa fanontaniana maro tamin'ilay tenifototra #pciudadano [es] (#citizenjournalism) ilay fikambanana, izay afaka isaintsainan'ny olona sahady. Araky ny efa voafaritra mialoha, ireo Espaniola matianina manokana amin'ny fanaovan-gazety [es] izay ahitàna an'i Felipe Sahagún, Jaime Jiménez, Juan Varela, Juan Ramón Lucas, ary i Pau Llop y Óscar Espiritusanto no nitarika ilay adihevitra ary namaly ny fanahiana sy ny fanamarihana nataon'ny olona . Nisy ireo avy amin'ny filazam-baovao mahazatra ary ireo avy amin'ny filazam-baovaon'olon-tsotra, ka namatsy fomba fijery samy hafa tamin’ izany.

Tena mahaliana ny mpikambana ato amin'ny Global Voices sy ireo mpamaky azy ny lohahevitr'ilay fikaonan-doha hoe “filazam-baovaon'olon-tsotra” sy ny endrika nisehoany. Araka izany, nandray anjara tamin'ilay “Bitsika-Adihevitra” ny mpanoratra ity lahatsoratra ity ary mizara hafatra maro izay notsongainy manokana. (Afaka jerena ato ny momba ilay adihevitra [es]).

Influencia del debate según Tweet-tag.com

Ny olona voasarik'ilay adihevitra araky ny Tweet-tag.com

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Inona no tena ataon'ny filazam-baovaon'olon-tsotra? Ny Lafitsara Sy Lafiratsiny ?

Anatin'ireo zavatra tsara entin'ny filazam-baovaon'olon-tsotra, dia notanisain'ireo mpampiasa aterineto tao ny famoahana ireo tranga sy zava-misy ao an-toerana, ny maha-akaiky sy ny tombotsoan'ny maro amin'ny fikirakiràna ny torohay, famerenana indray ny asan'ny fanoherana ny hevitra raiki-tampisaka [Eng] izay toa efa tsy hitan'ny famoaham-baovao mahazatra intsony, raha eo koa ireo nilaza tetsy an-kilany fa tokony, araky ny fahitan'izy ireo azy, hojeren'ireo mpanao gazety matianina ny tsy fahampian'ny fahamatorana, ny fametrahana azy ireny anaty vanim-potoana, ny halaliny sy ny fifanoheran'ny hevitra ao, eny fa na dia manampy be tokoa aza ny torohay avoakan'ireo filazam-baovaon'olon-tsotra. Nisy tamin'ireo mpandray anjara mihitsy aza no nametraka fanontaniana ny amin'ilay fiteny hoe “filazam-baovaon'olon-tsotra” ary nisafidy ny hiantso azy io hoe “fiaraha-miasan'ny olom-pirenena.

?@espiritusanto: La info ciudadana, a veces, es mas honesta que la de los periodistas y medios censurados o afines al régimen #pciudadano @globalvoices

@espiritusanto : Matetika dia milaza ny marina kokoa ny torohain'ny olon-tsotra raha oharina amin’ ireo mpanao gazety sy filazam-baovao voasivana na koa ireo izay mifandray amin'ny fitondrana#pciudadano (#citizenj) @globalvoices

?@desplazados_org: @aprensamadrid. Desventaja: el espejismo de que cualquiera es periodista, la mejor excusa para prescindir de profesionales #pciudadano

desplazados.org: @aprensamadrid. Lafiratsiny : ny fiheverana fa mpanao gazety ny olona iray, izay fialan-tsiny mety indrindra tsy hakàna ireo matianina #pciudadano (#citizenj)

?@periodistas21: @aprensamadrid#pciudadano El periodismo es más rico cuanto más refleja la ciudadanía. Integrarla es una herramienta de gran valor

@periodistas21:@aprensamadrid#pciudadano (#citizenj) Araky ny mahabetsaka ny olon-tsotra misaintsaina no mampanan-karena ny asa fanaovan-gazety. Tena fitaovana iray manan-danja lehibe ny firotsahan'ny olon-tsotra an-tsehatra.

?@julioelpoeta: @XoseMartin No estar ahí, no echar fotos, no contarlo en ningún sitio tampoco. El periodismo deja muchos huecos a los que #pciudadano llega!
@julioelpoeta: @XoseMartin Amin'ny tsy fanatrehany eo, tsy fakàna sary, tsy firesahana ilay izy n'aiza n'aiza. Mamela banga marobe ny fanovan-gazety ary ny pciudadano (#citizenj) no mameno azy!

Moa ve atahorana hamono ny filazam-baovao mahazatra ny fisian'ny filazam-baovao iaraha-miasa amin'ny olon-tsotra ?

Ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra izay nanaja io lohahevitra io dia nilaza fa mifameno ny filazam-baovao mahazatra sy ny filazam-baovaon'olon-tsotra, ary afaka sy tokony hahay hiara hiasa tsara. Ao anatin'izany, maro ireo bitsika isan-karazany nanolo-kevitra ny mpanao gazety mba tsy hanalavitra ny olon-tsotra fa hihevitra azy ireo hatrany ao an-tsainy. Ho fananingoana io adihevitra io dia nisy ny lohahevitra hoe “Ireo fomba hahafahan'ny filazam-baovao mahazatra miara-miasa amin'ny filazam-baovaon'olon-tsotra” [es]. Ireto manaraka ireto ny famintinana sasantsasany :

?@BernaldoBarrena: @aprensamadrid El #pciudadano tiene sus ventajas, pero no es rival con los grandes reportajes de investigación. Amenazará los ‘malos’ medios.
@BernaldoBarrena : @aprensamadrid  manana ny lafitsarany ny #pciudadano (#citizenj) fa kosa tsy mpifaninana amin'ireo asa fanadihadiana goavam-be io. Fa hampitahotra ireo fanaovan-gazety ‘ratsy’ fotsiny ihany.
@elcontemplador: @CesarBritoGlez Cuando los MCS [medios de comunicación] se convirtieron en contenedores de intereses y publicidad pagada y encubierta el periodismo murió #pciudadano
@elcontemplador : @CesarBritoGlez Rehefa tonga ny fotoana maha mpifaninana ny [media] MCS amin'ny resaka tombontsoa sy doka andoavam-bola, amin'izay no hahafaty ny fanaovan-gazety #pciudadano (#citizenj)
?@dmartinezpr: .@aprensamadrid el mal periodismo es una amenaza para los ciudadanos y no al revés #pciudadano
?@dmartinezpr :.@aprensamadrid ny fanaovan-gazety ratsy no atahorana hamono ny olom-pirenena fa tsy ny mifanohitra amin'izany #pciudadano (#citizenj)
@paullop27: @aprensamadrid Si #pciudadano es 1 amenza para los medios tradicionales, entonces los medios tradicionales serían 1 amenaza para el ciudadano
@paullop: @aprensamadrid Raha lazaina fa mampitahotra ny filazam-baovao mahazatra ny #pciudadano (#citizenj),  ny filazam-baovao mahazatra indray izany no loza mitatao ho an'ny olon-tsotra

Moa ve loza mitatao ho an'ny asan'ireo mpanao gazety ny filazam-baovaon'olon-tsotra?

Nahatonga adihevitra hafa mikasika ny anton'ny olana misy eo amin'ny fanaovan-gazety, ny fiovàn'ny modelin'ny filazam-baovao ankehitriny, ary ny mety hisian'ny modely vaovao hafa indray io fanontaniana io. Na dia izany aza, nisy ny olona namaly ilay fanontaniana tamin'ny fomba mivantambatana sy hentitra :

@MosaicoMercurio: @aprensamadrid. No más que los dueños de los medios. #pciudadano
?@MosaicoMercurio : @aprensamadrid. Tsy misy toa ireo tompon'ny serasera. #pciudadano (#citizenj)
@periodistas21:.@aprensamadrid Crisis del periodismo no llega del #pciudadano sino del deterioro profesional, cambio negocio, mercado, tecno y redundancia
@periodistas21:.@aprensamadrid Tsy avy amin'ny #pciudadano (#citizenj) ny olana misy eo amin'ny fanaovan-gazety fa avy amin'ny faharatsian'io asa io, ny fiovan'ny fandraharahana, ny tsena, ny teknolojia sy ny fiverimberenan-javatra.

Moa ve ny filazam-baovao iaraha-miasa amin'ny olon-tsotra ihany no henoin'ny olona ?

Tsy misy valinteny niraisana teto fa fifanankalozana fomba fijery tsymitovy no nisy, ary niverina indray ny adihevitra mikasika ny famoahana torohay hentitra sy ny famaritana ny teny hoe fanaovan-gazetin'olon-tsotra : Anatin'ireo mpanohana :

@JuanraLucas: @aprensamadrid #pciudadano Creo que si, siempre que sea la fuente, pero sean profesionales quienes contextualicen las noticias
?@JuanraLucas: @aprensamadrid #pciudadano Mino aho fa tena izay no izy, tokony ho loharanom-baovao hatrany io, kanefa tokony hisy matianina hametraka izay vaovao mivoaka izay ho ao anatin'ny vanim-potoana.
?@matthewbennett: Fijaos lo que digo: incluso se podría montar una buena plataforma de #pciudadano que acabe haciendo mejor periodismo que muchos medios.
?@matthewbennett: Henoy kely ny zavatra lazaiko : mety ho azo atao ny manangana sehatra iray tsara ho an'ny #pciudadano (#citizenj) izay hiafara amin'ny fanaovan-gazety tsara indrindra noho ny media maro.

Voatonona ireo tetikasa miasa miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'olon-tsotra toy ny Global Voices, Periodismo Ciudadano [es] sy ny Journalism 21 [es] ho toy ny ohatra tao amin'ireo fifanakalozan-dresaka tao amin'ny Twitter, ho fanampin'ireo lahatsoratra, ireo lahatsarinà [es] fihaonambe, ary ohatra mivaingana[es] izay mariky ny fahombiazana.

?@espiritusanto: p.e @globalvoices es un proyecto de medios ciudadanos informando […] desde lugares ignorados por las cabeceras tradicionales #pciudadano
Participantes

Ireo mpandray anjara tamin'ilay bitsika-adihevitra. Loharano : Tweet-Tag.com

@espiritusanto: izany hoe, ny @globalvoices dia tetikasa iray filazam-baovaon'olon-tsotra  mamatsy torohay[…] avy any amin'ireo toerana lavitra andriana tsinontsinoavin'ireo loharanom-baovao nentim-paharazana mahazatra #pciudadano (#citizenj)

Sehatra iray miha mivelatra be hatrany io endrika adihevitra anaty aterineto io. Sehatra malalaka ahafahan'ny rehetra mizara ny heviny sy mifanakalo hevitra aminà olana maro. Noho ny fitaovan-tserasera vao noforonina toy ny Storify na Tweet-Tag.com, miely amin'ny olona maro ireo hafatra nalefa tanatin'ireo karazan-tserasera ireo. Ny fitaovana tahaka itony dia afaka hijerena izay nandray anjara tamin'ilay fifanakalozana, hoe impiry, hijerena ny fielezan'ny hafatra, ny tenifototra, ary ny mombamomba ireo mpandray anjara.

Iray amin'ireo tombotsoa azo avy amin'ny adihevitra anaty aterineto ny fahafahan'ny olona marobe maneho ny heviny aminà lohahevitra iray, mampifandray azy ireo amin'ny manam-pahaizana manokana izay tsy afaka ny hifanerasera amin'izy ireo amin'ny fomba hafa andavanandro, hahafahana manohana hevitra iray izay tohanana aminà kisary sy tohana haino aman-jery, ary mandresy ny sakana misy apetraky ny fotoana sy ny toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.