Taorian'ny fisian'ny fatiantoka 4,4 lavitrisa dolara, nanambara ny governemanta any Tailandy fa mihena ny famatsiam-bola ho an'ny vary izay nomeny ireo mpamboly efatra tapitrisa. Laminasa naroso tamin'ny 2011 taorian'ny nandresen'ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra tamin'ny fifidianana, izay hividianan'ny governemanta amin'ny vidiny lafo ireo voka-barin'ny mpamboly mialohan'ny hivarotany azy eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Natao mba hampitomboana ny tahirin'ireo mpamboly izany tetikasa izany.
Tao anatin'ny dimampolo taona, i Tailandy no firenena mpanondrana vary betsaka indrindra eran-tany, saingy nanjary nihoaran'i Inde sy Vietnam izy taona vitsivitsy lasa izay. Manameloka ny tetikasa fitsinjovana ny voka-bary ho niteraka ireo fatiantoka goavana ara-bola teo amin'ny sehatry ny fambolem-bary ireo mpitsikera.
Manamafy i Veera Prateepchaikul fa tsy mari-pototra hatrany amboalohany ny tetikasa:
Hatramin'ny andro voalohany, voatsikera ho tsy mari-pototra ny tetikasa fitsinjovana ny voka-bary. Ny naha-maika azy voalohany dia ny hisarihana ireo mpamboly mba hifidy azy, ka ny hany tombony azon'ireo mpamboly dia ny maha-laharana faharoa azy eo amin'ny laharam-pahamehana.

Mpamboly any Tailandy nandritra ny fihetsiketsehana teo amin'ny Lapam-panjakàna. Sarin'i Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix (6/25/2013)
Milaza ny lahatsoratra iray tao amin'ny Asia Sentinel fa ireo mpanelanelana sy ireo mpivaro-bary no mahazo tombony fa tsy ireo mpamboly mahantra:
Mampametra-panontaniana ihany koa ny hoe inona ny tombony entin'io tetikasa io ho an'ireo mpamboly, hoy ireo loharanom-baovao hafa. Na dia tsy azo lavina aza fa mahazo tombony amin'ny halafon'ny vidim-bokatra ireo mpamboly, ireo mpanelanelana hatrany no mahazo betsaka indrindra mandritra ny fotoana maharitra.
Milaza i Peter Warr fa fepetra mikendry ny vahoaka any Tailandy io famatsiam-bola ho an'ny vary io:
Ireo fepetra mikendry ny vahoaka ireo dia mikendry tombontsoa ara-politika amin'ny fe-potoana fohy ho an'ny governemanta, amin'ny alalan'ny fakàna vato, ary tombontsoa ara-toekarena ho an'ireo sehatra nosafidiana manokana, tsy misy fijerena izay hitady ireo vahaolana maharitra mikasika ireo olan'ny firenena.
Io tetikasa vaovao io dia manalavitra ireo tanjona fividianam-bary teo aloha nohon'ny vidiny midangana, ary koa noho izy tsy mahavita mametra ireo vary vidian'ny governemanta.
Manazava izay tsy mety momba io tetikasa io i Vikram Nehru ary manolotra vahaolana:
Ankoatra ny fidangan'ny vidim-bary, olana hafa mikasika ny tetikasa vaovao momba ny voka-bary ny kolikoly. Voatery ireo mpamboly mivarotra amin'ny ireo variny amin'ny mpitoto koba, izay zara raha afaka mampidina ny vidy hividianany izany eny an-tsena amin'ireo mpamokatra, no sady mahazo onitra avy amin'ny governemanta amin'ny tahan'ny fanangonam-bokatra. Tsy mahagaga raha nitombo ny isan'ireo fitotoan-koba nandritra ny taona farany teo.
Tokony hiverina amin'ny fomba izay nampiasainy talohan'ny taona 2006 i Tailandy, izay nanome antoka ireo mpamboly ny vidiny somary latsaka kely mihoatra amin'ny vidiny eny an-tsena.
Saingy resy lahatra ny governemanta fa mahomby io tetikasa io. Manambara izy fa nanome tombony ireo mpamokatra mahantra antapitrisa io tetikasa io:
…97,8 isan-jaton'ireo mpamokatra no nanaiky fa nanampy tamin'ny fanalefahana ireo fahasahirany io tetikasa io na mivantana na an-kolaka, raha toa ka ny 93,7 isan-jato no afa-po tamin'ny tetikasa, ary 85,4 isan-jato no nilaza fa manana tahiry misimisy kokoa.
Mamerina mitsikera i Andrew Spooner fa ireo famatsiam-bola amin'ny fambolena izay nomen'ireo firenena eropeana dia betsaka noho ny famatsiam-bola amin'ny fambolem-bary nomen'i Thailandy:
Ny mahatalanjona amin'izao rehetra izao dia somary kely ny tetikasa fanampiana mikasika ny fividianam-bary ataon'i Tailandy raha toa ka mifandraika amin'ireo vinavinan'ny governemanta ny fatiantoka mitontaly 2 lavitrisa dolara. Any amin'ny Vondrona Eropeana ohatra ny fanampiana mikasika ny fambolena dia mahatratra 75 lavitrisa USD raha toa avy amin'ny famatsiam-bolan'ny governemanta kosa ny 60 isan-jaton'ireo fidiram-bola ara-pambolena rehetra any Korea, Soisa, ary Japana sy Norvezy.
Tsy dia misy mahagaga ny momba ny fanampiana mikasika ny fambolena. Ary ny tetikasa fividianam-bary dia efa naroso tamin'ireo mpifidy nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny taona 2011 ary nazava tamin'izany ny fifidianany mba hanohanana io politika io.
Manao fanamarihana mitovy amin'izany i Terence Chulavachana :
Hatraiza ny fari-piainan'ireo mpamboly any Tailandy? Hatraiza ny fari-piainan'ireo mpamboly any Eropa sy Etazonia? Ny marina dia tena mahantra ireo mpamokatra thailandais raha ampitahaina. Ohatrinona ny famatsiam-bola amin'ny fambolena any Tailandy? Ary ohatrinona ny famatsiam-bola amin'ny fambolena any Eropa sy Etazonia? Ny marina dia ampahany kely amin'ny famatsiam-bola amin'ny fambolena any Eropa sy Etazonia ny famatsiam-bola amin'ny fambolena any Thailandy.
Ka nahoana no be ireo fahatezerana hita tamin'ny famatsiam-bola amin'ny vidim-bary any Tailandy?
Nanohitra avy hatrany ny fampihenana ny famatsiam-bola ireo mpamboly vary ary nilaza fa hanatontosa fihetsiketsehana hafa any Bangkok sy tanàna hafa.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...