- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: FEMEN Mpitolona nitazona fitaovam-piadina tsy nahazoan-dalana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Akon'ny RuNet

Nantsoina hiatrika fitsarana noho ny fiampangana tamin'ny fitazonana fitsifitra ranona dipoavatra ilay mpikatroka FEMEN Toniziana, fantatra amin'ny solon'anarana hoe Amina Tyler, 19 taona, amin'ny 30 mey ho avy izao. Hita amin'ny lohatenin-gazety ao an-toerana sy iraisampirenena i Amina ny Martsa teo rehefa namoaka ny sariny mitanjaka tao amin'ny pejy Facebook izy.

Nizotra nankany Kairouan [1], 184km ny renivohitr'i Tunis, mba hanohitra ny Ansar al-Sharia [Fikambanana Islamista mitaky ny fametrahana ny lalàna silamo ao Tonizia] izay nivoady ny hanaokongresy isan-taona ao i Amina tamin'ny 19 mey. Tsy tontosa izany kongresy izany noho ny fampiharan'ny mpitandro ny filaminana ny fandraran'ny governemanta ny famoriam-bahoaka izay heverinaho “manohintohina ny fiarovana sy ny filaminam-bahoaka”, Na izany aza anefa, dia nanomana fihetsiketsehana nokarakarainy ihany i Amina ary nanoratra an-drindrindra ny voambolana FEMEN teo amin'ny rindrin'ny tokotanim-pasana akaikin'ny moske manan-tantara Mosque an'i Uqba [2]. Niditra an-tsehatra noho izany ny mpitandro ny filaminana ka nampiditra an'i Amina tamin'ny fiaran'ny polisy, rehefa tohina ireo mponina tao an-toerana ka nihiaka taminy hoe “Dégage” [miala].

Tsy araka izay notaterin'ny filazam-baovao maro dia tsy notoriana ho nanao fihetsika “tsy maoton” i Amina. Na izany aza anefa dia mety higadra enim-bolana am-ponja izy noho ny fitazonana tsy nahazoan-dalana ilay fitsifitra ranona dipoavatra. Nanamarika ihany koa moa ny bolongana efa nahazo loka Nawaat [3] fa tsy nampangaina tamin'ny “faniratsiràna fasana” ity tovovavy ity hatreto, fiampangana izay mety hahatonga fitazonana am-ponja hatramin'ny roa taona araka ny lalàna famaizana toniziana.

Nitatitra [4] [fr] izany ity mpanao gazety Frantsay Perrine Massy mipetraka any Tunis ity:

Amina sera jugée le 30 mai pour détention sans autorisation d’une bombe de gaz paralysant. L’objet, selon l’un de ses avocats, Me Souheib Bahri, a été retrouvé dans le sac à dos de la jeune fille, sans que l’on puisse savoir si elle comptait l’utiliser comme une arme ou pour se défendre…

Quant à une éventuelle « profanation de tombeaux », elle est simplement mentionnée dans le procès verbal, mais n’a pas été prise en considération par le procureur général et ne fait (pour l’instant) pas l’objet de poursuites judiciaires.

Enfin, contrairement à ce qu’on a pu lire parfois, nulle part il n’est fait mention ni d’une atteinte à la pudeur ni d’une détention d’arme blanche par Amina.

Hiatrika fitsarana i Amina noho ny fitazonana fitsifitra tsy ahafaha-mikofoka tsy nahazoana alalana amin'ny 30 Mey. Araka ny nolazain'ny mpisolovavany iray, Atoa Souheib Bahri, dia hita tao amin'ny kitapony fanao am-babenan'ilay tovovavy ilay fitsifitra izay tsy fantatra marina ny hampiasany azy raha ampiasainy ho fitaovam-piadiana io na ho fiarovan-tena.

Raha mikasika ilay “faniratsirana fasana” kosa, dia voasoratra fotsiny tao amin'ny “procès-verbal”, saingy tsy noraisin'ny tonian'ny fampanoavana ary tsy misy fanenjehana araka ny lalàna hatreto.

Farany, tsy araka ny tati-baovao, fa tsy misy filazana fitoriana manao fihetsika tsy maotona na  fitazonana fitaovam-piadina tsy mipoaka natao tamin'ny Amina.

Nahazo sarimihetsika (misy dika an-tsoratra teny anglisy) ahitana ny fihetsiketseha-panoherana tao Kairouan tamin'ny 19 mey niaraka tamin'i Amina ihany koa moa ny Nawaat.