- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voina Nampisongadina Ny Finamanana An-Tserasera Teo Amin'i Romaniana sy ny Montenegrins

Sokajy: Montenegro, Romania, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Voina, Vonjy Voina

Iray amin'ny lozam-pifamoivoizana nampalahelo indrindra tsy mbola nisy tahaka izany tao Montenegro [1] ny tamin'ny 23 jona 2013 nahafatesana Romaniana 18 sy naharatrana 29, rehefa niala teo amin'ny tetezan'i Grlo ka nivarina tamin'ny hantsan'i Morača (canyon) izay manana halalina 40 metatra, izay 30 km avy eo amin'ny renivohitra Montenegrin antsoina hoe Podgorica ny bus iray feno mpizahantany.

Niely haingana ny vaovao momba ny loza [2], ary noho ny fahatsaram-pon'ny vahoakan'i Montenegro tamin'ireo niharam-boina sy ny fianakaviany, dia niely ihany koa ny hafatra [3] fankasitrahana, fahalalaham-po, firaisankina ary fiderana tao amin'ny tambajotra sosialin'ny firenena roa tonta.

One of the most shared images on social networks related to this tragic event; image courtesy of Lazarica.

Iray amin'ny sary ifampizarana indrindra ao amin'ny tambajotra sosialy mifandraika amin'ity voina ity. Saripika avy amin'i Lazarica.

Tsy ela ny tao amin'ny Facebook fa nisy pejy Facebook roa nitsangana ho fisaorana ny olom-pirenena ao Montenegro noho ny fanampiany sy ny fanohanan'izy ireo. Heniky ny hafatra fisaorana avy amin'ny olom-pirenena Romaniana sy sarin'ireo olom-pirenena Montenegrin nanolo-tanana hanampy taorian'ny voina nampalahelo iny ny pejy Montenegro, Fisaorana Am-Panajana [4] [ro], ahitana mpankasitraka mihoatra ny 5.000 amin'ny fotoana anoratana sy ny Misaotra Anao Montenegro [5] [ro].

Vokatra be ihany koa ny fahatra sy fifampiresahana ahitana fifandraisana sy finamanana tsy misy fitaka ao amin'ny Twitter ao. Lasa toerana iraisana sy mampafana ny fo ao amin'ny Twitter ny hafatra [6] tahaka ny an'i Catalin Iote [7]‘ (@Catalin_IoteR5 [7]) avy ao Romania:

@Catalin_IoteR5 [6]#Montenegro [8] you're the best! We, #Romania [9] are so happy because you are near by us.

#Montenegro ianareo no tsara indrindra, Faly tokoa izahay #Romania satria akaiky anay ianareo.

Mpisera Twitter Eliza [10] (@CronicileElizei [10]) avy ao Romania nanambara [11] ny fankasitrahany ihany koa:

@CronicileElizei [11]: I just wanted to thank to our wonderful friends in #Montenegro [12] that helped our people injured in a bus accident.#Romania [13] is really grateful!

Tiako fotsiny ny misaotra ireo namantsika mampitolagaga ao #Montenegro izay nanampy ny vahoakantsika naratra tamin'ny  bus iray tratran'ny lozam-pifamoivoizana. Feno fankasitrahana tokoa i #Romania!

Nampiseho mari-panajana, [14] tahaka ny maro hafa, sy nanavao ny fitokisany ny fifanampiana mahaolombelona any amin'iny faritra iny i Evelina [15] (@MissEveBaroiu [15]) avy ao Bucharest:

@MissEveBaroiu [14]: Respect Montenegro! Thank you for showing us that,regardless of race, nationality and language,we all are human beings! #Montenegro [12] #Romania [13]

Manaja ry Montenegro! mankasitraka tamin'ny fanehoana taminay fa, tsy nijerena foko, firenena ary fiteny, olombelona daholo isika rehetra!

Namaly ny fahatsapana maha-mpinamana ny mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy, tahaka an'i Klausbites [16] avy any Podgorica izay nampiditra [17] ny iray amin'ny sary nifampizarana indrindra avy any Romania mifandraika amin'ity toe-javatra ity, araka ny hita eto ambany:

Romania, your welcome! #montenegro [12] #romania [13]

Romania, tsy misy isaorana (tonga soa!)

One of the most shared images on social networks and blogs from Romania.

Iray amin'ny sary ifampizarana indrindra ao amin'ny tambajotra sosialy sy bilaogy avy any Romania.

Niara-niasa mavikitra ihany koa ny diplomaty sy ny manampahefana teo amin'ny firenena roa tonta teo am-panombohan'ity toe-javatra mampalahelo izay nampifanakaiky ny roa tonta ity, raha notsaboina tao amin'ny hopitaly tao Podgorica tamin'ny voalohany ny sisa tsy maty, izay mpandalo avy Romania mpanao vakansy any Montenegro ny ankamaroany, fa nafindran'ny fitonrana Romaniana ho any Romania avy eo.