Tantara tamin'ny 13 Jolay 2013
Voina Nampisongadina Ny Finamanana An-Tserasera Teo Amin'i Romaniana sy ny Montenegrins
Iray amin'ny lozam-pifamoivoizana nampalahelo indrindra tsy mbola nisy tahaka izany tao Montenegro ny tamin'ny 23 jona 2013 nahafatesana Romaniana 18 sy naharatrana 29. Niely haingana ny vaovao momba ny loza, ary noho ny fahatsaram-pon'ny vahoakan'i Montenegro tamin'ireo niharam-boina sy ny fianakaviany, dia niely ihany koa ny hafatra fankasitrahana, fahalalaham-po, firaisankina ary fiderana tao amin'ny tambajotra sosialin'ny firenena roa tonta.
Mponin'i Jiangmen ao Shina Manohitra Tobim-Panodinana Uranium
Mponina an-jatony maro ao Jiangmen, tanàna iray manakaiky an'i Guangzhou any atsimon'i Shina, no nidina an-dalambe hanohitra ny fanorenana ny tobim-panodinana uranium tamin'ny 12 Jolay 2013.