Raha nandrafitra ny politikan'ny angovo azo avy amin'ny masoandro mifantoka amin'ny fametrahana angovo azo avy amin'ny masoandro ho an'ny tsirairay ny fanjakana Indiana ao Kerala vao haingana, dia noheverina hitondra vaovao mahafaly ho an'ity fanjakana mangetaheta angovo fatratra ity izany.
Saingy tsy ela, voasoketa anaty raharaham-panaovana mahavoaroiroy manampahefana ao amin'ny governemanta ilay tsenan'ny angovo avy amin'ny masoandro ao Kerala.
Tamin'ny fiandohan'ny volana jiona 2013, nosamborina i Saritha S Nair avy ao Vattapara, Chegannur sy ny sipany Biju Radhakrishnan noho ny filazana fa naka vola an-tapitrisa ropia avy amin'ny olo-tsotra rehefa nampanantenaina izy ireo fa hisy fampiasam-bola amin'ny sehatry ny angovo avy amin'ny masoandro sy avy amin'ny rivotra amin'ireo faritra samihafa ao India. Araka ny famerimberin'izy roa, hamokatra herinaratra ny tobim-panangonan'angovo avy amin'ny masoandro sy avy amin'ny rivotra, izay ho amidy amin'ny fanjakana mangetaheta angovo fatratra Tamil Nadu hahazoana tombombarotra eo noho eo.
Naharesy lahatra olona izy roa mba hanampy amin'izany drafitra izany ary nampanantena fa samy ho anisan'ny tompon'ny orinasa ary hahazo tombony manokana amin'izany. Nanangana orinasa tao amin'ny lalana Chittoor ao Kochi, antsoina hoe Team Solar Renewable Energy Solutions i Nair sy Radhakrishnan.
Taorian'ny nisamborana azy ireo, nahatratra ny governemantam-panjakana ny raharaha rehefa noaroahana mpiara miasa maromaro mpanotrona ny Lehiben'ny minisitra Kerala Oommen Chandy rehefa fantatra fa nifampikasoka akaiky tamin'i Vattapara sy Radhakrishnan. Niaiky ny Lehiben'ny Minisitra fa efa nifandray tamin'i Radhakrishnan izy. Saingy nandà ny hametra-pialana izy na die eo aza ny fihetsiketsehana ataon'ireo mpanohitra azy.
Ucilia Wang nanoratra momba izany tao amin'ny bilaogy Tech blog Giga Om:
Ao anivon'izao tabataba izao ny olona roa lazaina fa mpisoloky, Biju Radhakrishnan sy Saritha S. Nair izany, izay voalaza fa nanao lasibatra dokotera maromaro tamin'ny fampanantenan'izy ireo hametraka takelaka mpandray angovo mora vidy. Nalain'izy ireo avy eo ny vola, ary novonoiny ny finday ary tsy hita izy ireo avy eo. Voasambotry ny polisy ihany ry zareo. Fantatra avy eo fa voampanga ho niray petsapetsa tamin'izy ireo ny manampahefana ao Kerala.

Takelak'angovo avy amin'ny masoandro ao amin'ny alan'i Sadhana, Auroville, Tamil Nadu. Sary tao amin'ny Flickr, Premasagar Rose. CC BY-NC 2.0
Bilaogera Nikhil Narayanan (@nikhilnarayanan) nizara vaovao taminà lahatsoratra fa midadasika ny ringy:
@nikhilnarayanan: Voalaza fa voroiroy amin'ny resaka hosoka amin'ny angovo avy amin'ny masoandro i Shalu Menon, mpilalao tantara an-tsarimihetsika mitohy, izay naman'ny zanaka lahin'i @oommen_chandy sy zanaky ny mpiray tampò aminy http://www.deshabhimani.com/newscontent.php?id=313982 …
Superfatman (@geophyraj) nanoratra hoe:
@geophyraj: Governemanta Kerala. Nandroaka mpiasa satria nizara vaovao momba ny hosoka ataon'ny governemanta momba ny angovo azo avy amin'ny masoandr. Ao Shina angaha i Kerala?
Ny tian'i Superfatman lazaina eto dia ny fampananten'ny governemanta Shinoa fa hanafoana ny fandaharan'asa fanampiana ny famatsiambola momba ny angovo avy amin'ny masoandro 2013 noho ny raharahan'hosoka goavana.
Satria ritra haingana ny loharanom-pamatsiana ary nihena ny vokatra. Somary maizimaizina ny angovo ao Kerala. Niaiky izany ny filohan'ny mpanohitra VS Achuthanandan ary nilaza fa na dia eo aza ny raharahan'hosoka momba ny hery avy amin'ny masoandro dia mbola mitoetra fa “levenan-karena goavana ao amin'ny firenena manana olana momba ny herinaratra ny angovo avy amin'ny masoandro”.
Ucilia Wang nanoso-kevitra hoe inona ny lesona azo tsoahina amin'izany raharaha hosoka izany:
Fomba iray lehibe hampiroboroboana ny fampiasana angovo madio ny famatsiam-bola amin'ny fametrahana angovo avy amin'ny masoandro. Porofon'izany ny fitomboan'ireo tsenan'angovo avy amin'ny masoandro ao Eoropa, Etazonia ary Japana. Saingy tokony hasiana didy aman-dalàna hifehy ny karazana fampiasam-bola tahaka itony hampanarahan-dalàna ireo mpametraka [ny milina fanangonan'angovo] sy hiarovana ireo mpanjifa tsy ho tratran'ny fisolokiana.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 45 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...