Fa Maninona i Madagasikara no Tsy Afa-Mametraka Datim-Pifidianana?
Efa-taona izay ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila nidiran'ny firenena tamin'ny krizy politika tamin'ny 2009, tsy mety mahita ny lala-kivoahana i Madagasikara.
Iray amin'ny dingana lehibe voasoratra ao amin'ny tondrozotra [fr], fifanarahana nosoniavin'ny mpitondra ny tetezamita sy ny telo amin'ny antoko mpanohitra efatra eto amin'ny firenena izay manoritra ny lala-kivoahana amin'ny krizy ny fanantanterahana fifidianana malalaka sy mangarahara. Nefa ny datim-pifidianana filoham-pirenena nahemotra amin'ny fotoana manaraka [mg] mbola betsaka kokoa noho ny sidi-piaramanidina mampitohy ny seranam-piaramanidin'i Newark sy Cincinnati.
Tafahitsoka tao anaty krizy hatry ny ela ny firenena ka mahatonga ny mpanara-maso hanontany hoe haharitra hafiriana ny fitondrana tetezamita ankehitriny no hijoro mialoha ny handraisan'ny fitondrana voafidy ny asany. Ho fanombohana, mikorontana tanteraka ny firafitra politika ka nahatonga ny praiminisitra nanambara fa raha ny heviny, dia tsy misy mpitondra fanjakana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.
Fa inona no mampananga-tanana aloha ?
Tamin'ny fotoana farany nametrahana ny firotsaha-kofidiana amin'ny fifidianana, dia 49 ny isan'ny kandidà filoham-pirenena nambara [mg]. Noho ny fanemorana ny datim-pifidianana avy amin'ny volana mey mankany amin'ny volana jolay ka afindra amin'ny fotoana hafa mbola ho faritana amin'ity taona 2013 ity, efa nisy sahady kandidà vitsivitsy nitsoaka an-daharana raha misy telo hafa nangatahan'ny vondrona mpanelanelana iraisampirenena (GIC-M) hanala ny anarany mba hampifanarahana ny raharaha amin'ny tanjon'ny tondrozotra.
Ireo mpanao politika teloheverin'ny GIC-M ho tsy azo ekena ny firotsahany hofidiana dia ny filohan'ny tetezamita ankehitriny, Andry Rajoelina; ny filoha efa nitondra in-droa an'i Madagasikara Didier Ratsiraka, izay efa nanompo ny firenena tamin'ny 1975 ka hatramin'ny 1993 sy nanomboka ny 1997 ka hatramin'ny 2002; ary i Lalao Ravalomanana, vadin'ny filoha voaongana Marc Ravalomanana.
Ny solontenan'ny Vondrona Afrikana Ouedraogo manazava amin'ny vondron'ny mpanelanelana ny fijeriny mifandrindra amin'ny fanajana ny fifidianan'ny Malagasy [fr]:
C’est vrai que ces candidatures ne respectent pas toute la légalité, mais la situation des Malgaches est telle que, après quatre ans de crise, il vaut mieux chercher la solution. Et la solution, nous, nous disons qu’avec une pléthore de candidatures – une pléthore parce qu’il y a 41 candidatures – il suffit de responsabiliser les Malgaches, de leur faire confiance, et ils feront le bon choix pour eux-mêmes
Marina fa tsy manaja manontolo ny ara-dalàna ireo firotsaha-kofidiana ireo, saingy efa efa-taona izay ny krizy niainan'ny Malagasy, ka aleo tadiaviny ny vahaolana. Ary ny vahaolana, isika, isika milaza fa be dia be ny kandidà, betsaka satria miisa 41 ny kandidà, ka aleo ny Malagasy no tompon'andraikitra, aleo omena fitokisana, fa ry zareo ihany no hanao ny safidiny.
Saingy tsy misy hivonona ny hiala ireo kandidà telo ireo. Hita ho nanao fampielezan-kevitra tany andrefan'i Madagasikara i Rajoelina amin'ity sary eto ambany ity izay miafina ao ambadiky ny lanonam-panjakana hanatrika izany (Raha ny ofisialy dia tsy misy ny fampielezan-kevitra rehefa tsy mipetraka ny daty):

Rajoelina manao fampielezan-kevitra any Mahajanga, Madagasikara, Jolay 2013. Sary navoakan'i Patrick Raharimanana ao amin'ny Facebook nahazoana alalana.
Lalao Ravalomanana nanambara tao amin'ny Wall Street Journal fa:
I am running for President, nothing has happened recently to make me change my mind. I am prepared to suffer personal sanctions for my beliefs [..] The outcome all Malagasy citizens want is for an election date to be agreed; nothing more, nothing less. After that it is for the people to decide who they want as their next President. All forty-one candidates should be allowed to present their manifestoes.
Mirotsaka ho filoha aho, tsy misy zava-nitranga tao ho ao hanova ny hevitro. Vonona hizaka ny sazy manokana noho ny finoako aho [..] Ny zavatra tadiavin'ny olompirenena malagasy rehetra dia ny daty ifanarahana hanaovana fifidianana; tsy ampiana, tsy analana. Aorian'izay dia ny vahoaka no manapa-kevitra izay tiany ho filoha manaraka. Tokony avela hanolotra ny vinavinan'asany avokoa ny kandidà rehetra miisa 41.
Ny ambin'ny kandidà, kosa, mandrisika ny fiarahamonim-pirenena malagasy hihetsika sy hanao izay rehetra eo amin'ny fahefany mba hametrahana ny datim-pifidianana indray mandeha sy ho an'ny rehetra. Amin'izany dia nisy fanangona-tsonia navoaka [fr] sy nosoniavin'ny kandidà 21 amin'ny 41 tavela.
I Etazonia ihany koa dia nanambara fa miròna amin'ny fifidianana mampiditra ny kandidà rehetra miisa 41 tanterahina min'ity taona ity ry zareo [fr].
Iza no mahazo tombontsoa amin'ny fanemorana? Ary iza no voa mafy?
Araka ny efa voalaza tany ambonimbony tany, dia manontany tena ny mpanara-maso maro hoe haharitra hafiriana ny fitondrana tetezamita ary ahoana ny fomba hanakatonana ny krizy. Ny azo avoitra dia tsy vonona ny hamotsotra ny fahefana ny eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana, araka izay hita amin'ny fampielezan-kevitra ezahin-dRajoelina. Arakaraky ny tsy isian'ny fiovana no itoeran-dry zareo maharitra eo amin'ny toerany.
Zafy Albert, filoha teo aloha, nanambara fa iray amin'ny sakana fototra ny tafika [fr], ny andry mitana ny toerana voalohany nanampy ny fitondrana ankehitriny hitana ny fahefana :
Zafy confirme que le blocage c'est l'Armée mais que des négociations sont en cours
Nanamafy i Zafy fa ny Tafika no sakana amin'ny fifampiraharahana mandeha amin'izao fotoana.
Mivandravandra ihany ny antony mbola ifikirana maharitra kokoa rehefa nivoaka fampahafantarana an-tsarisary nataon'ny sampan-draharaha OMNIS, sampan-draharaha tantanin'ny fanjakana izay nomena andraikitra handrindra, hampandroso ary hampiroborobo ny loharanon-karena ankibon'ny tany eto Madagasikara:

Loharanon-karena voajanaharin'i Madagasikara sy ireo orinasa mifaninan hahazo azy ireo. Fira navoakan'ny OMNIS ao amin'ny Facebook, nahazoana alalana
Ny sarintany dia mandahatra ny toerana misy harena ankibon'ny tany rehetra eto Madagasikara sy ireo orinasa iraisampirenena izay nanasonia fifanarahana hitrandraka ny harena an-kibon'ny tany ato amin'ny zaratany. Ny tsy fisian'ny mangarahara amin'izay votoatin'ireny fifanarahana ireny no manakana ny olompirenena malagasy tsy hahalala izay tena voasoratra tokoa anaty fifanarahana sy izay mahazo tombontsoa amin'izy ireny. Antony hafa ifikirana mafy amin'ny fahefana ihany koa ny mbola fandehanan'ny bizina ahazoam-bolan'ny fanondranana andramena.
Raha mahazo tombontsoa amin'ny fiitaran'ny tetezamita ny vitsy an'isa, niteraka fahavoazana goavana eo amin'ny olona amin'ny ankapobeny kosa iany. Fanadihadiana vao haingana no nampiseho fa nanaloka krizy ara-piarahamonina sy ara-toekarena mamoha fady ny krizy ara-politika: raha efa iray amin'ny firenena mihazakazaka indrindra ho amin'ny fahantrana i Madagasikara, sivy amin'ny Malagasy folo ankehitriny no mivelona ambanin'ny roa dolara isan'andro. Ny tahirin-kevitra no mampiseho fa niampy efatra tapitrisa ny isan'ny mahantra hatramin'ny 2009 [fr].
Ny lahatsary manaraka avy amin'i Eric Rabemanoro no mamelabelatra ny fiantraikan'ny krizy eo amin'ny tsy fisian'asa, fahefa-mividy ary ny heloka bevava [fr] :
Ny fivoahana amin'ny krizy amin'izao toe-javatra izao dia tsy mijanona intsony amin'ny resaka politika, fa lasa fiavota-tena mba tsy ho faty ho an'ny ankamaroan'ny mponina. Ny fanontaniana avandravandra dia hoe aiza marina moa ny laharam-pahamehana ho an'ny sangany eo amin'ny politik sy ny fiarahamonina iraisampirenena.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Hiresaka koa
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Fantaro i Andriamifidisoa Ny Haja Zo, hitantana ny kaonty Twitter...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
2 hevitra