Al Jazeera Voampanga Ho Mitati-Baovao “Mitongilana” Ao Ejipta

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny pejy manokana Ejipsiana Nanongana an'i Morsi

Nifantohan'ny maso ny Al Jazeera tao Ejipta amin'izay lazain'ny maro fa fitantarana “mitongilana” nataony nandritra sy taorian'ny fanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi tamin'ny 4 jolay. Voampanga ho nifamato-dra tamin'ny Mpirahalahy Miozolomana ka nanao ho mpitondrateniny ity fantsona miorina ao Qatar ity.

Taorian'ny nandroahan'ny Tafika an'i Morsi tamin'ny asany, dia nitsaha-ketrika avy hatrany ny mivantan'ny Al Jazeera tao Ejipta, Al Jazeera Mubasher. Nanambara ny tambajotra hoe:

Al Jazeera's live Egypt service have been taken off air along with several other TV channels.

Reports from our correspondents say this happened during a live broadcast when security forces stormed the building and arrested the presenter, guests and producers.

Nitsahatra niaraka tamin'ny fantso-pahitalavitra hafa maro ny Al Jazeera mivantana avy eto Ejipta.
Ny tatitra avy amin'ireo masoivohonay no nilaza fa nitranga izany nandritra ny fampitana ny mivantana ka nakorontan'ny mpitandro ny filaminana ny trano fanorenana ary nosamboriny ny mpanolotra, ny nasaina ary ny mpamokatra ny fandaharana.

Roa andro taoriana ny mpampanoa lalàna tao afovoan-tanànan'i Kairo namoaka didy fampisamborana ny tale vaovaon'ny fantsona Abdel Fattah Fayed. Voampanga ho “manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahaleman'ny firenena amin'ny alalan'ny famoaham-baovao mamelon'ady (mamelon'afo) i Fayed.” Notazonina roa andro izy ary navotsotra rehefa handoa “onitra”.

Ary androany nisy ny fialana faobe nataon'ny mpiasa miisa 22 ao amin'ny ekipa noho ny filazan'izy ireo ho “fitatera-baovao tsy mifandraika amin'ny zava-mitranga marina ao Ejipta.” Ny tatitra hafa [ar] no milaza fa 26 ny mpiasa ejipsiana niala, ka ao anatin'izany ny mpiasa efatra miasa any amin'ny foibe ao Doha.

Mpanao gazety iray, Wesam Fadhel nitatitra ny fialany ao amin'ny sata Facebook [ar]. Toy izao ny nosoratany:

I resigned from Al Jazeera today. It's lying openly. They are showing old footage from an empty Tahrir and saying it was taken a short while ago and they are airing the scenes for hours. When I asked Ahmed Abu Al Mahasen for the reason he said that I should mind my own business. Al Jazeera cameras are in Tahrir live now. Sadly I used to work in a place which I thought had credibility but [I now realise] its credibility is based on a despicable political stance.

Niala tao amin'ny Al Jazeera aho androany. Mandainga ankitsirano mihitsy io. Nampiseho ny sarin'i Tahrir mbola mangadihady taloha ry zareo ary milaza fa vao teo no nalaina dia ataon-dry zareo eo mandritra ny ora maro izany. Raha nanontany an'i Ahmed Abu Al Mahasen ny antony hanaovana izany aho dia nolazainy fa tsy misy idirako izany (fa tokony ny asako ihany no tohizako). Maka sary mivantana ao Tahrir ny Al Jazeera amin'izao fotoana izao. Mampalahelo fa nieritreritra niasa tao amin'ny toerana noheveriko ho ananana fitokisana aho saingy [mahatsapa ankehitriny] fa ny fitokisana azy dia mifototra amin'ny fijoroana ara-politika.

Ao amin'ny Twitter i Elijah Zarwan no namoaka hevitra:

@elijahzarwan: Al-Jazeera Egypt staff resign after ‘biased coverage’: Resigning June 1 wld have been courageous http://tinyurl.com/mjculx8

Nametra-pialana ny ekipa Al-Jazeera Ejipta taorian'ny ‘tati-baovao mitongilana': Ny fialana tamin'ny 1 jona no mety ho fampisehoana herim-po

Ary nanampy i Nezar AlSayyad:


@nezar:
Al Jazeera Cable has recently become to Islamists in Egypt what Fox News has been to fundamentalist Republicans in the US for many years.

Lasa toy ny Fox News ho an'ny Repoblikana fondamentalista ao Etazonia hatry ny taona maro ny fantsona Al Jazeera ho an'ny Islamista ao Ejipta tao ho ao.

Tany amin'ny fivoaran-draharaha hafa i Rawya Rageh, mpitatitr'i Al Jazeera ao Kairo, nisioka sarin-taratasy fandrahonana nalatsaka teo ivelan'ny biraon'ny Al Jazeera's Cairo tao Kairo androany:

A threatening leaflet dropped outside Al Jazeera office in Cairo. Photograph shared on Twitter by @RawyaRageh

Taratasy fandrahonana nalatsaka teo ivelan'ny biraon'ny Al Jazeera tao Kairo. Saripika nozarain'i @RawyaRageh tao amin'ny twitter.

@RawyaRageh: Threatening leaflets dropped near AlJazeera's offices in Cairo – bloodied hand & line ‘lies & other lies’ #Egypt

Sombin-taratasy fandrahonana nalatsaka akaikin'ny biraon'ny AlJazeera tao Kairo – tanana mihosin-drà sy tsipika ‘lainga sy lainga hafa’ #Ejipta

A lying camera kills a nation reads a flyer thrown outside Al Jazeera office in Cairo. Photograph shared by @RawyaRageh on Twitter

Mamono firenena ny fakantsary mandainga, hoy ny fivakin'ny trakitra natsipy teo ivelan'ny biraon'ny Al Jazeera tao Kairo. Saripika nozarain'i @RawyaRageh ao amin'ny Twitter

@RawyaRageh: ‘A bullet may kill a person, a lying camera kills a nation’ on flyer dropped near AlJazeera's offices #Egypt

“Mety mahafaty olona iray ny bala, mamono firenena ny fakantsary mandainga” hita ao amin'ny trakitra nalatsaka teo akaikin'ny biraon'ny AlJazeera

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.