Morales Sy Snowden : Tezitra Noho Ny Olana Diplaomatika Ireo Filoha Any Amerika Latina

[Mitondra any aminà pejy mitenyEspaniola ny rhy raha tsy nasiana fanamarihana manokana]

Lasa sehatra ara-diplomatika isan'ny sarotra indrindra tao anatin'izay taona vitsy lasa izay ny tanànan'i Vienna, Aostralia, tamin'ny fotoana nanaovan'ny fiaramanidin'ilay Filoha Boliviana Evo Morales fipetrahana maika tao, nohon'ny fisian'ny fanakanana [es] an'habakabaka nataon'ny Espaina, Frantsa, Portiogaly ary Italia azy amin'ny fiahiahiana azy ho nanampy an'ilay mpamoaka tsiambaratelom-panjakana Edward Snowden hivoaka an'i Rosia.

Avy nanatrika ilay Fivoriamben'ny Firenena Mpanondrana Entona tany Mosko ilay Filoham-pirenena.

Mbola tsy fantatra mazava ny antony nihodinan'ilay fiaramanidina nitodi-doha ho any Atlantika ny Talata 02 Jona, hiverin-dàlana ary hipetraka ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Vienna. Tetsy an-kilany, nanao fanambaràna ireo manampahefana Boliviana fa nanafoana ny fanomezany fahazoan-dalana hipetraka amin'ny taniny ho an'ilay fiaramanidina i Espaina, Frantsa, Portiogaly ary Italia sady nandà ny fangatahan'izy ireo hameno solika, satria noheverina fa isan'ny mpandeha tao anatiny koa i Snowden.

Evo Morales. Foto de usuario de Flickr Alain Bachellier (CC BY-NC-ND 2.0)

Evo Morales. Sary nalain'ilay mpampiasa Flickr Alain Bachellier (CC BY-NC-ND 2.0)

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Manaraka izany, nilaza ny manampahefana Frantsay sy Espaniola fa nalalaka ny fandehanan'ilay fiaramanidina hamakivaky ny faritry ny habakabany. Ary koa, ho fanampin'iny resabe iny, nisy fangalàna feo iray izay toa resaka nifanaovan'ilay fiaramanidina sy ny mpanara-maso ny habakabaka, nahenoana ny feon'ilay mpanamory fiaramanidina nangataka alàlana hipetraka noho ny fiheverany fa toa tsy ampy solika izy.

Naneho hevitra teo noho eo ireo mpitondra avy amin'ny firenena Amerika Latina maro, betsaka tamin'izy ireny no naneho ny heviny mikasika ilay resaka tao amin'ny Twitter.

Nandefa bitsika niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy maro ilay Filohan'i Arzantina, Cristina Fernández (@CFKArgentina) [es] isan'izany i Evo Morales – tao amin'ny kaontiny. Ireto manaraka ireto ny santionany tamin'izany :

@CFKArgentina: “Qué? Evo? Evo Morales detenido?” Inmediatamente me viene a la mente su última fotografía, en Rusia…

@CFKArgentina : “Inona hoe ? Evo ? Evo Morales voatazona ?” Tonga dia tonga ato an-tsaiko ilay sariny farany tao Rosia…

@CFKArgentina: Definitivamente están todos locos. Jefe de Estado y su avión tiene inmunidad total. No puede ser este grado de impunidad.

@CFKArgentina : Tena mitapy tanteraka mihitsy ireo. Manana zo feno tsy ho azo tazonina ny Filoham-panjakana iray. Tsy mampino ahy ity  haavon'ny tsy fahafaha-manasazy ity.

Manondro ny fanehoan-kevitry ny filohan'i Ekoatora, Rafael Correa, izy ato amin'ity bitsika ity :

@CFKArgentina: Rafael me dice que va a llamar urgente a Ollanta Humala para reunión urgente UNASUR.

@CFKArgentina : Niteny tamiko i Rafael fa hiantso an'i Ollanta Humala izao ankehitriny izao hampiantso fivoriana maika ny UNASUR [Union of South American Nations/ Fikambanan'ireo firenena any Amerika Atsimo]

Avy eo, i Rafael Correa nandefa bitsika hoe [es] :

@MashiRafael: ¡Increíble! ¡Niegan ingreso a espacio europeo de avión de Evo Morales! ¿Y despuės nos hablan de cumbres EU-AL? ¡A reaccionar Patria Grande!

@MashiRafael : Tsy mampino ! lavin'izy ireo ny fidiran'ny fiaramanidin'i Evo Morales tany amin'ny faritry ny habakabak'i Eoropa! Avy eo miresaka fivoriamben'ny EU-AL [Latin America] indray izy ireo ? Mifohaza ry Firenen-dehibe !

Avy eo, Cristina Fernández nizara ny hevitr'ilay filohan'ny Orogoay koa :

@CFKArgentina: Hablo con Pepe (Mujica). Está indignado. Tiene razón. Es todo muy humillante. Me vuelve a hablar Rafa.

@CFKArgentina : Niresaka tamin'i Pepe (Mujica) aho. Tezitra mafy izy. Rariny ny azy. Tena manala baraka izany. Miantso indray i Rafa [Rafael Correa].

Farany, nilaza ilay filoha Arzantina fa hampiantso fivoriana maika an'ireo UNASUR ny filohan'i Pero, Ollanta Humala :

@CFKArgentina: Me avisa que Ollanta va a convocar a reunión de UNASUR. Son las 00:25 AM. Mañana va a ser un día largo y difícil. Calma. No van a poder.

@CFKArgentina : Niteny tamiko i Ollanta fa hampiantso fivoriana ireo UNASUR. Amin'ny 00:25 ora maraina izao. Ho andro lava sy sarotra rahampitso. Mitonia. Tsy hahomby izy ireo.

Ary nilaza ilay Filoha Rafael Correa hoe :

@MashiRafael: Horas decisivas para UNASUR: o nos graduamos de colonias o reivindicamos nuestra independencia, soberanía y dignidad. ¡Todos somos Bolivia!

@MashiRafael : Fotoana fanapahan-kevitra izao ho an'ny UNASUR : na hijanona ho zanatany isika na hitaky ny fahaleovantenantsika, ny fiandrianantsika sy ny maha isika antsika. Bolivia daholo isika rehetra!

Nilaza koa ilay filohan'i Venezoela, Nicolás Maduro, fa niresaka taminy i Evo Morales :

@NicolasMaduro: Estoy en contacto con Evo, se han violado todas las inmunidades internacionales que protegen a los jefes de Estado por la obsesión Imperial.

@NicolasMaduro : Mifandray amin'i Evo aho, voahitsakitsaka ny lalàna rehetra rehetra erantany miaro ireo Filoham-panjakana nohon'ny didy jadona Imperialy.

Avy eo izy nanampy hoe :

@NicolasMaduro: Ratifico toda la solidaridad con Evo y desde Venezuela con dignidad responderemos esta agresión peligrosa, desproporcionada e inaceptable.

@NicolasMaduro : Manohana tanteraka an'i Evo avy aty Venezoela aho, am-pahamendrehana, ho valiantsika iny herisetra mamoa-doza sy tsy rariny ary tsy azo ekena iny.

Araky ny fanambarana navoakan'ny Ministry Atitany ao Aostralia izay nilaza ilay raharaha ho “fanaraha-maso efa fanao”, vantany vao tafidina an-tseranam-piaramanidina ny fiaramanidina iray, dia niditra tao anaty fiaramanidina ny manampahefana ao Aostralia hikaroka an'i Snowden ary nisava ny pasipaoron'ireo mpandeha rehetra. Na dia efa niteny tamin'ny filoha Arzantina aza ny filoha Morales hoe :

@CFKArgentina: “Y no voy a permitir que revisen mi avión. No soy un ladrón”. Simplemente perfecto. Fuerza Evo.

@CFKArgentina : “Tsy avelako hisava ny fiaramanidiko izany izy ireo. tsy mpangalatra aho akory”. Mety izany. Mahereza Ingahy Evo.

Navotsotr'ireo manampahefana tao Aostralia i Evo Morales taorian'ny nitazonana azy nandritry ny telo ambiny folo ora sy taorian'ny nilazan'ny governemanta Aostraliana fa tsy tao anatin'ilay fiaramanidin'ny filoham-panjaana Boliviana i Snowden. Taorian'izay vao nosokafan’ i Espaina ny habakabany hahafahan'ilay filoha Boliviana hijanona kely ao amin'ny nosy Kanary avy eo hanainga ho any Bolivia.

Na dia teo aza izany, nolavin'ireo manampahefana Boliviana ny fisian'ilay fisavàna [es] , araka ny nambara'ny filoha lefitra Boliviana Álvaro García Linera :

No hemos permitido que se hiciese registro al avión presidencial 001 y que ningún tipo de fuerza hiciese revisión al avión presidencial porque no corresponde. Ese avión tiene inmunidad y por derecho internacional no puede ser sometido a requisa.

Tsy navelanay nosavaina ilay fiaramanidina 001 an'ny filoham-pirenena satria tsy fanao izany. Manana alalàna manokana io fiaramanidiana io ary araky ny lalàna iraisam-pirenena, tsy azo savaina.

Morales [es] namintina hoe :

Tengo la obligación de defender la dignidad y la soberanía de mi puesto. No es una ofensa al presidente sino a todo un pueblo, a toda un región como Latinoamérica.

Zoko ny miaro ny maha-izy azy sy ny fiandrianan'ny Biraoko. Tsy fanalam-baraka ny filoham-pirenena ihany izany fa ny firenena iray manontolo mihitsy, ny faritra iray manontolo tahaka an'iAmerika Latina.

Farany, ny governemanta Boliviana dia namoaka fanambarana fa hampiantso ny Ambasadaoro Frantsay sy Italiana ary ny kaonsila Portiogey ao La Paz hanazava ny antony nandàvany ny fisidinana sy fipetrahan'ny fiaramanidin'ny Filoha Evo Morales.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.